Toko faha 21

1 Raha renigny Kananita mpazakan'i Arada, ze nonina tao Negeva, fa nandeha tagny amy lala nagnagny Atarima gny Israely, dra nilay tamin'Israely izy dra nangalaky gny sasany tamin'ereo ho babo. 2 Nivoady tamin'i Yaveh gny Israely dra nanao ho:''Raha omeonao fandrese amin'ereo vahoaky reo zahay, dra ho torotoronay tateraky gny tananan'ereo.'' 3 Niteno gny feon'Israely i Yaveh dra nagnome anazy reo gny fandrese an'ereo Kananita. Nitorotoron'ereo tateraky izy reo vo gny tanany. Nitokavy ho Horma anizay toera zay. 4 Niala laha tao an-tanimboly Hora nariosy gny lala magnagny amy Ranomasy Mena izy reo ba handeha hagnodidy gny tanin'i Edoma. Niha-kivy tateraky gny vahoaky tegny an-dala. 5 Niresaky nagnohisy an'Agnahary vo i Mosesy gny vahoaky ho:''Nanao akory zahay gny nandesinao niboaky an'i Egypta ba ho maty atio an'efisy? Sy misy mofo, sy misy rano, dra halanay itio hany fadiranova itiho.'' 6 Laha teo Yaveh nandefa bibilava misy poizy teo amy vahoaky. Nanifasy gny olo reo bibilava; Maro gny olo maty. 7 Nagnato an'i Mosesy gny vahoaky dra nanao ho:''Nanota izahay satria niresaky nanohisy anao vo Yaveh. Mivavaha amin'i Yaveh ba hagnalany reo bibilava aminay.''Koa dra nivavaky ho agny vahoaky i Mosesy. 8 Ho Yaveh tamin'i Mosesy :''Manova vivilava dra hafaheho amy hazo lava. Ze voasifasy dra ho velo, raha magnety anizay izy.'' 9 Koa nanao bibilava varahina Mosesy dra namehy olo gny bibilava, raha nagnety gny bibilava varahina izy, dra velona. 10 Avy eo nandeha gny vahoakan'Israely dra nitoby tao Obota. 11 Nandeha laha tao dra nitoby tagny Learima tagny an'efisy ze manatriky an'i Moaba tandrifinigny asignana izy reo. 12 Niala laha tao izy reo dra nitoby tagny aminigny Lohasahan-driaky Zareda. 13 Niala tao izy reo dra nitoby tagny an-dafiny Reniranon'i Arnona, ze agny an'efisy ze mahita laha tagny a,y fari-tanin'ereo Amorita. Gny Reniranon'i Arnona gny fari-tanin'i Moaba, agnelagnelany Moabita vo reo Amorita. 14 Zay gny antony hizaka ao amy horonan-taratasin'Alin'i Yaveh ho:''Vaheba agny Sofa, dra reo lohasahan-driakan'i Arnona, 15 gny asan'ereo lohasahan-driaky zay mitariky mangnagny amy tanan'i Ara dra mizoso magnagny amy fari-tanin'i Moaba.'' 16 Niala tao izy reo dra nagnagny Bera, zay misy gny fasaka ze nizakan'i Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Ahorogny miaraky gny vahoaky ba hagnomezako rano anazy reo.'' 17 Laha teo nivily itio hira itio gny Israely:''Miboiboiky, ry fasakana.Atovy an-kira zay. 18 Gny fasaka ze nohalian'ereo mpitarisika, gny fasaka ze nihalian'ereo manan-kaza gny vahoaky tamy tehim-pazaka vo yehin'ereo.''Laha teo dra niala tao an'efisy izy reo dra nagnagny Matana. 19 Niala tao Matana izy reo dra nagnagny Nahaliela, dra avy ao Nahaliela nagnagny Bamota, 20 dra ao Bamota nagnagny amy lohasahan-driaky gny tany MMoaba. Eo an-dohanigny Tendrombohisy Pisga gny hahitana gny tany efisy. 21 Avy eo Israely nandefa mpinday hafasy tagny amin'i Sihona mpazakan'i Amorita nanao ho: 22 '''Angao zahay hamakivaky eo amy taninao. Sy hivily agny aminigny saha aby na gny tanim-boaloboky zahay. Sy hino gny rano laha teo amy fasakanao zahay. Handeha eo amy lalany gny mpazaka zahay mandra-pisahanay gny fari-taninao.'' 23 Fa sy nangan'i Sihona mpazaka handova gny fari-tanin'ereo gny Israely. Fa nangoro gny tafiny i Sihona mpzaka dra nanafiky an'Israely tagny an'efisy. Avy tagny Jahaza izy, ze nialiany tamin'Israely. 24 Nanafiky gny tafik'i sihona tamy lelan-defo gny Israely dra nangalaky gny tanin'i Izy reo avy eo Arnona ka hatrany amy renirano Jakoba, hatrany amy taniny vahoakan'i Amona. Dra fatrasy gny far-taniny gny Amorita aby gny Israely dra nipetraky tao amin'ereo aby, isan'izay Hesboba vo gny zna-bohiny aby. 26 Hesbona gny tanan'i Sihona mpazakan'ereo Amorita, ze nialy taminigny mpazakan'i Moaba teo aloha. Nalan'i Sihona avo koa fari-taniny ka hatrany amy reniranon'i Arnona. 27 Zay gny antony hizakan'ereo ze miresaky amy ohabolana ho:''Avia atio Hesbona. Ao gny tanan'i Sihona ho hasanga draiky dra ho apetraky draiky. 28 Nisy afo nagnoro laha tao Hesbona, lelafo aby ao an-tanan'i Sihona ze nandevo an'i Aran'i Moaba, vo reo tompon'ereo toera avon'i Arnona. 29 Loza ho anao , ry Moaba! Ringano ianao, ry olon'i Kemosy. Nataony ho mpandosy reo zanadahiny dra gadran'i Sihona mpazakan'ereo Amorita reo zanakapelany. 30 Fa resinay Sihona. Hesbona dra rava hatrany amy lalana aby magnagny Dibona. Resinay izy reo tegny amy lalana aby magnagny Nofa, ze mihazo an'i Medeba.'' 31 Koa nanomboky nony teo amy tanin'ereo Amorita gny Israely. 32 Laha eo Mosesy nandefa olo hagnety an'i Jazera. Nalan'ereo gny zana-boriky dra noroahin'ereo zay Amorita tao. 33 Laha teo nivily izy reo dra niakasy ho agny amy lala magnagny amy Basana. Niboaky nanohisy anazy reo i Oga mpazakan'i Basana, izy vo gny tafiny, ba hialy amin'ereo agny Edrehy. 34 Laha teo Yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Ka matahosy anazy, satria nomeko fandrese eo aminazy, gny tafiny aby, dfra gny taniny ianao. Atovy amy ze nataonao tamin'i Sihona mpazakan'i Amorita, ze mony agny Hesbona.'' 35 Koa novonon'ereo izy, reo zanadahy, dra gny tafiny aby, mandra-pahafatinigny olony aby. Laha teo dra nalan'ereo gny taniny.