Toko Faha 2

1 Telo andro tatoy afara, dia nisy fampakaram-bady tao Kanà ao Galilia, ary tao ny renin'i Jesôsy. 2 Jesôsy aveo reo mpianany dia nasaigny tamin'ny lehy fampakaram-bady. 3 Koafa lany ny divay, dia nivaolagna taminazy ny ninin'i Jesôsy nagnanjao: "Tsy managna divay zareo." 4 Ary hoizy Jesôsy taminazy: "Ravehivavy, nagnino anao madaiha Aminaha? Mbôla tsy tonga ny fotoagnako." 5 Dia hoizy ny nininy taminjareo mpanompo: "Na ino na ino volagniny aminareo, dia tsaboy zany." 6 Ary nisy seho vato enigny teo zay fampiasaigny amin'ny andro fisasan'ny Jiosy, mahazaka aroa zisiky telo metatra aby. 7 Hoizy Jesôsy taminjareo: "Finoa rano ny seho." Kay nifinoanjareo zisiky aminy sôgnony zany. 8 Ary aveo dia hoizy Izy taminjareo mpanompo: "Magnovaoza aminjay ary ndeso agny amin'ny tompon'andraikitry ny fikarakaragna." Kay nitsabonjareo zany. 9 Nandraman'ny tompon'andraikitrin'ny fikarakaragna lehy rano nanjary divay, kanaifa tsy nahay zay niaviany zany izy (fao zareo mpanompo zay nagnôvo ny rano ndraiky nahay azy). Aveo nagnantso ny mpagnampakatra Izy 10 ary nagnambara taminazy nagnanjao: "Ny ôlogno jiaby dia magnamia divay tsara alaoha zay vao ny divay moramora koafa mamo zareo. Fao areo ndraiky nikajy divay tsara bariky aminjeo." 11 Zany no famantaragna voalohany natan'i Jesôsy tao Kanà akagny Galilia, aveo nagnaboaka ny vogninahiny Izy, kay nino Azy reo mpianany. 12 Tafaran'ny zay dia nijôtso hoagny Kapernaomy Jesôsy, ny nininy, reo rahalahiny ndraiky reo mpianany avakeo nijanogno tao andro vitsivitsy zareo. 13 Ary afa nariny ny Pasky ny Jiosy, dia nakatra tagny Jerosalema Jesôsy. 14 Nahita mpivatr'aomby, ondry aveo vôromailala tao ampiangonagna Izy, ary nibidôko tao koa zareo mpanakalo vaola. 15 Noho zany dia nagnamboatra karavasy izy kay nandroaka zareo jiaby hiboaka ny tempoly, na ny ondry na aomby. Nandraraka ny vaolan-jareo mpanakalo vaola Izy ary nandavo ny latabatra njareo. 16 Dia hoizy Izy taminjareo mpivarotra vôromailala: "Ndeso miboaka lavitry tô toeragna tô reo raha reo. Aoka zay ny fanaovagna ny tragnon'ny Iadako ho tany fiavaraotagna." 17 Ary tsaroan'ny reo mpianany fao afa voasaoratra magnanjao: "Ny firihaitako ny amin'ny tragnonao no handevogno zaho." 18 Aveo namaly reo laohandaohan'ny mpisôrogno Jiosy kay nagnanjao taminazy: "Ino moa famantaragna ho aboakanao zahay, mahatonga Anao magnano regny raha regny?" 19 Jesôsy namaly: "Aravagno tô tempoly tô, fao ho hatsangako agnatin'ny telo andro foagna zany." 20 Ary hoizy zareo mpanapaka Jiosy: "Enigny amby aifapôlo tagno no nagnorenagna tô tempoly tô, kay anao moa hahatsangagna azy ao agnatin'ny telo andro?" 21 Kanaifa, mahakasikin'ny tempolin'ny haigniny no nivolagniny. 22 Tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty dia tsaroanjareo mpianany fao nagnambara zany Izy, ary nino ny Soratra Masigny ndraiky zany vaolagna nambaran'i Jesôsy zany zareo. 23 Ary koafa tao Jerosalema Izy tamin'ny andro firavoravoagnan'ny Paska, dia maro no nino ny agnaragnanazy koafa nahita reo famantaragna zay nitsabony. 24 Fao Jesôsy ndraiky tsy natoky zareo noho Izy nahay tsara zareo jiaby, 25 satria tsy nila na zôvy na zôvy hagnambara aminazy ny mahakasikin'ny ôlogno Izy, noho Izy nahay ny ao agnatin'ny ôlogno.