Galatiana Toko Faha 2

1 Efatra ambin'ny folo taona taty afara de niakatra tagny Jerosalema ndreka aho niaraka tamin'i Barnabasy, de nitondra an'i Titosy niaraka taminaha. 2 Nandeha tagny aho avy amin'ny fagnambarana raika sady nametraka tamin'iary zareo ny filazantsara ambarako aminareo Jentilisa. Nikoragna mitokana tamin'iary zareo zegny noheverina ho misy dikany aho, mba atokisana fa tsy nihazakazaka _ na efa nihazakazaka_ very maigna aho. 3 Fa ndre i Titosy aza, fa zegny niaraka taminaha sady Grika, de niterana ho voafora. 4 Niditra mangingina ny rahalahy sandoka hitsikilovanay ny fahafahana hanagnanay amin'ny Kristy Jesôsy. Nagniry ny hagnandevo anay iary zareo, 5 fa tsy nagneky an'iary zareo ndre de fotoana bitaka aza ahay, mba hipetrahan'ny fahamarinan'ny filazantsara aminareo. 6 Fa ndregny neverina ho misy dikany (n'ino n'ino iary zareo de tsy mampagnino anaha, Andriamanitra de tsy miangatra) _ zakaiko, zegny, heverina ho misy dikany de tsy magnampy n'ino n'ino taminaha. 7 Mifanohitra amin'izany, hitan'iary zareo fa izaho manko nagnankinana ny filazantsara ho an'ny zegny tsy vaofora, karan'ny nagnankinana tamin'i Petera ny filazantsara ho an'ny zegny voafora. 8 Fa Andriamanitra, niasa tamin'i Petera amin'ny maha apostoly an'ny voafora, de niasa taminaha koa ho an'ny Jentilisa. 9 I Jakoba, Kefasy, de i Jaona, fantatra fa agnisan'ny nanangana fiangonana, ndreka nahalala ny fahasoavana zegny nomena anaha, de nagnome tagnana ankavanan'ny fiombognana ho anaha sy Barabasy iary zareo. Nataon'iary zareo izany mba hahafahanay mandeha amin'ny Jentilisa sady mba hahafahan'iary zareo mandeha amin'ny voafora. 10 Nangataka fotsiny iary zareo mba tsy agnadigno ny mahantra ahay, zegny raha tena teko amboarina tegnany. 11 Fa ndreka tonga tagny Antioka i Kefasy, de nanohitra an'azy tamin'ny aignany aho satria nizakaina fa diso izy. 12 Talohan'ny nahatongavan'ny lilahy sanagny avy amin'i Jakoba, de tam-pihinana niaraka tamin'iJentilisa i Kefasy. Ka ndreka tonga ny lilahy io, de nijanogna izy sady nenga lavitra ny Jentilisa. Natahotra an'ny ndregny nitaky famorana izy. 13 Ny ambiny tamin'ny Jiosy koa de nitambatra tamin'ny fiatsarambelatsihy. Ndre i Barnabasy aza de vôvilika lalagna niaraka tamin'ny iary zareo tamin'ny fiantsarambaletsihin'iary zareo. 14 Ka ndreka hitako fa tsy magnaraka ny fahamarinanan'ny filazantsara ny fitondran-tegnan'iary zareo, de nizaka tamin'i Kefasy talohan'izy marobe aho hoe: " Na Jiosy anao kanefa miaigna kara Jentilisa fa tsy kara ny Jiosy, ma ny afahanao manery an'ny Jentilisa io hiaigna karan'ny Jiosy?" 15 Antsena de Jiosy tratrin'ny fahaterahana fa tsy mpanota Jentilisa; 16 fantantsena tsara fa tsisy olona hamarignin'ny asan'ny lalàna fa avy amin'ny finôna an'i Kristry Jesôsy my. Antsena my koa de tonga tamin'ny finôna an'i Jesôsy Kristy mba hagnamarinana amin'ny finôna an'i Kristy fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa tsy hisy mofo hagnamarinana amin'ny asan'ny lalàna. 17 Fa na ohatra ka, te hamarignina amin'i Kristy antsena, antsena my koa, de ahita fa mpanota, mampirisika fahotana ma i Kristy? Tonga de Aha! 18 Fa na manangana ny raha efa narovako taloha ndreka ah, de magnaporofo anaha ho mpandika lalàna aho. 19 Fa avy tamin'ny lalàna no nafaty anaha amin'ny lalàna, mba ho velona amin'Andriamanitra aho. 20 Nifantsiana niaraka tamin'i Kristy aho. Tsy aho koa no velona, fa i Kristy no velona aminaha ato. Ny fiaignana iaignako ao min'ny nofo amin'izao de iaignako amin'ny finôna Zanak'Andriamanitra, zegny tia anaha ka magnome ny tegnany anaha. 21 Tsy magnilika ny fahasoavan'Andriamanitra aho, fa na azo amin'ny lalàna ny fahamarignana, de tsisy dikany ny nahafaty an'i Kristy!