Toko 1

1 Paoly, sy Silasy, de Timoty, ho agny amin'ny fiangonan'ny Tesalôniana ao amin'Andriamanitra Ibantseka sy Jesôsy Tompo. 2 Ho aminareo ane ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo. 3 Izahay de tokony hagnome fisaorana an'Andriamanitra ho anareo fehizay, ry rahalay. Fa zany no tsara atao, satria tena mitombo fatratra ny finoanareo, mbamin'ny fitiavanareo tsirai-draika de mitombo ho an'ny hafa. 4 Nony zany zahay de mizaka am-pireareana momba anareo amin'iregny fiangonan'Andriamanitra. Zahay de mizaka ny momban' ny faharetanareo mbamin'ny finoanareo tamin'ny zay nagnejehana anareo. Mikorana mombanian'iro fijalena izay niaretanareo. 5 Izany de famantarana ny fitsarana marina an'Andriamanitra. Ny vokany de horaisina tsara ny fanjakan'Andriamaniatra zay nijalianareo anareo. 6 Marina amin' Andriamanitra ny hamaly fijaliana zay nampijaly anareo, 7 sady hagnome fitsaharana ho anareo zay nampijaliana taminay. Ho amboariny zany amin'ny fisehoan'i Jesôsy Tompo avy agny an-danitra miaraka amin'iregny anjelin'ny heriny. 8 Ao amin'ny afo tsy mety maty no hagnamboarany valifaty amin'iregny zay mahantatra an 'Andriamanitra sady amin'iregny zay tsy magneky ny filazantsaran'i Jesôsy Tompontsena. 9 ry zareo de hijaly amin'ny famaizan'ny fagnapotehana mandrakizay lavitra ny fagnatrehan'ny tompo sy ny voninahitrany heriny. 10 Hagnano an'zany izy ndreka avy amin'zany andro zany mba hagnomezany olony voninahitra azy sady higagan'iary zareo marobe zay nino. Fa ninoanareo ny fitsangananay vavolombelona. 11 Nony zany de mivavaka fehizay ho anareo my koa zahay. Mivavaka zahay mba ho tsara ny hangalan'Andriamanitra antsena amin'ny fiantsoana anareo. Mivavaka zahay mba hataony amin'ny heriny ny fagnirianareo ny fahatsarana sy ny asan'ny finoana marobe. 12 Mivavaka ho an'zany raha zany zahay mba omenareo voninahitra ny agnaran'i Jesôsy Tompontsena. Mivavaka zahay mba hagnomezany voninahitra anareo, nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra atsena sy Jesôsy Kristy Tompo.