Toko faha 2

1 Noho izany anao, a zanako, mahereza amin'ny fahasoavana zegny amin'ny Jesôsy Kristy. 2 Ny raha regninareo avy aminaha tagnatrehan'ny vavolombelona maro, de hankino amin'olona mahatoky zegny afaka hampianatra ny sasany koa. 3 Mahareta raha sarotra aminaha, kara'ny miaramila tsaran'i Jesôsy Kristy. 4 Tsisy misy miaramila manompo raha mbola vôfandrikan'ny raharahan'ny fiaignana zao,mba ahafahany mampifaly ny lehibeny. 5 Sady, raha misy olona mifaninagna karan'ny atleta, de mangalaka ny satro-boninahitra izy ndreka tsy mifaninagna amin'ny alalan'ny fitsipika. 6 Ilaina ny fandraisan'ny mpamboly zegny miasa mafy ny anjara vokatra voalohany. 7 Saino ny momba an'ny zegny zakaiko, fa ny Tompo no hagnome anareo ny fahatakarana amina'ny raha marobe 8 Tadidio Jesôsy Kristy avy amin'ny taranakan'i Davida; zay nitsangana tamin'ny maty. Izany de mitovy amin'ny hafatran'ny filazantsarako, 9 zegny mampijaly anaha ny amin'ny famatorana karan'ny mpamono olona. Fa ny tenin'Andriamanitra de ts vôfatotra. 10 Noho izany heretako ny raha marobe ho an'ny vôfidy, mba ho afaka hangala ny fanavotana zegny amin'i Kristy Jesôsy my koa iary zareo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Ity zaka ity de mendri-pitokisana: "Raha maty niaraka tamin'azy antsena, de ho velona hiaraka amin'azy my koa. 12 Raha miaritra antsena, de hanjaka hiaraka amin'azy my koa. 13 Raha tsy mahatoky antsena, de hahatoky my Izy, satria tsy afaka mandà ny tegnany Izy." 14 Ampahatsiahivoan'iary zareo fehizay io raha io. Ampitandremo agnatrehan'Andriamanitra iary zareo mba ts hifamaly momba ny zaka. Noho io de tsisy raha ilaina. Noho io demisy faharatena ho an'ny zegny miteno. [Fagnamarihana: ny dikan-teny sanangny de mivaky hoe: "Ampitandremo agnatrehan'Andriamanitra iary zareo] 15 Omeo ny tsara avy aminao mba hanoloranao tegna ho an'Andriamanitra karan'ny ankatoavina, mpiasa zegny ts managna antony hahamegnarana, zegny mampianatra ny tenin'ny fahamarinana amin'ny tokony ho izy 16 Hialao ny zaka fanevatevana, zay mitondra tsikelikely any amin'ny faharatsim-pagnahy. 17 Ny koragnan'iary zareo de hiely karan'ny bay mandaligna. Eo antegnategnan'ny Hymeneo sy Fileto. 18 Iary zareo de lilahy tsy mba nahalala ny marina. Mizaka iary zareo fa ny fitsangatsanganana amin'ny maty de efa nitranga. Raten'iary zareo ny fioan'ny sanagny. 19 Na de zany aza, ny fototra mafy orinan'Andriamanitra de mitsangana. Managna ny soratra ity: "Ny Tompo de mafantatra ny zegny an'azy"ary "zegny manognona ny agnaran'ny Tompo de tsy mentsy menga amin'ny tsy fahamarinana." 20 Amin'ny tragnon'ny mpanan-karena, de tsy ny fitoeran'ny volamena sy volafotsy my no ao. Misy my koa ny fipetrahan'ny kakazo ny tanimanga. Ny sanagny amin'iary zareo de ho ampesaina amim-boninahitra, sady sanagny ho amin'ny fagnalam-baraka. 21 Raha misy olona magnadio ny tegnany ho afaka amin'ny fahafaham-baraka, de fipetrahana manan-kaja izy. Izy de vôtokana, ilain'ny Tompony, sady vôhomana amin'ny asa tsara marobe. 22 Milefasa an'ny filàn'ny tanora. Meragnà fahamarinana, finôna, fitiavana, de fihavanana miaraka amin'ny zegny magnantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Nefa mandàva ny fagnotanena foka sady tsisy fotony. Fanatanareo fa mahatonga ady io 24 Ny mpanompon'ny Tompo de tsy ronky mifanditra. fa koza tsy mentsy malemy fagnahy amin'ny marobe izy, mahay mampianatra, sady maharitra. 25 Tsy mentsy amin'ny fahalemem-pagnahy no ampenarany an'ny zegny manohitra an'azy. Fa angmba Andriamanitra mety hagnome an'azy ny fivalozana ho an'ny fahalalana ny marina. 26 Mety hierigna ndreka ny fisaignan'iary zareo io sady handao ny fandrikan'ny devoly, ndreka avy nisamboriny tamin'ny sitrapony.