Toko faha 2

1 Gny paminany sandoky dra teo amigny olo, dra gny papianasy sandoky avo koa dra ho avy eo amindrareo. Hinday asokosoko sain-diso mamotiky anereo, dra handa gny Topo ze nivily anereo. Ereo dra mitay fahapoteha malaky amin'ereo. 2 Maro gny hagnoriky gny fizezozezon'ereo, dra amigny alalanireo gny hizaka rasy gny lalanigny famarigna. 3 Amigny fiheregna gny hagnararotany andrareo miaraky amigny zaka mamitaky. Sy ho ela gny fagnameloha an'ereo reo; sy mandry gny fahapotehan'ereo. 4 Fa Zagnahary sy namindra fo reo azely ze nanota. Fa koa natolony ho amigny vilany tany ereo ba ho voata amigny gadranigny fahamezigna mandra-piavinigny fisara. (Fagnamariha: Gny dika-zaka taloha ilany dra mivaky manahaky anizao: "Ba ho fahe ao amigny lavaky gny fahamezigna mandrapiavinigny fisara.") 5 Dra sy nagnenga anizao totolo izao taloha izy. Fa namozy an'i Noah, ze mitory gny fahamarigna, miaraky amigny fito hafa, gny fa ninday gny safo-drano tamigny rasy fagnahy teto amizao totolo izao izy. 6 Zagnahary avo koa dra nanao reo tanan'i Sadoma vo gny Gomora ho levogny vo nasiaky anereo ho amigny fahapoteha, hanahaky gny ohasy amizay hitranga amigny rasy fagnahy. 7 Fa i Lota mary, ze napahory tamigny fitondra-tegnan'ireo olo sy ara-dala tamigny fizezozezoa, dra nivozen'Agnahary. 8 Fa izay lelahy mary zay, ze niay niaraky tamin'ereo isan'andro, dra faloranova tamigny fagnahinigny fahamarinany noho ze hitany. 9 Fatasy gny Topo gny fomba hamoze reo olo soa fagnahy amireo fisapa, vo gny fomba hitana reo olo sy mary ho amigny famaiza amigny andronigny fisara. 10 Marina zay ho an'ireo ze manohy amigny fagniria rasinigny nofo vo manao sinosino gny fahefa. Mitopo teny fatrasy ereo. Ereo dra sy matahosy hizaka rasy gny be voninahisy. 11 Reo azely dra mana hery vo fahefa lahibe, fa ereo dra sy minday fisara manirasira manohisy anereo amigny Topo. 12 Fa reo biby sy mana-say reo dra natao ho sambory vo ho potehy. Sy fatas'ereo ze sirasiran'ereo. Ho potiky ereo. 13 Hitakasy gny valisoanigny raha rasy nataony ereo. Mieriserisy ereo fa gny sy fiafia mandrisy gny andro dra fahafinareta. Ereo dra be signy. Tian'ereo gny asa famitahan'ereo gny fa mihina miaraky amindrareo. (Fagnamariha: Reo dika zaka ilany dra mivaky manahaky anizao: "Tian' ereo gny asan'ereo gny fa mihina miaraky amindrareo amigny hani-pianakavia.") 14 Mola amigny apela mizangazanga ereo; sy afa-po amigny fahota mihisy ereo. Mitariky fagnahy sy mety maty ho amigny fanovandrasy ereo, dra mana fo voaofa amigny fisiririta ereo. Zanaky gny fagnozogna ereo reo! 15 Niala tamigny lala-maihisy ereo. Dra nagnaraky gny lalan'i Balama zanak'i Beora, ze tia gny tambinigny fahamarina. (Fagnamariha: "Reo dika zaka ilany dra mivaky manahaky anizao: "Balama, zanak'i Bosora.") 16 Fa nahazo zaka fatrasy izy nohonigny fandikan-dalana manoka. Nisy boriky moa nizaka tamigny feon'olombelo nagnazano gny adalanigny paminany. 17 Reo olo reo dra manahaky gny lihatao sy misy ora. Manahaky gny raho andesinigny tafio-drivosy ereo. Natoka ho anereo gny mezy matevy. 18 Mizaka sy apihevera ereo. Mitao gny olo amigny alalanigny filanigny nofo ereo. Ereo dra mitao gny olo ze miezaky mienga reo ze miay amigny fahadisoa. 19 Ereo dra mapanatena fahafaha ho anereo, kanefa izy vatany dra andevonigny fahalotoa. Fa gny olo dra andevon'ize raha maharesy anazy. 20 Na iza na iza afaky amireo fahalotoan'izao totolo izao amigny alalanigny fahalala gny Topo vo i Jesosy Kristy pamozy, dra boak'eo mihery amireo fahalotoa ndraiky, dra hazary rasy noho gny toe-draha volohany gny toe-draha farany. 21 Soa ho anereo gny sy mahafatasy gny lalanigny fahamarigna nohonigny fahafatara anizay dra hivaliky amigny lily masy natolosy anereo. 22 Marina ho anereo ty ohabola tihoky ho: "Gny amboa gny mihery amigny naloany. Gny kosoa fa nisasa mihery mihoso-potaky."