Toko faha 31

1 Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh dra nanao ho: 2 Manova valifaty amin'ereo Midianata noho nataon'ereo tamin'ereo Israelita. Raha vita zay , dra ho maty ianao dra hagnory eo amy olonao.'' 3 Koa niresaky tamin'ereo vahoaky i Mosesy. Ho izy ho:''Rongoy fiadana ho amy aly gny sasany amin'ereo olondrareo ba handehanan'ereo hanohisy an'ereo Midiana vo hagntateraky valifatin'i Yaveh aminizay. 4 Gny foko aby manera an'Israely dra sy maisy mandefa miaramila ho agny an'aly. '' 5 Koa tamin'ereo olo agn'arivorivon'Israely, dra avy agny amy fokoaby ho agny aly gny agn'arivony, ro arivo vo raiky aly gny fitambarany. 6 Avy eo nalefan'i Mosesy agn'aly izy reo, arivo aby amy foko aby, niaraky tamin'i Finehasa zanadahin'i Eleazara mpisoro, vo niaraky taminigny fanaky gnilany aby ao amy fitoera masy dra trompetra egny an-tagnany ba hisofa gny fanaira. 7 Nialy tamy Midiana izy reo, araky gny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Nivonon'ereo gny olo aby. 8 Nivonon'ereo mpazakan'i Midiana niaraky taminigny sisa gny matin'ereo:Evy, Rekema, Zora, dra Reba, reo mpazaka dimin'i Midiana. Nivonin'ereo tamy lefo koa Balama zanadahin'i Beora. 9 Nalanigny tafik'Israely ho babo reo ampelan'i Midiana, gny zanak'ereo, gny biby fitezan'ereo aby, reo agn'ondry vo osy , dra gny fanagnan'ereo aby. Nalan'ereo ho tia avo koa reo. 10 Nihoroan'ereo gny tagnany aby ze nonenan'ereo dra reo tobiny aby. 11 Nalan'ereo avo koa reo babo gadra aby, na olo na biby. 12 Nandesin'ereo tagny amin'i Mosesy, Eleazara mpisoro, dra tagny amy fianakaviam-beny olon'Israely reo gadra, gny babo, dra reo raha azo.Nansesin'ereo tagny amy toby tagny amin'ereo tany hain'iMoaba, amoron'i Jordana marinign'i Jeriko reo. 13 Nandeha niboaky niseza anazy reo tagny ambalikiny toby i Mosesy, Eleazara mpisoro, vo reo mpitariky gny fianakaviam-be aby. 14 Fa mosesy dra hory tamin'ereo manam-pahefa gny tafiky, reo mpifehy gny arivo vo reo kapirenigny zato, ze avy agny agn'aly. 15 Ho Mosesy tamin'ereo ho:''Nangandrareo ho velo seky gny ampela aby? 16 Indro, nataon'ereo ampela reo nanota tamin'i Yaveh gny amin'i Peora taminigny alalan'i torohevisin'i Balama gny olon"israely, raha niparitaky teo amy fiangonan'i Yaveh gny areti-mandoza. 17 Amizao dra , vonoy gny zazalahy eo amy madiniky aby , dra vonoy gny ampela aby ze fa niara-nandry tamy lelahy. 18 Fa andeso ho andrareo gny tovovavy aby ze sy bo niara-nandry tamy lelahy mihisy. 19 sy maisy mitoby ambaliky gny tobin'Israely mandrisy gny fito andro iandrareo, Indrareo aby ze fa namono olo na nihasy olo maty-sy maisy magnalio gny vatandrareo iandrareo amy andro fahatelo vo amy andro fahafito- iandrareo vo reo gadrandrareo. 20 Sy maisy magnalio gny akazonandrareo aby vi gny volon'osy , dra gny raha aby vita amy hazo iandrareo.'' 21 Eleazara mpisoro dra nizaka tamin'ereo miaramila zay nandeha tagny an'aly ho:''Itiho dra lalana voadidy ze nomen'i Yaveh an'i Mosesy: 22 Gny volamena , volafosy, varahina, vy, vofosy, vo firaky, 23 dra gny raha aby ze sy andairany gny afo, dra sy maisy ataondrareo agnatiny afo, ka halio zay. Avy eo sy maisy liovindrareo amy rano dandiova reo raha reo. Na ino na ino sy afaky mandalo amy afo dra sy maisy liovindrareo aminizay rano zay. 24 Amy andro fahafito dra sy maisy sasandrareo gny fitafiandrareo, dra avy eo iandrareo halio. Tafaranizay dra ho avy ao amy tobin'Israely iandrareo.'' 25 Avy eo Yaveh niresaky tamin'i Mosesy dra nizaka ho: 26 ''Isao reo raha babo aby ze azo, na olo na biby. Ianao, Eleazara mpisoro, dra reo mpitariky gny fianakavian'ereo fokony razambenao 27 dra sy maisy mizara reo babo ho fizara ro. Zarao eo amin'ereo miaramila ze nadeha an'aly vo reo ambiny fianakaviam-be aby zay. 28 Avy eo mitakia hetra avy amin'ereo miaramila ze nandeha an'aly ba homena anahy. Zay hetra zay dra sy maisy raiky isan-dimazato, na olo, biby fiteza, boriky, agn'ondry, na osy. 29 Alao amy asasakin'ereo ze hetra zay dra omeo an'i Eleazara mpisoro zay ba ho fagnatisy hatolosy ho anahy. 30 Dra avy amy asasaky gny Israely avo koa, dra sy maisy mangalaky raiky isan-dimam-polo ianao- avy amin'ereo olo, biby fiteza, boriky, agn'ondry , dra osy. Omeo an'erero Levita ze mikarakara gny tabernakeliko reo. '' 31 koa dra nataon'i Mosesy vo Eleazara mpisoro araky nandidian'i Yaveh. 32 Dra gny babo zay sisa tamin'ereo azon'ereo miaramila dra agn'ondry 675.000, 33 agn'amby ro arivo vo fito aly, 34 boriky arivo vo enina aly, 35 dra ampela ro arivo vo telo aly ze sy bo niara-nandry taminigny lelahy. 36 Gny asasaky zay nitan'ereo miaramila dra agn'ondry miisa 337. 000. 37 Gny azaran'i Yaveh dra agn'ondry 675. 38 Reo agn'omby enina arivo vo telo aly dra ro amby fito-polo gny hetran'i Yaveh. 39 30. 500 gny isan'ereo boriky dra raiky amby enim-polo gny azaran'i Yaveh. 40 Enina arivo vo ray aly reo olo ka ro amby telopolo gny hetran'i Yaveh. 41 Nalan'i Mosesy gny hetra ze tokony ho fagnatisy atolosy ho an'i Yaveh. Nomeny an'i Eleazara mpisoro zay, araky gny nandidian'i Mosesy. 42 Raha gny amin'ereo asasaky olon'Israely ze nalan'i Mosesy aby amin'ereo miaramila ze nandeha tagny aly- 43 dra agn'ondry 337.500, 44 agn'omby enina arivo vo telo aly, 45 biriky 30. 500, 46 dra vehivay enina arivo vo ray aly gny agny asasaky gny fianakaviam-be. 47 Avy amin'ereo asasaky gny olon'Israely dra nangalaky raiky isan-dimam-polo i Mosesy, na olo na biby. Nomeny an'ereo Levita ze nikarakara avo gny tabernakelin'i Yaveh reo, araky gny nandidian'i Yaveh anazy ba hatao. 48 Laha teo dra manam-pahefany gny tafiky, reo mpifehy gny arivo vo reo kapiteny zato, avy tagny amin'i Mosesy. 49 Ho izy reo taminazy ho: ''Nisain'ereo mpanomponao reo miaramila ze ambanigny fifehezanay, dra sy misy na raiky aza sy ao. 50 Nandesinay gny fagnatis'i Yavehm ze hitanigny olo kirairaiky , fanaky volamena, fehin-tagna vo haba, perasy fanombohan-kase, kavy, dra ravaky, ba hanova fagnavota ho anay eo anoloan'i Yaveh. '' 51 Mosesy vo Eleazara dra nandray gny volamena vo reo fanaky gny asa tagnany aby amin'ereo. 52 Reo volamena taminigny fagnatisy ze nomen'ereo an'i Yaveh -reo fagnatisy avy amin 'ereo mpifehy gny arivo vo avy amin'ereo mpifehy gny zato- dra mitarazo sekely 16. 750. 53 Gny miaramila kirairaiky dra samy nangalaky babo, olo kirairaikyvho agny vatany. 54 Mosesy vo Eleazara mpisoro dra nangalaky volamena avy amin'ereo mpifehy gny arivo vo reo kapitenigny zato. Nandesin'ereo tao amy tragno-lay fihaonana ze ho fahasiarova gny olon'Israely ho an'i Yaveh.