2 Tesaloniana Toko Faha 2

1 Amin'zao ny fahatongavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena sy ny nagnotroana antsena agnaraka an'Azy: magnotany anareo zahay, ry rahalay, 2 mba tsy mora elignelegnina na hagnorohoro anareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny hafatra, na amin'ny taratasy zay kara ny hoe avy aminay, noho ny vokatry ny fihavian'zany andron'ny Tompo zany. 3 Aza magneky ho fitain'olona anareo na amin'ino na amin'ino. Fa tsy ho tonga zany naha tsy afaran'ny fahatongavan'ny fahalavoana, sady ny lilay mpandika lalàna de atoro, ny zanaky ny fahasimbana. [Fagnamarinana: ny dikan-teny taloha sanagny de mivaky hoe: "ka ny lilay mpanota de atoro"]. 4 Izy no manohitra sy magnambony ny tegnany amin'ny marobe hatao hoe Andriamanitra na zay ivavahana. Vokatr'zany, de nipetraka tao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra izy sady magnatoro ny tegnany ôtran'Andriamanitra. 5 Adignonareo ma fa tamin'zaho vô niaraka taminareo de efa nizaka an'zany raha zany? 6 Amin'zao de fantatrareo hoe ino no mitana an'azy, mba hagnatoroany amin'ny fotôna raika mam-pety an'zany my. 7 Fa ny raha navonin'ny fandikan-dalàna de efa miasa, misy olona raika my manakana an'zany amin'zao mandra-pagnalana an'azy teo amin'ny lalàna. 8 Aveo ny tena mpadika lalàna de haseho, zay hovonin'i Jesôsy Tompo ny fofognaigny ny vavany. Ny Tompo de hitondra an'azy amin'ny tsisy dikany amin'ny alalan'ny fisehoan'ny fahatongavany. 9 Ny fiavian'ny tena mpandika lalàna de noho ny asan'ny Satana miaraka amin'ny hery marobe, iregny famantarana, de iregny fahagagana tsy marina, 10 sady miaraka amin'ny fitaka marobe ny amin'ny tsy fahamarinana. Zany raha zany de ho an'iregny zay very, satria iary zareo de tsy nagnalaka ny fitiavan'ny fahamarinana mba hamonjena an'iary zareo. 11 Nony zany antony zany de mandefa asan'ny fahadisoana Andriamanitra mba hinoan'iary zareo afetsy. 12 Vokatr'zany de ho tsaraina aby iary zareo marobe, iregny tsy mino ny fahamarinana de magnala fafinaretana amin'ny tsy fahamarinana. 13 Fa zahay de tokony magnome fisôrana an'Andriamanitra fehizay ho anareo, rahalay notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra nifidy anareo kara an'iregny voaloham-bokatra ho an'ny famonjena amin'ny fagnamasinana ny Fanahy sy ny finoana ny fahamarinana. [fagnamarinana: ny dikan-teny hafa de vakina ôtran'zao: "Fa Andriamanitra de nifidy anareo hatramin'ny voalohanyho amin'ny famonjena]. 14 Zany no nagnatsovana anareo tamin'ny filazantsaranay mba azahoanareo ny voninahitr'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 15 Ka nony zany, ry rahalay, miorena tsara. Tano ny marina zay nampianarina anareo. Na tamin'ny teny zany na tamin'ny taratasinay. 16 Amin'zao de aoka i Jesôsy Kristy Tompontsena, de Andriamanitra Iabantsena zay tentsika sy nagnome antsena fampaherezana mandrakizay sy ny fahatokiana tsara ho tonga amin'ny alalan'ny fahasoavana, 17 hampahery sady hametraka ny fonareo amin'ny asa tsara marobe sy ny teny.