Toko faha 17

1 Jesosy nizaka tamin'ereo pianany ho:''Azo atoky fa hisy raha afaky hanosiky asika hanota, fa loza ho an'gny olo ze hiavin'izay! 2 Soa ho anazy koa raha asia vato be eo amin'gny vozony dra atoraky an-dranomasy , manahaky ze hahatafitihy gny raiky amin'ereo madiniky reo. 3 Mitandrema andrareo. Raha manota gny rahalahindrareo, zakao fatrasy izy,dra raha mibebaky izy, mamela anazy. 4 Raha manota aminao impito ao agnatin'gny andro raiky izy,dra impito mihery aminao izy, mizaka ho:''Mibebaky zaho,'dra sy maisy mamela anazy anao!'' 5 Reo apostoly tamin'gny Topo ho:''Ampitomboy gny finoanay.'' 6 Gny Topo nizaka ho:''Raha mana finoa ohasin'gny voasinapy andrareo,dra afaky mizaka amin'io voroihazo io ho:'Miongota, vo magniria agny an-dranomasy,'dra hagneky andrareo izy. 7 Fa iza amindrareo, gny mana panopo miasa tagny dre miamby agn'ondry,dra hizaka aminazy gny fa avy laha tagny an-tanimboly izy ho:''Avia malaky dra mipetraha ba hihina'? 8 Fa sy hizaka se izy ho:'Hikarakaranao raha hohaniko zaho,dra asio fehitroky magnodidy gny akazonao dra manopoa anahy mandrapahalanin'gny haniko vo fisotroako. Dra bak'eo anao mihina vo mino'? 9 Sy misaotra gny panopo izy satria nanao gny ze nibaikoa anazy izy, sa misaotra se izy? 10 Dre dra andrareo koa aza, gny fa nahavita gny raha aby ze nandidia andrareo andrareo,dra tokony hizaka ho:''Zahay dra panopo sy mendriky . Ze tokony nataonay avo gny nataonay.'' 11 Dra raha nandeha ho agny Jerosalema Izy,dra nandeha teo amin'gny sisi-tany teo agnelagnelan'i Samaria vo Galilia. 12 Gny fa nilisy tao amin'gny tana raiky izy,dra nisy boka folo lahy nifakatozy taminazy tao. Nisanga lavisy Anazy ereo 13 dra nanandrasy abo gny feon'ereo, nizaka ho:''Jesosy, Topo o, mamindra fo aminay.'' 14 Gny fa nahita anazy reo Izy,dra nizaka tamin'ereo ho:''Mandehana dra ampisehoy amin'ireo pisoro gny vatandrareo.''Raha igny lasa igny izy reo dra nalio. 15 Gny fa nahita gny raiky tamin'ereo fa sitrana izy,dra nihery, niaraky tamin'gny feo abo nakalaza an'gnahary. 16 Nandohaliky teo atombon'i Jesosy izy, nanolosy fisaora ho Anazy. Izy dra Samaritana. 17 Dra Jesosy nizaka ho:''Sy fa voalio se izy folo? Fa eza gny sivy? 18 Sy nisy hafa nihery hagnome voninahisy an'Agnahary se,afa-sy itiho vahiny itiho?'' 19 Dra ho Izy taminazy:''Misangana,dra mandehana. Gny finoanao gny mahasitra anao.'' 20 Raha nagnontanin'ereo Fariseo ho ombia gny fazakan'Agnahary gny ho avy,dra namaly anazy reo Jesosy dra nizaka ho:''Sy hita-maso gny fiavian'gny fazakan'Agnahary. 21 Sy hizaka koa izy reo ho:'Hatio, itiho gny izy!'na ho:'Iriho gny izy!'Fa indro,gny fazakan'Agnahary dra ao agnatindrareo.'' 22 Ho Izy tamin'ereo pianasy :''Avy gny andro hagniriandrareo gny hahita gny raiky amin'gny andron'gny Zanak'olo,fa sy hahita anizay andrareo. 23 Dra ereo dra hizaka amindrareo ho:'Hatia, eryho! Hatio, etiho!'Fa ka miboaky dre magneziky anazy reo, 24 fa tahaky gny selasy mamirasy mazava gny fa mitarasy laha tagny amin'gny gny raiky,dra manahaky anizay gny Zanak'olo amin'gny androny. 25 Fa volohany dra sy maisy hizaly amin'gny raha maro Izy vo ho lavin'itiho taranaky itiho. 26 Tahaky ze nisanga tamin'gny andron'i Noa,gny hiboaany koa amy andron'gny Zanak'olo.. 27 Nihina ereo,nino,nanambaly, natolosy ho ampakary, mandrapihavin'gny andro ze niliran'i Noa tao amin'gny sambofiara vo avy gny Safo-drano dra nandringa anazy aby. 28 Tahaky ze nisy tamin'gny andron'i Lota nihina sady nino ereo, nivily vo nivarosy, namboly vo nanao tragno. 29 Fa tamin'gny andro ze niboahan'i Loza laha tao Sodoma,dra afo vo solifara gny nilasaky laha tagny an-dagnisy dra nandringa anazy aby. 30 Dra ohasin'izay koa gny amin'gny andro hiboaany gny Zanak'olo. 31 Amin'izay andro zay, ka anga hiboaky hangalaky gny etany ho egny ambaliky gny tragno ze egny amin'gny tapo-tragno;dra la anga hihery ze agny an-tanimboly. 32 Tadidio gny valin'i Lota. 33 Dre iza dre iza mitalia hamozy gny ainy dra hahavery anazy, fa dre iza dre iza gny ainy dra hamozy anazy. 34 Mizaka amindrareo Zaho,fa amin'izay hariva zay dra hisy olo ro eo agn'abony fandria raiky. Gny raiky dra horambesiny, dra gny raiky ho angao. 35 Dra hisy to vavy miara-mandisa vary. Gny raiky ho rambesy,vo gny raiky ho anga.'' 36 [ Fagnamariha:reo fandika taloha soa indrindra dra manala gny andininy faha 36 ho:''Hisy ro lahy agny an-tanimboly; gny raiky ho rambesy,dra gny raiky ho anga.''] 37 Nagnontany Anazy ereo ho:''Eza, Topo?''dra Izy nizaka tamin'ereo ho:''Ze hitoeran'gny maty,dra agny koa gny hisy votoro hiara-miango.''