Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesôsy avy tamin'ny sitrapon'Andriamanitra, kara ny fampagnategnan'ny fiainagna zay ao amin'ny kristy Jesôsy, 2 an'i Timoty, zanaka tena: Fahatsarana, fiantrana, sady fedanana avy tamin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesôsy Tompontsena. 3 Misaotra an'Andriamanitra zaho, izegny tompoiko avy tamin'ireo razambeko, miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio, karany ahatsarovako anao fezay fezay amin'ny fivavahako na atoandro na alina. 4 Karany ahatsarovako ny ranomasonao, tena magniry ny hahita anao zaho, ka hofeno hafalena zaho. 5 Nampatsiaroviny anahy ny finoana marina, izegny niaigna voalohany tamin'ny vavy nao Loisa sady endrinao Eonisa, ka resilahatra zaho amin'izao fa miaigna ao aminao my koa izany. 6 Izany no atony nampahatsiaroviko anao mba hampiasanao ndreka ny fagnomezan'Andriamanitra ao aminao avy amin'ny fametrahako tanagna. 7 Fa Andriamanitra tsy nagnome fanahin'ny tahotra ho antsena, fa ny heri de ny fitiavana sady fifehezan-tegna. 8 Aza megnatra amin'ny fitsanganana ho vavolombelogna ny Tompontsena, na amiko, Paoly , ny saziny. Fakoja, mizarà amin'ny fijalena ny filazatsara nony herin'Andriamanitra. 9 Fa Andriamanitra no namonjy antsena sady nagnatso antsena tamin'ny antso masina. Nagnatao an'izany Izy, tsy non'ny asantsena, fa non'ny drafitra zegny efa namboariny de ny hantsarany. Na de mbola tsy nanomboka aza ny fotôna de fa nagnome antsena ny raha reo tamin'i Kristy Jesôsy Izy. 10 Fa amizao ny famonjen'Andriamanitra de naseho avy tamin'ny fisehoan'i Kristy Jesôsy Mpagnavotra antsena. Kristy zay nagnafoagna ny fahafatesana sady nitondra fiaignana zegny tsy hotapitra mandrakizay mba hagnazava ny avy amin'ny filazatsara. 11 Nony zany, de vôtendry ho mpitory teny zaho, ho apostoly, de ho mpampianatra. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha sanagny de magnampy hoe: "Ho an'ny Jentilisa."] 12 Ka nony antony zany de mijaly amin' io raha io my koa zaho. Fa tsy megnatra zaho, satria lalako Izy no ninoako. Resy lahatra zaho fa afaka mitagna zay efa nankiniko tamin'Azy Izy mandra-peveny andro zany. 13 Tano ny ohatra momba ny hafatran'ny finona zegny regninareo taminaha, miaraka amin'ny finona sy fitiavana amin'ny Kristy Jesosy. 14 NY raha tsara zegny nataon' Andriamanitra taminao, embeno amin'ny alalan'ny Fanahy Masina izany, zay miaigna amintsena. 15 Lalanareo zany, fa zay nipetraka tagny Azia de nivadika taminaha. Tamin'ny fikambanana io iary Fizelio mban'ny Hermozena. 16 Irarina ny Tompo hagnome famindram-po amin' ny tokatranon'i Onesiforo, satria nampahery anaha matetika izy sady tsy megnatra tamin'ny gadrako. 17 Fa koja, ndreka tagny Rôma izy, de niaragna anaha fatratra, ka hitany zaho. 18 Ny Tompo anie hitahy an'azy ka hahitany famindram-po avy amin'Azy amin'ny andro zany. Tamin'ny fomba marobe nagnampeny anaha tagny Efesôsy, de fantatrareo tsara.