Toko faha 40

1 Dra Yaveh nizaka tamin'i Mosesy dra ho izy ho: 2 ''Amy andro volohany voloana volohany tao vaovao dra sy maisy hasanganao gny tabernakely, gny fihaogna. 3 Apetraho ao aminizay gny fiarany vovolombelo, dra ao harovanao amy lamba gny fiara. 4 Andeso eo amy latabasy dra alaharo reo raha ze tokony ho amizay. Dra andeso gny fanova-ziro dra apetraho reo ziro. 5 Apetraho manoloa gny fiarany vavolombelo gny alitara volamena ze misy gny litin-kazo magnisy, dra apetraho gny lamba eo amy fidirany gny tabernakely. 6 Apetraho eo anoloany filira magnao amy tabernakely , gny fihaogna, gny alitarany gny fagnatisy dora. 7 apetraho eo agnelagnelany fihaogna vo gny alitara gny koveta lahibe dra asio rano ao agnatiny. 8 Asangano magnodidy anizy gny hiaza, dra ahatogny eo amy filirany kiaza gny lamba. 9 Ka alao gny dililo fagnosora dra hosory gny tabernakely vo gny raha aby ao agnatiny. Atokano ho anahy zay vo gny fanaky aby, ka dra ho masy zay. 10 Hosory gny alitarany gny fagnatisy dora vo fanakizay aby. Atokano ho anahy gny alitara dra tena ho masy ho anahy anizay. 11 Hosory gny kovetabe varahina vo falalianizay dra atokono ho anahy. 12 Ho andesinao i Arona vo reo zandahiny ho eo amy filirany gny fihaogna dra sasao amy rano izy reo. 13 Ho tafinao amin'ereo ankazony ze natoka ho anahy i arona, hosory izy dra atokano ba hanompo ho mpisoroko. 14 Ho andesinao zanadahiny dra ampiakazoy akazo lava izy reo. 15 Hosory tahaky nagnosora anao gny rany izy reo ba hanompo anahy ho mpisoro. Gny fanosora anazy reo dra hahavy anazy reo ho fisorogna maharisy hatramin'ereo taranany fara mandimby. '' 16 Zao gny raha nataon'i Mosesy ; narahiny avo koa ze fa nandidian'i Yaveh anazy.Nataony anizay raha aby zay. 17 Dra voasanga tamy andro volohany volana volohany tamy taona faharo gny tabernakely. 18 Nanangana gny tabernakely i Mosesy , nametraky gny faladiany zay tamy toerany, nanangana gny rafisinizay, nampikamba gny barany, dra nananga reo andry vo reo sangasangan'izay. 19 Naeliny manerana gny tabernakely gny fandrakofa dra napetrany manera anizay gny lay, araky gny fa nadidin'i Yaveh anazy. 20 Nalany gny didiny fanekena dra napetrany tao agnatiny fiara reo. Nametraky teo amy fiara avo koa izy, dra nametraky gny sarom-pagnavota teo aminizay. 21 Nananga lamba ho anizay izy ba hiaro gny fiarany vavolombelo, araky gny nandidian'i Yaveh anazy. 22 Napetrany tao agnatiny gny fihaogna gny latabasy, dra teo amy avarasy gny tabernakely, ambalikiny lamba. 23 Nalahany teo agnabony latabasy teo anoloan'i Yaveh gny mofo, araky gny fa nandidian'i Yaveh anazy. 24 napetrany tao agnatiny gny fihaogna gny fanova-jiro, tandrifiny latabasy, teo amy lafiny asimony tabernakely. 25 Nampirehisy gny jiro teo anatrehan'i Yaveh izy, araky gny fa nandidin'i Yaveh anazy. 26 Napetrany tao amy gny fihaogna manoloa gny lamba gny alitara volamena misy litin-kazo magnisy. 27 Nagnoro litin-kazo magnisy teo aminizay izy, araky fa nandidian'i Yaveh anazy. 28 Nahatony tao amy filira teo amy tabernakely gny lamba. 29 Napetrany teo amy filirany gny tabernakely, gny fihapgna, gny alitarany gny fagnatisy dora. Nanolosy fagnatisy dora vo vary ho fagnatisy teo aminizay izy , araky gny fa nandidian'i Yaveh anazy. 30 Napetrany teo agnelagnelany gny fihaogna vo gny alitara gny kovetabe, dra nasiany rano tao agnatiizay ba hisasany. 31 Mosesy , Arona vo reo zanadahiny nanasa gny tagnany vo gny tambon'ereo ta amy kovetabe 32 na ombia na ombia handehanan'ereo ao amy gny fihaogna, dra na ombia na ombia hiakaran'ereo eo amy alitara. Nanasa gny vatany izy reo, araky gny fa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy . 33 Nananga gny kiaza nagnodidy gny tabernakely vo gny alitara i Mosesy. Nananga gny lamba teo amy filirany kiaza izy. Zay gny fomba nahavitan'i Mosesy gny asa. 34 Dra gny raho nandrakosy gny fihaogna, dra gny voninahisin'i Yaveh naheniky gny tabernakely. 35 Sy sfaky nisofoko tao aminigny gny fihaogna i Mosesy satria raho fa nitoesy tao aminizay, satria gny vopninahisin'i Yaveh nagneniky gny tabernakely. 36 Na ombia na ombia gny niakarany raho laha tao ao amy tabernakely,gny vahoakan'Israely dra niala tamy lian'ereo. 37 Fa raha sy niakasy laha tao amy tabernakely gny raho, dra sy nandeha gny vahoaky. Nizano teo izy reo hatraminigny andro ze nisandratany. 38 Fa gny rahon'i Yaveh dra teo agnaboniny tabernakely gny andro, dra gny afony teo aminizay nony gny hariva, teo amasony vahoakan'Israely aby nandrisy gny lian'ereo.