Toko faha 6

1 Amizao mitenoa ze zakan'i Yaveh: "Misangana dra alaharo eo agnatrehan'ireo tendrombohisy gny raharahandrareo; aoky reo havoa hahare gny feondrareo. 2 Mitenoa gny alin'i Yaveh, handrareo ry tendrombohisy, vo handrareo fagnambany maharisy tany. Fa manan'aly aminigny vahoakiny Yaveh, dra hialy hanohisy gny Israely eo aminigny fisara Izy." 3 "Ry oloko, ino gny nataoko andrareo? Nagnino gny nandrerahako andrareo? Mizoroa vavolombelo hanohisy Anahy! 4 Fa nandesiko niakasy hiboaky gny tany Egypta handrareo dra navotako hiboaky gny tragno fanandevoza. Nagniraky an'i Mosesy, Arona, dra Miriama tamindrareo Zaho. 5 Ry oloko, sarovy ze niheverin'i Balaka pazakan'i Moaba, vo gny fomba namalian'i Balama zanak'i Beora anazy raha nandeha nagnagny Sitima dra hatragny Gilgala handrareo, ba hahafahandrareo mahafatasy gny asa-marin'i Yaveh." 6 Ino gny tokony handesiko ho an'i Yaveh, raha mekohoky eo amin'Agnahary Avo zaho? Tokony ho avy eo Aminazy miaraky aminigny fagnatisy oroa, aminigny zanak'agnomby heritao ra zaho? 7 Moa ra Yaveh hakasitraky agnondrilahy agnarivony, na oni'dililo agnaliny? Tokony hanolosy gny lahimatoako noho gny heloko ra zaho, gny naterako noho gny fahotako avo? 8 Fa nizaka anao Izy, ry olo, ho ino gny soa, dra ono gny taken'i Yaveh aminao: Manova gny mary, tiava ami-pahasora, dra mandehana ami-panetre-tegna mindray amin'Agnahary. 9 Manao fagnambara aminigny tana gny feon'i Yaveh__na gny fahendre aza amizao dra miaiky gny agnaranao: "Tenoy gny sora-kazo, vo gny olo ze nanoby anizay taminigny fitoerany. 10 Misy harena ao atragnonigny rasy fagnahy sy mary, dra fandrefesa mavandy ze fahavetaveta. 11 Tokony hihevisy gny olo ho sy mana-signy ra Zaho raha mapiasa mizana mavandy izy, mindray aminigny tatinao fandaza mamitaky? 12 Feno herisetra gny pana-karena, fa nizaka vandy reo pony, dra pamitaky gny lelany ao ambavany. 13 Noho zay dra namely anao taminigny rasy maharary Zaho, fa nataoko ho rava noho reo fahotanao hanao. 14 Hihina hanao fa sy ho afa-po; hitoby ao agnatinao gny haresianao. Hamory harena hanao fa sy hahavy, dra ze voavorinao dra homeko gny mesa. 15 Hamafy hanao fa sy hiziza; hagnisakisaky oliva hanao fa sy hihisosy dililo; hagnosihosy voaloboky hanao fa sy ba hino divay. 16 Reo fisipiky nataon'i Omry dra fa voatandry, dra reo asanigny taranak'i Ahaba aby. Mandeha araky ze torohevis'ereo hanao. Ko hataoko, ho faharava, hanao ry tana, dra raha mapisitrisitry handrareo ry pony, dra hizaka lasa manahaky gny vahoako handrareo."