Toko faha 20

1 Ary gny vahoak'Israely, gny vondro manotolo, dra nandeha an'efisy gny Zina tamigny volana volohany; nizano tao kadesy izy ereo. Tany Miriama vo maty dra nalevy. 2 Sy nisy rano ho agny vondro, dra niara-niango hanohisy an'i Mosesy vo Arona izy reo. 3 Nitaray tamin'i Mosesy gny vahoaky. Ho izy reo ho:''Soa koa raha maty tahaky gny Israelita namanay maty teo anatrehan'i Yaveh zahay! 4 Nanao akory gny nadesinao ba ho maty atio amitio efisy itio gny vivondronan'i Yaveh, dra zahay vo gny biby fitezananay? 5 Nanao akory ianao gny nampiakasy anay niboaky laha tagny Egypta ninday anay amitio toera mandaginy itio?Indro sy misy tegnany, aviavy, voaloboky, na apongaben-dagnisy eto , dra sy misy rano ho nomy.'' 6 Dra niala teo anatrehanigny fivondrona i Mosesy vo i Arona. Nilisy teo amy filirany gny tragno-lay fihaona izy reo dra niankohoky. Dra niseho tamin'ereo tao gny famirapiratany voninahisin'i Yaveh. 7 Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh dra nanao ho: 8 ''Alao gny tehina dra vorio gny fivondrona, ianao, vo Arona rahalahinao. Mizaka amy vatolampy eo amason'ereo, dra mandidia ba hiboibiky rano zay. Hamokasy rano ho anazy reo laha teo amy vatolampy ianao, dra sy maisy omenao gny fivondrona vo reo biby fitezany ba honominy zay. '' Nirambesin'i Mosesy laha teo anoloan'i Yaveh gny tehina, araky gny nandidian'i Yaveh anazy ba hatao. 10 Dra namory gny vahoaky teo anoloany vatolampy i Mosesy vo i Arona. Ho i Mosesy tamin'ereo:''Amizao mitenoa, iandrareo mpikomy. Moa seky sy maisy hamoaky rano avy laha taminitio vatolampy itio ho andrareo zahay?'' 11 Dra nananga gny tagnany i MOsesy dra nazera indroa gny vatolampy taminigny tehina, ka rano be gny niboaky. Nino gny fivondrona, vo reo biby fitezany. 12 Dra ho i Yaveh tamin'i Mosesy vo i Arona:''Satria sy natoky na nagnome voninahisy anahy ho masy teo amasany vahoakin'Israely iandrareo, dra sy hinday gny fiangona agny amy tany ze fa nomeko anazy reo iandrareo. '' 13 Itio toera itio dra nitokavy ho Ranin'i Meriba satria gny vahoakin'Israely dra nifagnakany tamin'i Yaveh teo, dra nampiseho gny vatany tamin'ereo ho masy Izy. 14 Nagniraky mpinday hafasy aby tao Kadesy ho agny amy mpazakan'i Edoma i Mosesy:Zai gny zakan'Israely rahalahinao:''Fatanao gny aly sarosy ze fa nahazo anay. 15 Fatanao fa nilisy tagny Egypta reo razanay dra nitoesy tao Egypta nandrisy anay tamy gny fahasiahana vo reo razanay avo koa reo Egyptiana. 16 Raha nitoka fatrasy an'i Yaveh zahay, dra nahare gny feonay Izy ka nandefa azely dra ninday anay niboaky laha tao Egypta. Indro, atio Kadesy zahay, tana raiky amy farisy gny taninao. 17 Mangataky aminao zaho gny ba hamelanao anay hiriosy eo amy taninao. Sy hiriosy amy saha na tanim-boloboky , na hino gny rano ao amin'ereo lava-dranonao izahay. Handeha egny amy alalambeny mpazaka izahay. Sy hivily hiankavana na hiankavia izahay mandra-pahavinay egny amy sisin-taninao.'' 18 Fa gny mpazakan'i Edoma namaly anazy ho:''Sy mahazo miriosy eto iandrareo. Raha miriosy ndrareo , dra ho avy miaraky amy sabasy hanafiky andrareo zaho.'' 19 Dra gny vahoakan'Israely nanao taminazy ho:''Hamakivaky gny lalam-be zahay. Raha mino gny ranonao zahay na gny biby fitezanay, dra honeranay zay. Alao avo zahay ba handeha tomboky , fa sy anao raha hafa.'' 20 Fa gny mpazakan'i Edoma namaly ho:''Sy mahazo miriosy iandrareo. ''Ka avy namely an'Israely gny mpzakan'i Edoma niaraky taminigny tana-maherin'ereo miaramila maro be. 21 Nanda gny hamela gny Israely hiampita teo amy sisin'ereo gny mpazakan'i Edoma. Noho zay, dra nivily taminigny tanin'i Edoma gny Israely. 22 Koa niala tao Kadesy gny vahoaky. Gny vahoakan'Israely, gny fivondrona manotolo, nagnagny an-tendrombohisy Hora. 23 Niresaky tamin'i Mosesy vo Arona tao an-tendrombohisy Hora i Yaveh, eo amy diditanin'i Edoma. Ho Izy: 24 ''Sy maisy hampiaraha amy vahoakany i Arona, fa sy hilisy amy tany ze fa nomeko gny vahoakan'Israely izy. Zay dra samy nikomy nanohisy gny zakako tao amy ranon'i Meriba iandrareo. 25 Alao i Arona vo i Eleazara zanadahiny, dra andeso miakasy agny an-tandrombihisy Hora izy reo. 26 Alao amin'i Arona reo akazo fisorogna ka ampanovy an'i Eleazara zanany. Sy maisy ho maty Arona dra hampiarahy amy vahoakany agny.'' 27 Nanao araky ze nandidian'i yaveh i Mosesy. Niakasy tagny an-tanimboly Hora reo amasonigny fivondrona aby izy reo . 28 Nalan'i Mosesy gny akazo fisorognan'i Atona dra nampanoviny an'i Eleazara zanany reo. Maty teo an-tampombohisy i Arona. Dra nizoao i Mosesy vo Eleazara. 29 Raha hianigny vondro aby fa maty i Arona, dra nandala an'i Arona mandrisy gnt tepolo andro gny firenena manotolo.