Toko faha 4

1 Ry Topo, ameo reo andevo ze mary vo rariny. Fatandrareo fa handrareo avo koa mana topo raiky agny andagnisy. 2 Mahareta mandrakariva amigny fivavaha. Miambena amize amigny fagnomeza fisora. 3 Miaraha mivavaky ho anay avo koa, ba hanokafan'Agnahary vatrangara ho anigny zaka, ba hizaka gny fahamarigna miafin'i Kristy. Nohonigny amizay, dra voafehy zaho. 4 Mivavaha ba ahafahako magnazava anizay, raha tokony hizaka zaho. 5 Mandehana amigny fahendrena agny amireo ze agny ivelany, dra araroty gny fotoa. Aoky gny zakandrareo hiaraky amigny fahasoava hatragny. 6 Aoky reo ho voto-sira, ba hahafahandrareo mahay gny fomba tokony hamaliandrareo gny olo sirairay. 7 Gny reo raha momba anahy, dra i Tykyko gny hapahafatasy anio amindrareo. Izy dra rahalahy malala, panopo mahatoky, dra piara-manopo ao amin'ny Topo. 8 Nalefako agny amindrareo izy noho izao, ba ahafahandrareo mahafatasy gny raha momba anay, dra ba ahafahany mapahery gny fondrareo. [Fagnamariha egny ambanin'ny pezy: reo dika-teny sasany taloha mivaky ho: ''nalefako agny amindrareo izy noho izao, ba ahafahany mahafatasy reo raha momba andrareo, dra ba ahafahany mapahery gny fondrareo''.] 9 Nalefako izy nindray tamin'i Onesimosy, gny rahalahy mahatoky sady malala, izay raiky amindrareo. Izy reo gny hizaka amindrareo gny raha aby izay fa nintranga tatiky. 10 Aristarko, gny mindray migadra aminahy, dra manao salama andrareo, manahaky izay koa i Marka, havan'i Barnabasy (izay nahazoandrareo baiko; gny magnagny amindrareo izy, dra rambeso), 11 Dra Jesosy avokoa izay tokavy ho Josto.Ireo avy amigny voafora reo ho an'ny fazakan'i Zagnahary. Fapionogna hon'ahy izy reo. 12 Epafra dra manao salama andrareo. Raiky amindrareo izy dra panopon'i Kristy Jesosy. Mitolo am-bavaky ho andrareo foana izy, ba hahatateraky andrareo dra hahazo atoky tateraky ao amigny sitrapon'i Zagnahary aby. 13 Fa mizoro vavolombelo hon'azy zaho, fa miasa fatrasy ho andrareo izy, vo ho an'ireo agny Laodika, dra ho an'ireo izay agny Hierapolia. 14 Lioka gny pisabo malala vo Demasy dra manao salama andrareo. 15 Atovy akory reo rahalahy agny Laodika, vo NYmfa, dra gny fiangona izay ao atragnony. 16 Gny voavaky eo agnivondrareo itiky taratasy itiky, dra atovy vakiana ao amigny fengonan'ny Laodikiana avo koa gny taratasy avy agny Laodika. 17 Zakao i Arikipo ho: ''Tandremo gny asa fanopoa izay nalanao tao amigny topo, fa tokony ho taterahinareo izay.'' 18 Ty fanovam-beloma tihoky dra ataonigny tagnako manoka- Paoly. Sarovy gny fifaheko. Ho amindrareo anie gny fahasoava.