Tôko 1

1 Petera, apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'iré zanaka am-pielezagna, iré zay voafidy, magneragna an'i Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia, ké Bitynia. 2 Izégny de araka ny fantatr'Andriamanitra Ray mialôha, voatôkan'ny Fanahy ho fankatoavagna sy ho famafazagna ny ràn'i Jesosy Kristy. Ho aminaré anie ny fahasoavagna, ké hitômbo anie ny fiadanagnaré. 3 Ho tahiagna anie Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin'ny famindram-pôny, no nagnomezany antsika fahaterahagna vôvô ho an'ny fahatokisan'ny lova. Izégny lova izégny de tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny naty. 4 Izégny de ho an'ny lova zay tsy ho foaty, tsy ho simba, ké tsy ho levogna. Izégny de voatôkagna ho anaré agny an-dagnitra. 5 Anaré de arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoagna, ho an'ny famonjegna zay efa vonogna ho ambara amin'ny fotoagna farany. 6 Tegna ravoravo momba izégny anaré, na de alainaré aza ny hahatsiaro malahelo amin'ny ôlogno maro samy hafa avaizo. 7 Izégny de ho an'ny fagnaporofoagna ny finoagnaré, zay sarobidy kokoà noho ny vôlamena zay simba, na de nosedraigna tamin'ny afo aza. Miseho izégny mbô ho hita ny vôkatry ny finoagnanaré amin'ny fideragna, voninahitra, ké haja amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 8 Tsy nahita Ananjy anaré, nefa tia Ananjy. Tsy mahita ananjy anaré avaizo, kanefa mino Ananjy ké tegna faly amin'ny fifaliagna tsy hay koragnina, mahafinaritra. 9 Raisinaré avaizo ny vokatry ny finoanaré, de ny famonjegna ny fagnahinaré. 10 Iré mpaminany de nikaroka sy nagnontany tsara ny momba izégny famonjegna izégny, ny momba ny fahasoavagna zay ho anaré. 11 Zaré ré de nitady ny hahafantaragna ny momban'ny hoe zôvy sy oviagna ny Fanahin'i Kristy akô aminjaré ré no nivôlagna taminanjy iré. Izégny de nitranga karaha fijalian'i Kristy sy ny voninahitra magnaraka izégny. 12 Nambara taminjaré ré izégny mbô tsy hanompo ny tegnany zaré ré, fô anaré, rehefa nivôlagna iré raha zay voalaza taminaré avaizo zaré ré tamin'ny alalan'iré zay nitory ny filazantsara taminaré tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina nalefa avy agny an-dagnitra-- raha zay tian'iré anjely ho fantatra. 13 Noho izégny homano ny sainaré. Mahonona tegna. Mametraha fitokiagna amin'ny fahasoavagna zay ho entigna aké aminaré amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14 Amin'ny maha-zanaka mpankàto, aza mampifanaraka ny tegnanaré amin'iré fagniriagna zay narahinaré tamin'ny mbôla tsy nahalala anaré. 15 Fô karaha lay zay niantso anaré hoe masina, anaré, ihany koà, ôka ho masina amin'ny fitondran-tegnanaré manontolo. 16 Fô voasôratra hoe: ''Ôka ho masina, satrià masina Zaho.'' 17 Ké kôfa magnantso lay araiky zay mitsara tsisy fagnavakavahagna araka ny asan'ôlogno tsiraikaraiky avy hoe: ''Ray'' anaré, de handany ny fotoan'andronaré amin'ny fanehoagna fagnajagna. 18 Fantatraré fô tsy avy tamin'ny vôlafôtsy na vôlamena mety levogna no nanavotagna anaré tamin'ny fitondran-tegna adala zay nianaranaré tamin'iré razanaré. 19 Fô ndraiky, navotagna tamin'ny rà sarobidin'i Kristy anaré, zay karaha ny zanak'ondry tsisy kilema na tsigny. 20 Voafidy talôhan'ny nananganagna an'izô tontôlo izô Kristy, fô avaizo de tamin'iré fotoagna farany no nagnambaràgna Ananjy taminaré. 21 Amin'ny alalany no hinoanaré an'Andriamanitra, zay nanangagna ananjy tamin'ny naty sy tamin'iré namiany voninahitra mbô ho akô amin'Andriamanitra ny finoagna sy fahatokianaré. 22 Nagnadio ny fagnahinaré tamin'ny fankatoavagna ny fahamarinagna anaré. Izégny de ho an'ny fitiavagna ara-pirahalahiagna madio; noho izégny mifankatia fatratra amin'ny fô. [Fagnamarihagna: Iré dika-teny sanany de mivaky hoe: ''Nagnadio ny fagnahinaré tamin'ny fankatoavagna ny fagnahinaré tamin'ny alalan'ny Fanahy anaré''] 23 Nateraka indraiky anaré, tsy avy amin'ny voa mety naty, fô avy amin'ny voa tsy mety naty, amin'ny alalan'ny koragnan'Andriamanitra velogna sy mitoetra. 24 Fô ''ny nôfo jiaby de karaha ny ahitra, ké ny voninahiny jiaby de karaha ny voninkazon'ny ahitra. Maigna ny ahitra, ké malazo ny voninkazo, 25 fô ny koragnan'ny Tompo de mipetraka mandrakizay.'' Izégny ny vôvô mahafaly zay nambara taminaré.