Tôko 1

1 Paoly, nantsovin'i Kristy Jesosy mbô ho Apostoly noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsika, 2 ho an'ny fiangonan'Andriamanitra akô Korinto, ho an'iré izay voahasigny takô amin'i Kristy Jesosy, de voahantso ho ôlo-masigny. Manoratra ho an'iré jiaby izay magnantso ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny toeragna jiaby iregny koa izahay, ny tompon-jaré ré sy ny anintsika. 3 Ho aminaré ane ny fahasoavagna sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Baban-tsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Izaho de magnome fisaoragna ho an'Andriamanitra nahy ho anaré noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay namian'i Jesosy Kristy anaré. 5 Nataony nanan-kariagna tamin'ny fomba jiaby anaré, tamin'ny fivolagnana jiaby sy fahafantaragna jiaby, 6 kôfa vô voaporofo takéo aminaré fô marigna ny fagnambaragna mômban'i Kristy. 7 Noho izegny anaré de tsy mijaly fagnomezam-pahasoavagna akéo am-padignesanaré mafy ny fagnambaragna an'i Jesosy Kristy Tompontsika. 8 Izy foagna koa de hampahery anaré hatramin'ny farany, mbô tsy hana-tsigny anaré amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika. 9 Matoky Andriamanitra, izay nagnantso anaré ho amin'ny firaisagna amin'ny zanany lahy, Jesosy Kristy Tompontsika. 10 Avaizo de mampirika anaré zaho, ry rahalahy, amin'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mbô hifagnaraka anaré jiaby, ary tsy hisy fisarahagna aké aminaré. Mampirisika zaho mbô hitambatra amin'ny saigny mitovy sy tanjogna mitovy anaré. 11 Fô efa natao mazava taminahy, ry rahalahy tamin'ny alalan'ny fokon'ôlon'i Kloe fô misy fifampiandaniagna aké aminaré. 12 Ny tiako volagnina de izao: Ny tsiraikiraiky aminaré samby magnano hoe: ''Izaho miaraka amin'i Paoly,'' na ''Zaho miaraka amin'i Apolosy,'' na ''Izaho miaraka amin'i Kefasy,'' na ''Izaho miaraka amin'i Kristy.'' 13 Vôarasarasa mô Kristy? Paoly mô nifantsihagna ho anaré? Tamin'ny agnaran'i Paoly mô no nagnaovana batisa anaré? 14 Misaotra an'Andriamanitra zaho fô tsy nisy nataoko batisa anaré, koa tsy Krispo sy Gaio. 15 Izaigny de mbô tsy hahafahan-jovy na izôvy mivolagna hoe tamin'ny agnarako no nagnamboaragna batisa anaré. 16 (Izaho fôagna koa de nagnano batisa ny fianakaviagnan'i Stefanasy. Ny ankoatran'izay, tsy fantako na nagnano batisa ôlon-kafa zaho.) 17 Fô Kristy de tsy nagnasa anahy mbô hampagnano batisa fô hitory ny filazantsara. Izy tsy nagnandefa anahy hitory amin'ny tenim-pahedregnan'ôlombelogno, mbô tsy ho foagna ny hery ny kakazofijaliagnan'i Kristy. 18 Fô ny hafatra mômba ny kakazofijaliagna de fahadalagna amin'iré zay ho foaty. Fô aké amin'iré zay ho vonjen'Andriamanitra ndraiky, de herin'Andriamanitra izegny. 19 Fô voasôratra hoe: ''Ho potehiky ny fahendregnany ny hendry. Ho foagnako ny fahalalagnan'ny mahay.'' 20 Akaiza ny ôlon-kendry? Akaiza ny manam-pahaizagna? Akaiza ny mpiady hevitra an'izao tontolo izao? Mô tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalagna vô ny fahendregnan'izao tontolo izao? 21 Satria tsy nahafantatra an'Andriamanitra izao tontolo izao takô amin'ny fahendregnany, de sitrak'Andriamanitra ny hagnavotra iré izay mino amin'ny alalan'ny fahadalagnan'ny fitoriagna. 22 Fô iré Jiosy de mangataka famantaragna mahagaga ary iré Grika mitady fahedregna. 23 Fô zahay mitory an'i Kristy voafantsika, izay vato fanafitohinagna ho an'iré Jiosy ary fahadalagna ho an'iré Grika. 24 Fô ho an'iré izay nantsôvin'Andriamanitra, iré Jiosy sy iré Grika, de mitory an'i Kristy karaha ny hery sy fahendregnan'Andriamanitra izahay. 25 Fô ny fahadalagnan'Andriamanitra de hendry noho ny ôlogno, ary ny fahalimiagnan'Andriamanitra de matanjaka noho ny ôlogno. 26 Diniho ny fagnantsovagna anaré, ry rahalahy. Tsy maro taminaré ny hendry koa ny amin'ny maha ôlombelogna. Tsy maro taminaré no nahery. Tsy maro taminaré no ambôny firazagnana. 27 Fô Andriamanitra de nisafidy iré raha mahôlan'izao tontolo izao mbô hampahamegnatra ny hendry. Andriamanitra de nisafidy izay malemy akeo amin'izao tontolo izao mbô hampahamegnatra izay matanjaka. 28 Andriamanitra de nisafidy izay ambany sy hamavoigny aketo amin'izao tontolo izao. Na izy aza de nifidy iré raha izay niheveragna ho tsinontsino, mbô hahatonga tsinontsino iré raha izay hatao ho manan-danja. 29 Nataony izegny mbô tsy hisy hanagna antony hireharehagna aké agnatrehany. 30 Nohon'ny nataon'Andriamanitra, avaizo anaré de akô amin'i Kristy Jesosy, izay lasa fahindreagna ho antsika avy amin'Andriamanitra. Izy de nanjary fahamarignantsika, fahamasignantsika ary fahafahantsika. 31 Vokatr'izegny, arak'izay volagnin'ny sôratra Masigna hoe: ''Aoka izay mirehareha, hirehareha akô amin'ny Tompo.''