Toko faha 18

1 Niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao ho: 2 'Miresaha amy vahoakin'Israely dra zakao izy reo ho:'Zaho gny Yaveh Zagnaharindreo. 3 Ka manao gny raha ze ataony vahoaky agny Egypta, ze nonenandrareo teo aloha.Ka manao ze raha ataony vahoaky ao Kanana, gny tany ze hindesako andrareo .Ka magnaraky gny fomban'ereo. 4 Gny lalako gny ao hataondrareo, dra reo didiko gny ao ho tandremandrarero, ba handehanandrareo eo amin'ereo, satria Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo. 5 Noho zay dra tandremo reo didy aman-dalako.Raha misy olo makato reo, dra ho velo noho izy reo izy.Zaho gny Yaveh. 6 Ao sy hisy olo hiara-mandry amin'izay olo mifandray mariny aminazy.Zaho gny Yaveh. 7 Ka mangalaky baraka gny randrareo amy fatoria miaraky amy renindrareo.Renidrareo izy!Ka mangalaky baraka anazy. 8 Ka miara-mandry amin'ereo valin-drandrareo;ao iandrareo sy hangalaky baraka gny randrareo manahaky anizay. 9 Ka miara-mandry amin'izay anabavindrareo, na zanakapelany randrareo na zanakapelany renindrareo, na dra nasanga avo izy.Ka miara-mandry amy anabavindrare. 10 Ka miara-mandry amy zahakapelany gny zanadahindrareo amy zanakadahiny zanakindrareo ampela.Fa ho hegnasy ho andrareo avo zay. 11 Ka miara-mandry amy zanakapelany gny valin-drandrareo, zay nateraky gny randrareo.Anabavindrareo izy, dra ao iandrareo sy hiara-mandry aminazy. 12 Ka miara-mandry amy anabavin-drandrareo .Hanava mariny gny randrareo izy. 13 Ka miara-mandry amy rahavavin-drenindrareo.Havana mariny gny renidrareo izy. 14 Ka mangala baraka gny rahalahin-drenindrareo amy fiaraha-mandry amy valiny.Ka magneky anazy amin'izay tazona zay;nenitoandrareo izy. 15 Ka miara-mandry amy vinato ampelandrareo.Vali-janakindrareo izy;ka miara-mandry aminazy. 16 Ka miara-mandry amy valin-drahalahindrareo; ka mangala baaraka anazy amin'izay fomba zay. 17 Ka miara-mandry amy ampela raiky vo gny zanany, na amy zanakapelany na zanadahiny na amy zanakapelany zanakapelany.Havana mariny anazy izy reo, dra faharasia gny fiaraha-mandry amin'ereo. 18 Ao iandrareo sy hanambaly gny rahavavim-balindrareo ho valy faharo dra hiara-mandry aminazy raha bo velo gny valindrareo volohany. 19 Ka miara -mandry amy ampela mandrisy gny fadimbola .Maloto izy mandrisin'izay fotoa zay. 20 Ka miara-mandry amy valiny mpiray vody rindry amindrareo ka handoto gny vatandrareo miaraky aminazy amin'izay fomba zay. 21 Ao iandrareo sy hagnome reo zanakindrareo ho atao eo amy afo, fa manao soro anazy reo ho an'i Moloka iandrareo amin'izay,satria sy mahazo manirasira gny agnaran'Agnaharindreo iandrareo.Zaho gny Yaveh. 22 Ka miara-mandry amy lelahy hafa manahaky gny miaraky amy ampela .Rasy zay. 23 Ka miara-mandry amy biby vo mandoto gny vatandrareo miaraky amin'izay.Ao sy hisy ampela hihevisy fiaraha-mandry amy biby.Fahavetaveta zay. 24 Ka mandoto gny vatandrareo amin'ereo fomba reo, fa tamin'ereo fomba aby reo gny nampahaloto reo firenena, reo firenana zay roahiko eo anatrehandrareo. 25 Voaloto gny tany, ka nosaziko gny fahotan'ereo, dra nandoa reo mponiny gny tany. 26 Noho zay , iandrareo, dra ao hitandry gny didiko vo gny fisipiko, dra ao iandrareo sy hanao reo raha-mahandanginy reo, na gny tera-tany Israelita zay na gny vahiny zay mony eo amindrareo. 27 Fa zay gny faharasia fa nataony mponigny tagny, reo zay nony teto talohandrareo, dra voaloto gny tany amizao. 28 Noho zay dra mitandrema afarany nandotoandrareo anazy, manahaky gny nandoavany gny vahoaky ze teo alohandrareo. 29 Na iza na iza manao reo raha mahandanginy reo, reo olo zay manao raha manahaky anizay dra ho ala sy ho eo amy vahoakin'ereo. 30 Noho zay dra tandremo gny didiko ba sy hanao reo fomba mandanginy ze natao teto talohandrareo amin'ereo.Zaho gny Yaveh Zagnaharindreo.'''