Galatiana Toko 1

1 Paoly, apostoly_ tsy apostoly avy amin'olona na avy tamin'olona, fa avy amin'i Jesôsy Kristy sy Izy Andrimanitra Aba, zegny nanangana an'Azy tamin'ny maty _ 2 sady ny rahalahy marobe miaraka aminaha, an'ny fiangonanan'ny Galatiana io: 3 Fahasoavana ho anareo de fiadanana avy amin'Andriamanitra Iabantsena miaraka amin'i Jesôsy Kristy Tompo, 4 ny nagnome ny tegnany ho an'ny fahotantsena mba hangalany antsena amin'izao andron'ny faharatsena zao, magnaraka ny sitrapon'Andriamanitra sy Iabantsena, 5 ho an'Azy anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena. 6 Nahagaga anaha fa nenga malaky tamin'ny nagnantso anareo tamin'ny fahasoavan'ny Kristy anareo. Nahagaga anaha fa filazantsara hafa ndreka itodianareo. 7 Izany de tsy midika nefa fa misy filazantsara hafa, fa misy olona maromaro te hitondra fagnakorotagna ho anareo sady te hegnova ny filazantsaran'i Kristy. 8 Fa ndre ahay ndre ny anjely avy an-danitra aza hagnambara filazantsara hafa aminareo akôtran'izay efa nambara taminareo, de avelay izy voaozogna. 9 Karan'ny nizakainay taloha, de amin'izao aho magnmbara ndreka hoe: "Na misy olona magnambara aminareo filazantsara hafa akôtran'ny egny niresinareo, de avelay izy ho voaozogna." 10 Izaho ma amin'izao ka miaragna dera amin'olona sa Andriamanitra? Izaho ma ka magnano raha hampifaly olona? na mbola magnano zegny raha hampifaly olona aho, de tsy mpanompon'i Kristy. 11 Fa teko ho fantanareo, ry rahalahiko, fa ny filazantsara zegny nambarako de tsy filazantsaran'olombelona. 12 Tsy tamin'olona no nandresako an'izany, na nisy nampianatra anaha an'izany. Fa izany koza, de fagnambaran'i Kristy taminaha. 13 Fa anareo de naregny ny amin'ny fiaignanako taloha tamin'ny fomba fivavahan'ny Jiosy, mbàn'ny fomba nagnanjahako ny fiangonanan'Andriamanitra ambonin'ny tokony ho izy ndre de ny fiezahako handrava an'izany. 14 Niditra laligna tamin'ny fivavahan'ny Jiosy aho ambonin'ny maro tamin'ny nitovy taona taminaha, avy amin'ny zegny raika firenena taminaha. Karan'izany ny raha nitànako ny fomban-drazagnako. 15 Nefa Andriamanitra, de efa nanokana anaha atankibon-dreniko, de nagnantso anaha tamin'ny fahsoavany, 16 ndreka faly naneho ny Zanagny lahy taminaha, mba hahafahako mampafantatra an'Azy amin'ny Jentilisa, de tonga tsy nieritreritra tamin'ny nofo sy rà aho. 17 Tsy niakatra tagny Jerosalema ho agny amin'ny zegny manjary Apostoly talohako aho. Fa koza, nandeha tagny Arabia de aveo nierigna tagny Damaskosy aho. 18 Telo taona tafara taty de niakatra tagny Jerosalema hikanfantatra amin'i Kefasy aho sady nijanogna niaraka tamin'azy natagntin'ny dimy ambin'ny folo andro. 19 Tsisy hitako ny Apostoly akôtran'ny Jakoba, rahalahin'ny Tompo. 20 Sady amin'izany soratako aminareo, de magnome toky anareo aho agnatrehan'Andriamanitra, sady izaho tsy mametsy. 21 Aveon'igny aho de tamin'ny faritran'ny Syria sy Kilika. 22 Mbola tsy lala tamin'ny fiangonan'i Jodia amin'ny Kristy aho. 23 Regnin'iary zareo fotsiny zegny nizakaina hoe: "Ralilahy nagnanjaka antsena taloha igny de amin'izao de mampafantatra ny finôna nipotehina taloha." 24 Izany ny antony ideran'iary zareo an'Andriamanitra avy aminaha.