Toko faha 5

1 Amizao mindresa ao aminigny filaharan'aly, ry zanakapelan'ireo miaramila; fa nanoby tovo-tany magnodidy gny tanan'ireo maramila, aminigny sora-kazo gny hamelezany gny pisaranigny Israely eo aminigny takolany. 2 Nefa hanao, ry Betlehema Efrata, na dre farany masaiky eo amireo fokon'i Joda aza hanao, dra ao aminao gny iboahanigny olo hagneo Aminahy ba hanapaky gny Israely, ze hatramin'ireo fotoa faela gny fiandohany, dra haharisy mandrakizay. 3 Noho zay dra hahafo anereo i Zagnahary, hatraminigny fotoa hitrotroagnani'ze mihesi-zaza, dra gny tavela amireo anadahiny dra hiherin'agny aminigny vahoakin'Israely. 4 Hizoro Izy dra handigny gny agnondry aman'osy aminigny herin'i Yaveh, aminigny voninahisy gny agnaran'i Yaveh Zagnahariny. Hitoby ereo, dra akory ho lahibe hatragny aminigny faranigny tany Izy. 5 Ho fedagnasika Izy. Gny fa avy ao aminigny tanisika reo Asyriana, gny fa manao liambe hanohisy reo ferova mafisika anereo, dra hisanga hanohisy anereo aminigny piaraky agnondry fito vo pitariky valo amireo olo sika. 6 Handigny gny taninigny Asyria ami-mesa ereo, vo eo gny fidira ao amizay gny tanin'i Nimroda. Hagnavosy asika aminigny Asyriana Izy, gny fa avy eo aminigny tanisika ereo, gny fa manao liambe agnatinigny faritanisika ereo. 7 Gny sisa tavela amin'i Jakoba dra ho eo agnevon'ireo vahoaky maro, manahaky gny ando boak'amin'i Yaveh, manahaky gny ranon'ora eo aminigny ahi-meso, ze sy mandigny olo, dra sy mandigny gny zanak'olombelo ereo. 8 Gny sisa tavela amin'i Jakoba dra ho eo amireo firenena, eo amireo vahoaky maro, manahaky gny liona eo amireo biby agny agnala, manahaky gny liona tanora eo amireo agnondry maro. Gny fa mamakivaky eo amireo izy, drahagnosihosy vo hamotipotiky reo, dra sy hisy olo hamozy anereo. 9 Hisandrasy hamely reo fahavalonao gny tagnanao, dra hamotiky anereo zay. 10 "Zao gny hitranga amizay andro zay" hoy Yaveh "Hovonoko eo aminao reo sovalanao dra hopotehiko reo kalesana. 11 Horavako reo tana eo aminigny taninao dra harodako gny mandanao aby. 12 Hopotehiko gny sikily eo atagnandrareo, dra sy hana pisikily sasy hanao. 13 Hopotehiko reo sary sokisao vo reo sangam-batonao eo aminao. Sy hanopo gny asa-tagnanao sasy hanao. 14 Hofongoriko eo aminao reo tananao. 15 Hagnatateraky valifaty ami-fahoria vo fahasiaha eo amireo firenena ze sy nakato Zaho."