Toko faha 2

1 Ry rahalahy , ka mihazo gny finoa an'i Toposika Jesosy Kristy, gny topogn'gny voninahisy ,amigny fiagara amigny olo sasany . 2 Ataovy hô misy olo milisy ao amigny fivoriandrareo manao banga volamena vô ankazo soa,dra misy lelahy mizaly avô koa milisy manao akazo maloto. 3 Raha magnety gny olo miakazo soa anao dra mizaka hô: ''Azafady mitoera eto amigny toera soa ,''fa hizaka amigny lelahy mizaly koa hô: '' Misangana anao erihô,''dre hô : ''Mipetraha eto antomboko,'' 4 moa sy micapisara amindrareo reo ? Moa sy lasa pisara amigny eritreri-drasy andrareo? 5 Mitenoa , ry rahalahy malalako ,sy fa nofilin'Agnahary se gny mahatran'izao totolo zao bâ hanakarena amigny finoa vô bâ ho pandova gny fazakana ze napanatenana reo ze tia Anazy ? 6 Fa andrareo dra nangalaky baraka gny mizaly ! Moa sy ereo gny mapahôry andrareo ? Moa sy ereo se gny mitariky andrareo ho eo amigny fisarana ? 7 Moa sy ereo seky gny magnarasy gny agnara soa ze andrareo? 8 Dre zay aza ,raha magnatateraky gny lalagn'gny pazaka andrareo ,araky gny sorasy masy hô:''Tiavo gny namanao tahaky gny vatanao ,''dra manao gny sitraky gny olo sasany koa andrareo ,dra manota , ka voafagnahia mitovy gny pandika lalàna. 10 Fa dre iza dre iza matia gny lalana iaby ,kanefa lavo amigny lala raiky avô, dra ho ôry amigny lalàna iaby. 11 Fa gny nizaka hô:'' ka mizangazanga,''dra nizaka avô koa hô: ''ka mamono olo.''Raha sy mizangazanga andrareo ,kanefa mamono olo,dra lasa pandika lalàna. 12 Noho zay mizaka vô manova mitovy amy ze ho sara amigny lalagn'gny fahafahana. 13 Fa gny fisara dra avy sy misy famindram-po amin'ereo ze sy naharé famindram-po.Dra gny famindram-po dra mandresy gny fisara. 14 Ino gny soa , ry rahalahiko , raha milaza gny olo raiky fa manam-pinoa izy ,kanefa sy misy asa ? Afaky hamozy anazy seky zay finoa zay ? 15 Atovy hô misy rahalahy na anabavy rasy fitafy vô sy ampy hany isan'andro . 16 Atôvy hô misy raiky amindrareo mizaka amin'ereo hô:'' Mandehana am-pilaminana ,manova mafana ary mivokisa.''Raha sy magnome anazy reo gny raha taliaviny ho agn'gny vata andrareo , ino gny mahasoa anizay ? 17 Dra mitovy amizay koa gny finoa ,raha sy misy asa zay ,dra maty. 18 Nefa mety misy olo mizaka hô: '' Mana-pinoa anao ,dra zaho manan'asa .''Asehoy anahy gny finoanao sy misy asa ,dra asehoko anao koa gny finoako amigny lalagn'gny asako. 19 Ianao dra mino fa raiky avô gny Zagnahary; soa ze ataonao zay . Fa na reo devoly reo aza mino anizay ,ka dra Mangitikitiky ereo . 20 Tiandrareo ho fatasy se , gny lelahy mola ,fa gny finoa sy misy taliava anazy ? [ Fanamarihana: Gny dika-zaka taloha gn'ilany dra mamaky hô: '' Tiandrareo ho fatasy seky , ry lelahy mola ,hô nanao akory gny finoa ta hisy asa gny maty ?''] 21 Sy tamigny asa koa seky gny nagnamariha an'i Abrahama rasika gny nanolosy an'Isaka zanandahiny teo amigny alitara izy? 22 Hitanao fa gny finoa dra niasa niaraky tamigny asany , dra amy asa dra niboaky tateraky gny finoany . 23 Dra tateraky gny Sorasy Masy se mizaka hô: ''Abrahama nino an'Agnahary ,ka nisafy tamigny ho fahamarigna zay ,'' dra izy nitokavy hô sakaizan'Agnahary . 24 Hitatandrareo zao fa amign'gny asa gny hagnamary gny olo,fa sy amigny finoa avô. 25 Mitovy amizay koa , Rahaba pivaro-tegna sy nohamarigny tamigny asa koa se izy, gny nandray reo iraky vô nandefa anazy reo tamigny lala-kafa? 26 Fa maty gny vata raha misaraky amigny fagnahy ,dra mitovy amizay koa ,gny finoa sy misy asa dra maty.