Toko faha 2

1 Fa tiako ho fatandrareo gny halahibenigny taloha nataoko hoandrareo, ho anireo agny Laodikia, vo ho anireo maro bo sy nahita gny tavako tamigny nofo. 2 Miasa zaho ba hapahery gny fon'ereo amigny faperesa anereo miaraky ao amigny fitiava vo gny harena aby amigny fahalala azo atoky, ho amigny fahalala gny fahamarigna miafin'Agnahary, zany hoe, i Kristy. 3 Ao aminazy gny harenigny fahendrena vo ze fahalalan'aby gny simisy. 4 Mizaka anizay zaho ba sy hisy hitariky andrareo amigny lahateny mandresy halasy. 5 Na dre sy miaraky amindrareo ao amigny nofo aza zaho, dra miaraky amindrareo ao amigny fagnahy. Faly zaho mahita gny filaminandrareo soa vo gny tazakinigny finoandrareo an'i Kristy. 6 Gny fa nitakasy an'i Kristy an'i Kristy Topo handrareo dra mandehana ao aminazy. 7 Mifotora fatrasy aminazy, mioregna ao aminazy, mioregna amigny finoa ze fa napenariny andrareo, dra mazotoa magnome fisora. 8 Mitandrema ba sy hagnenga olo hisambosy andrareo amigny alalanigny filozofiana gny fitaky araky gny fanaonigny olo, ze magnaraky gny endrik'izao totolo zao, fa mitoera gny fahasoavanigny vatan'Agnahary aby. 10 Feno handrareo ao aminazy. Izy gny lohanigny hery vo gny fahefan'aby. 11 Tao aminazy avo koa handrareo gny nitapahy tamigny fanapaha fangala gny nofo amigny vata, fa tamigny famoran'i Kristy. 12 Nindray nalevy taminazy tamigny batisa handrareo, dra tao aminazy gny nanangana andrareo tamigny alalanigny finoa maherin'Agnahary, ze nananga anazy tamireo ze maty. 13 Gny handrareo maty tamireo fahota vo gny sy fahavitanigny nofondrareo fanapaha, izy gny nagnenga andrareo niaraky taminazy vo nagnenga asika tamireo fahotasika aby. [Fagnamariha: misy dikazaka taloha ilany mivaky ho: "dra nagnenga gny fahotasika aby"] 14 Nifafany gny rakisorasika gny trosa-pahafaha vo reo fisipiky nifanohisy tamisika. Nalany izy aby zay dra nifasihiny teo amigny hazo fizalia. 15 Nalany reo hery vo reo fahefa, dra Izy nanao fapisehoa apahibemaso an'ereo, nandresy mihoasy an'ereo tamigny hazo fizalia. 16 Ka anga hisy hisara andrareo na amigny fihinana na amigny finoma, na amigny andro fety na amigny volana vaovao, na amigny andro Sabata. 17 Zay gny alok'ireo raha ho avy, fa gny tena izy dra i Kristy. 18 Ka anga hisy na iza na iza mitalia gny fanetre-tegna vo gny fideranigny azely hisara andrareo dra sy hahazoandrareo gny lokandrareo. Gny olo manahaky anizay dra milisy amigny raha hitany dra mazary mieboebo amigny fisaignanigny nofony. 19 Sy mihazo gny lohany izy. Izay dra boaky amigny loha ze namen'Agnahary gny vata manotolo manera reo vani-tola vo gny hozany ze magnome dra mihazon'anizaymitambasy; zay dra mitombo miaraky amigny fapitomboa namen'Agnahary. 20 Gny maty niaraky tamin'i Kristy handrareo tamireo endrik'izao totolo izao, nagnino handrareo gny miay manahaky gny voatery amigny tany: 21 "Ka mihody, ka magnandra, vo ka mikasiky"? 22 Izay raha aby zay dra ho anigny fahalova, araky gny torolala vo gny fapenaran'olombelo. 23 Reo fisipiky reo dra mana fahendrenigny fomba fivavaha, gny fanetretegna ze nataonigny vatany manoka dra gny fapahoria gny vata. Fa ereo dra sy manan-draza amigny fanohera gny fandefera gny filanigny nofo.