Toko faha 2

1 Ny mpaminany sandoka de tonga tamin'olona, de ny mampianatra sandoka my koa de ho avy aminareo eo. Hitondra mangingina sain-diso mamotika iary zareo io, sady handà ny Tompo aby zegny nividy an'iary zareo. Iary zareo de mitondra fahapotehana malaky amin'iary zareo. 2 Maro ny hagnaraka ny fijejojejoan'iary zareo, de avy amin'ny alalagn'iary zareo no hizakana ratsy ny lalagnan'ny fahamarinana. 3 Amin'ny fieremana no hagnararaotany anareo miaraka amin'ny zaka mamitaka. Tsy ho ela fagnasaziana an'iary zareo io; tqy mandry ny fahapotehan'iary zareo io. 4 Fa Andriamanitra tsy namindra fo amin'ny anjely zegny nanota. Nefa koza natolony hoa amin'ny vilagny tany iary zareo mba ho voatazogna amin'ny gadran'ny fahamizignana mandra-peven'ny fitsaràna. (Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha sanagny de mivaky karan'izao: "Mba ho fatorana amin'ny lavakan'ny fahamizignana mandra-pihavian'ny fitsaràna.") 5 Sady my koa, ts namela an(izao tontolo izao taloha Izy. Nefa koza, namonjy an'i Noah, izay mpitory ny fahamarinana, miaraka amin'ny fito hafa, ndreka nitondra ny safo-drano tamin'ny ratsy fagnahy tamin'izao tontolo izao teto izy. 6 Andriamanitra my koa de nagnano ny tanànan'i Sôdôma sy Gômôra hanjary lavenona sady nagnameloka an'iary zareo ho amin'ny fagnapotehana; kara ny ohatra amin'ny zegny hitranga amin'ny ratsy fagnahy. 7 Fa i Lota marina, zay nampijalena tamin'ny fitondran-tegnan'iary zareo tsy ara-dalàna tamin'ny fijejojejoana, de nivonjen'Andriamanitra. 8 Fa lilahy marina zany, zay niaigna niaraka tamin'iary zareo isan'andro, de fadiranovana tamin'ny fagnahin'ny fahamarinana avy amin'ny raha hitany sady regniny. 9 Fantan'ny Tompo ny fomba hamonjena ny olona tsara fagnahy amin'ny fitsapana, mban'ny fomba hitànana ny olona tsy marina ho amin'ny fagnasazena amin'ny andro fitsaràna. 10 Tena marina tegnany izany ho an'ny zegny manohy amin'ny fagniriana ratsin'ny nofo sady magnano tsinontsinona ny fahefana. Mahasahy sady matoky tegna iary zareo. Iary zareo de tsy matahotra hizaka ratsy ny be voninahitra. 11 Ny anjely de managna hery mban'ny fahefana be, fa iary zareo d tsy mitondra fitsaràna maniratsira manohitra an'iary zareo amin'ny Tompo. 12 Fa ny biby tsy manam-pagnahy io de natao ho samborina sady potehina. Tsy fantan'iary zareo ny raha tsiratsirain'iary zareo. Ho potika iary zareo. 13 Hangala ny valisoan'ny raha ratsy namboariny iary zareo. Mieritreritra iary zareo fa ny tsy fitsitsiana mandritran'ny andro de fahafinaretana. Iary zareo de be pentipentigna mban'ny tsigny. Matsatsara an'iary zareo ny asa famitahan'iary zareo ndreka mihinagna miaraka aminareo. (Fagnamarihana: Ny dikan-teny sasany de mivaky karan'izao: "Mahafinaritra an'iary zareo ny asan'ary zareo ndreka mihinagna miaraka aminareo amin'ny sakafom-pifankatiavana.") 14 Adalam-behivavy mijangajanga ary zareo; tsy afa-po amin'ny fahotana mihitsy iary zareo. sady managna fo voaofana amin'ny fitsiriritana iary zareo. Zanakan'ny fagnozognana iary zareo io! 15 Nenga tamin'ny lala-mahitsy iary zareo. Nanjary nivilika iary zareo, de nagnaraka ny lalagnan'i Balama zanakan'i Beora, zay tia ny tambin'ny tsy fahamarinana. (Fagnamarihana: ny dikan-teny sanagny de mivaky karan'izao: "Balama, zanak'i Bosora.") 16 Fa nahazo zaka mafy izy satria nandika làna raika tagny. Nisy briky môna nizaka tamin'ny feon'olombelona nagnajanogna ny adalan'ny mpaminany. 17 Io olona io de karan'ny lohataona tsisy oragna. Karan'ny rahogna indosin'ny tafio-drivotra iary zareo. Natokana ho an'iary zareo ny hamizignana matevina. 18 Mizaka tsy am-peverana iary zareo. Mitondra ny olona amin'ny alalagnan'ny filàn'ny nofo iary zareo. Iary zareo de mitondra ny olona zegny miezaka milefa ny zay miaigna amin'ny fahadisôna. 19 Iary zareo de mampagnantegna fahafahana ho an'iary zareo, kanefa izy tegnany sady de andevon'ny fahalotoana. Fa ny olona de andevon'ny zegny marobe maharesy an'azy. 20 Ndre de iza ndre de iza afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao amin'ny alalagnan'ny fahalalana ny Tompo sy Jesôsy Kristy Mpamonjy, ary aveo de mierigna amin'ny fahalotoana ndreka, de hanjary ratsy noho ny toe-draharaha vôlohany ny toe-draharaha farany. 21 Aleon'iary zareo ny tsy mahafantatra ny lalan'ny fahamarinana nohon'ny mahafantatra izany de hivadika amin'ny didy masina nomen'ny an'iary zareo. 22 Marina ho an'iary zareo ity ohabolagna ity hoe: "Ny amboa no mierigna amin'ny loany. Ny kisoa efa nisasa mierigna mihoso-potaka."