Toko faha 24

1 Dar yaveh nizaka tamin'i Mosesy ho:''Miakara atiho aminahy-ianao, Arona, Nadada, Abiho vo fito-polo amy loholon'Israely, dra manompoa anahy egny lavisy egny. 2 Mosesy raiky gny afaky magneky anahy. ao sy hagneky reo hafa, dra sy mahazo miakasy miaraky aminazy gny vahoaky. 3 Nandeha i Mosesy dra nizaka tamin'ereo vahoaky reo tegny vo reo didin'i Yaveh aby.Gny vahoaky aby namaly anazy tamy feo raiky dra nizaka ho:''Hataonay reo zakan'i Yaveh.'' 4 Dra mosesy nadray asorasy reo zakan'i Yaveh aby. Vo maray, Mosesy dra nagnory alitara teo am-pototygny tendrombohisy dra nandamy sangam-bato ro ambiny folo, reo vato dra ba hanehoa reo foko ro ambiny folony Israely. 5 Nandefa zatovo lahy Israelita maromaro izy hanolosy gny fagnatisy dora dra nanao soro fagnatisy agn'omby ho an'i Yaveh ho fiombona aminazy. 6 Nalan'i Mosesy gny sasaky gny lio ka nataony tao agnatiny kovetabe zay;dra gny asasany koa nafafiny teo amy alitara. 7 Nalany gny bokiny fanekem-pihavana dra nivakiny fatrasy tamin'ereo vahoaky. Ho izy reo ho:''Hataonay aby reo ze nizakan'i Yaveh. Ho mpankatoa zahay.'' 8 Dra nalan'i Mosesy gny lio ka nafafiny teo amy vahoaky. Ho izy ho:''Itio gny liony fanekem-pihavana ze nataon'i Yaveh tamindrareo amy fagnomeza zao fampanatena miaraky amin'izao zaka iaby zao.'' 9 Dra niakasy gny tendrombohisy i Mosesy, Arona, Nadaba, Abiho, dra fito-polo tamin'ereo loholon'Israely. 10 Nahita agn'Agnaharin'Israely izy reo.Teo ambany tombony nisy rarivato vita avy amy vato safira, dra nazava tahaky gny lagnisy mihisy. 11 Zagnahary sy nanondrosy gny tagnany tamim-pahoria tamin'ereo mpitariky gny Israelita. Nahita an'Agnahary izy reo, dra nihina vo nino. 12 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Miakara eto aminahy eto amy tendrombohisy ka mitoera eto. Homeko anao reo vato pisaky vi gny lalana dra reo didy ze fa nosoratako, ba hampianarinao anazy reo.'' 13 Dra Mosesy niala niaraky tamin'i Josoa mpiasany dra niakasy tagny antendrombohisin'Agnahary. 14 Nizaka tamin'ereo loholo Mosesy ho:''Mizanogna eto dra miambena anay mandra-piaregnanay eto amindrareo.Arona vo Hora dra miaraky amindrareo. Raha misy olo mana fifandira . angao izy handeha agny amin'ereo.'' 15 Dra nandeha niakasy antendrombihisy i Mosesy, dra gny raho nanaro anizay. 16 Gny voninahisin'i Yaveh nitoesy tamy tendrombohisy Sinay, dra nanaro anizay henema gny raho. Tamy andro fahafito dra nitoka an'i Mosesy laha tao agnatiny raho Izy. 17 Gny fahita gny voninahisin'i Yaveh dra tahaky gny afo mandevo gny tampony tendrombohisy teo amasaon'ereo Israelita. 18 Nilisy tao agnatiny raho i Mosesy ka niakasy tagny antendrombohisy. Tegny antendrombohisy nanditry gny efa-polo andro vo efa-polo hariva izy.