Toko 1

1 Simona Petera, mpanompo sy apostôlin'i Jesôsy Kristy, ho an'ny zegny nahazo ny finôna sarobidy kara'ny zegny nalainay finôna amin'ny fahamarinan'ny Andriamanitrantsena sy Jesôsy Kristy Mpamonjy. 2 Hampitomboina anie fahasoavana sy fedanana noho ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesôsy Kristy Tompontsena. 3 Ny raha marobe mahakasika ny herin'Andriamanitra ho an'ny fiaignana mban'ny toe- pagnahy de nomena antsena tamin'ny alaln'ny fahalalana an'Andriamanitra, zegny nagnantso antsena tamin'ny alalan'ny voninahitrany mban'ny fahatsarany manokana. 4 Tamin'ny alalan'io, nagnomezany teny fikasana tsara sady lehibe indrindra antsena, mba ho lasa mpizara amin'ny fomban'Andriamanitra anareo, raha milefa fahalotôna zegny ambonin'ny tany noho ny filàn-dratsy. 5 Noho izany, magnova ny trano tsara mba hagnampena fahatsarana amin'ny alaln'ny finônanareo, sady amin'ny alalan'ny fahatsaranareo, ny fahalalana. 6 Amin'ny alalan'ny fahalalanareo, magnampia fahonognam-po, magnampia fiaretana, de amin'ny alalan'ny feretanareo, magnampia toe-pagnahy. 7 Amin'ny alalan'ny toe-pagnahinareo,,magnampia fitiavana rahalahy, sady amin'ny alalan'ny fitiavana rahalahy, magnampia fitiavana. 8 Raha ao aminareo izy io sady mitombo aminareo, de tsy hamoa na tsy hamokatra an'i fahalalana an'i Jesôsy Kristy Tompontsena anareo. 9 Fa na iza na iza tsy ampy ny raha io de tsy mahita afa-ts zegny akeky; jamba izy. Nadignoiny ny fanadiovanaazy tamin'ny fahotany taloha. 10 Noho izany, a rahalahy, amboary ny raha marobe mba hahazoana antoka ny fagnantsovanasy fifidianana anareo. Raha magnano ny raha io anareo, de tsy ho vôfingana. 11 Amin'izy de malalaka ho anareo ny fidirana amin'ny fanjakana mandrakizay zegny an'ny Tompontsena sy Jesôsy Kristy mpamonjy 12 Noho izany de vognona fehizay aho hampatsiahy anareo ny raha io, na de fantanareo aza io, sady na de matanjaka amin'ny marina aza anareo amin'izao. 13 Izaho mieritreritra fa rariny aminaha ny mamoha anareo amin'ny fampahatsiahivana ny raha io, raha mbola eto amin'ity trano lay ty aho. 14 Satria fantako fa tsy ho ela de esoriko ny trano-laiko; kara,zegny nasehon'i Jesôsy Kristy Tompontsena anaha. 15 De ho atàko zegny farany vitako mba hahatadidiavanareo fehizay ny raha io ndreka dila aho. 16 Fa izahay de tsy magnaraka angano tsara rafitrazegny noforognina ndreka nikoragna taminareony momban'ny hery mban'ny nisehoan'i Jeŝosy Kristy Tompontsena. Fa koza, izahay de vavolombelona nahita ny fiandrianany. 17 Fa Izy de navôray laza amam-boninahitra avy tamin'Andriamanitra Aba ndreka nisy feo tonga tamin'Azy tamin'ny voninahitra tena lehibe hoe: "Ity no Zanako tena teko, sady tena sitrako." 18 Naregny an'ny feo avy tagny an-danitra zany zahay, ndreka niaraka tamin'Azy tegny an-tendrombohitra masina. 19 Antsena de managna an'ity teny faminanena zay efa namboarina ho amafy orina ity.Tokony hitandrina an'izany tsara anareo. Izany de karan'ny jiro mazava agnatin'ny izigna mandra-peven'ny mandraigna mban'ny kintanan'ny mandraigna miposaka am-ponareo. 20 Fantaro aloha izao, fa tsisy faminanena avy amin'ny famoan-kevitran'ny olona. 21 Fa tsisy faminanena avy tamin'ny sitrapon'ny olona. Fa koza, nitarihan'ny Fagnahy Masina izy io mba hizaka zegny nizakain'Andriamanitra.