Toko faha 2

1 Dra gny momba andrareo, dra maty tao agnatinigny fahadisoandrareo vo gny fahotandrareo handrareo. 2 Tao amireo fahadisoa reo gny niegnandrareo taloha araky gny fomban'izao totolo izao. Niay araky gny panapaky reo fagnahy ze miasa ao amireo zanaky gny sy fakatoava. 3 Niay teo amireo olo reo avokoa isika taloha, nagnatateraky reo filan-drasinigny nofosiika, dra nagnatateraky gny fagnirianigny nofo vo gny sainy. Fa voahary ho zanaky gny fahasiaha, manahaky gny zanak'olombelo sisa isika. 4 Feseky manandraha famindra-po Zagnahary noho gny fitiava lahibe ze nitiavany asika. 5 Tamisika bo maty tao agnatinigny fahadisoa, dra nivelominy niaraky tamin'i Kristy _ tamigny fahasoava gny namozeny andrareo. 6 Niara-nametraky tao an-dagnisy ao amin'i Kristy Jesosy, 7 ba afahany maneho asika amigny vani-potoa ho avy gny halahinenigny hareny fahasoavany ze sy azo refesy aseho amigny hasoa fagnahiny amisika ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Fa tamigny fahasoava gny namoze andrareo tamigny alalanigny finoa, dra sy avy amindrareo zay, fa fagnomezan'Agnahary. 9 Sy avy amigny asa gny fahasoava ba sy hisy hirehareha. 10 Fa asan'Agnahary isika, niforogny tao amin'i Kristy Jesosy ba hanao asa ze fandaharan'Agnahary fa ela ho asika, ba handehanasika ao amireo. 11 Noho izay tadidio fa Jentlisa tao amigny nofo handrareo taloha. Handrareo dra natao ho: "Sy voatapaky" eo amireo ze atao ho: "voatapaky" ao amigny nofo nataonigny tagnan'olombelo. 12 Akory bo tafasaraky tamin'i Kristy handrareo tamizay fotoa zay. Pivahiny handrareo teo amigny vahoakigny Israely. Dra vahiny tamigny fagnekenigny fapanatena handrareo. Sy bo nana fanatena gny amigny ho avy handrareo. Sy nindray tamin'Agnahary handrareo teto amizao totolo izao. 13 Fa amizao ao amin'i Kristy Jesosy handrareo ze lavisy an'Agnahary taloha dra napagnarinizy tamigny lion'i Kristy. 14 Akory Izy gny fivavahasika. Izy gny nahavy gny ro ho raiky. Tamigny nofony gny nandrodagnany gny rindrinigny fanohera ze napizarazara asika. 15 Izay zany gny nagnafoagnany gny lalananigny lily vo gny fisipiky ba hanovany olom-bao vao raiky ao aminazy, vo ba hanovany fapihavagna. 16 Kristy dra papihava gny vahoaky ro tota ho vata raiky amin'Agnahary amigny alalanigny hazofizalia, dra mamono gny fanohera. 17 Fa avy Jesosy dra nitory fihavana ho andrareo ze lavisy vo fivavaha ho anireo ze mariny. 18 Fa amigny alalan'i Jesosy gny hanagnasika ro tota fifandresa amigny Fagnahy raiky magnagny amigny Ray. 19 Noho izay, sy vahiny vo pivahiny sasy handrareo Jentilisa zao. Fa vo maiky aza piray firenena miaraky amireo ze olo-masin'Agnahary handrareo sady isanigny akohonan'Agnahary. 20 Fa naory teo amigny fotosy fagnoregnan'ireo apostoly vo reo paminany gny vato fehizoro. 21 Ao aminazy gny hikamnananigny fagnoregna aby vo hitomboany manahaky gy tepoly ao amigny Topo. 22 Ao aminazy avo koa gny hanangana andrareo ho pisy ho an'Agnahary ao amigny Fagnahy.