Toko faha 16

1 Avy reo Fariseo vo Sadoseo dra nisapa Anazy ka nangataky Anazy ba hampiseho anazy gny famatara laha tagny an-dagnisy. 2 Fa Izy namaly dra nizaka anazy reo ho:''Gny fa hariva,dra ho andrareo ho:'Ho sara gny andro,fa mena gny lagnisy.' 3 Gny fa maraindray,dra ho andradreo ho:'Ho rasy gny andro,fa mena vo mazombo gny lagnisy.'Haindrareo gny mamatasy gny poziny gny lagnisy,fa andrareo sy afaky mandika gny famatara gny fotoa. 4 Gny taranaky rasy vo pizangazanga dra mitalia famatara,fa sy hisy famatara homeny anazy afasy gny famataran'i Jona.''Laha teo Jesosy nangenga anazy reo dra nandeha. 5 Gny fa avy tegny ampita gny mpianasy,dra alignon'ereo gny ninday mofo. 6 Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Miambena dra mitandrema amy misirasin'ereo Fariseo vo Sadoseo.'' 7 Nitalia hevisy reo mpianasy dra nizaka ho:''Noho isika sy ninday mofo zay.'' 8 Jesosy nahafatasy anizay dra nizaka ho:''Andrareo ry masaiky finoa,nanao akory ndareo gny mialy hevisy amindrareo dra mizaka fa noho gny sy nandesandrareo mofo zay? 9 Bo sy haindrareo na saroandrareo se gny mofo dimy ho agny dimy arivo, dra sobika firy gny nahorindrareo? 10 Dre gny mofo fito ho an'ireo efasy arivo,dra sobika firy gny nalandreo? 11 Nanao akory gny sy ahazoandrareo fa sy momba gny mofo gny nizakako andrareo?Miambena dra mitandrema amy masimasin'ereo Fariseo vo Sadoseo.'' 12 Laha teo azon'ereo fa sy hitandry amy masimasinigny mofo gny nizakany anazy reo, fa hitandry gny amy fampianaran'ireo Fariseo vo Sadoseo. 13 Dra gny fa avy tagny amy farisy mariny gny Kaisaria-filipo Jesosy,dra nagnotany reo mpianany Izy,manao ho:''Ataonigny olo ho iza moa gny Zanak'olo?'' 14 Ho izy reo ho:''Gny sasany mizaka fa Jaona mpanao batisa; gn'ilany ,Elia;dra gny hafa,Jeremia; dre raiky amin'ereo mpaminany.'' 15 Ho izy tamin'ereo ho:''Fa andrareo koa manao Anahy ho iza?'' 16 Namaly ,Simona Petera nanao ho:''Ianao gny kristy, zanakiny Zagnahary velo.'' 17 Namaly Jesosy dra nanao taminazy ho:''Sambasy anao,ry Simona Bar-Jona,fa sy gny nofo gny lio gny naneho anizay taminao,fa gny Rako ze agny an-dagnisy. 18 Zakako aminao avo koa fa anao gny Petera,dra agn'abon'itiho vatolapy itiho gny hagnorenako gny fiangonako.Gny fefiny lolo dra sy haharesy anizay. 19 Homeko andrareo gny fangalahilinigny fazaka gny lagnisy.Dre ino dre ino fehizinao eto agn'abony tany dra ho fehezy agny an-dagnisy, dre ino dre ino vahanao etiho an-tany dra ho vaha agny an-dagnisy.'' 20 Laha teo Jesosy nandidy reo mpianasy fa izy reo dra sy tokony hizaka amin'iza dre iza fa Izy gny kristy. 21 Tamin'izay fotoa zay Jesosy nanomboky nizaka reo mpianany fa sy maisy ho agny Jerosalema Izy,hizaka fizalia maro eo an-tananigny loholo vo gny loha gny mpisoro dra reo mpanora-dalana,ho vono,vo hasanga draiky amy andro fahatelo. 22 Laha teo Petera nangalaky Anazy dra nizaka fatrasy Anazhy,manao ho:'Ho lavisy anao seky zay,ry Topo;sy hisanga aminao mihisy se zay.'' 23 Fa Jesosy nitoliky dra nizaka tamin'i Petera ho:''Miala agny andamosiko,ry Satana!Anao dra fanafitohy ho anahy,noho anao sy miraharaha reo rahan'Agnahary,fa reo rahanign'olo.'' 24 Laha teo Jesosy nizaka tamin'ereo mpianany ho:''Raha misy te-hagnaraky anahy,dra sy maisy manda gny vatany izy,hinday gny hazofizaliany,dra magnaraky anahy. 25 Fa dre iza dre iza te-hamozy gny ainy dra hahalevo anazy,dre iza dre iza gny hahalevo gny ainy noho gny aminahy,dra hahazo anizay. 26 Fa ino moa gny soa ho azony olo raha mahazo zao totolo zao kanefa levo gny ainy?Ino gny omeny gny olo ho takalognainy? 27 Fa gny zanak'olo dra ho avy amy voninahisy gny rany miaraky amin'ereo azeliny.Laha teo Izy hamaly soa gny olo kirairaiky araky ze vitany. 28 Zakako mary amindrareo,fa misy gn'ilany amindrareo ze mizoro etaho gny sy hosapa gny fahafatesa mandrapahitan'ereo gny Zanak'olo avy amy fazakany.''