Toko faha 29

1 Dra namory reo tafiny aby tao Agnefisy reo Filistina; 2 nitoby teo agnilanigny loharano zay tagny Jezirela reo Israelita. Nizaranireo andrianigny Filistiny azatony vo reo olony nandeha boak'eo aminigny piamby gny forondala nindray tamin'i Akisy. 3 Dra hoy reo andrianigny Filistina: "Ino gny ataireo Hebreo reo atiky?" Hoy Akisy tamireo andrianigny Filistiny hafa: "Fa sy Davida ra io, gny panopon'i Saoly, pazakan'Israely, ze fa nindray taminahy taminigny andro igny, na taminigny tao igny koa aza, dra sy nahita fahadisoa taminazy zaho hatramizay nindresany taminahy dra hatr'androany?" 4 Nefa reo andrianigny Filistiny dra ory taminazy; hoy ereo taminazy: "Alefaso mandeha agny zay lelahy zay, aoky izy hiherinagny amigny toera ze namenao anazy; ka anga mandeha mindray amisika ho agny aminigny aly izy, ba sy ho lasa fahavalosika aminigny aly izy. Fa nagnino gny ahafahan'io havan'io hihavan'aminigny topony? Moa ra sy aminigny alala'ireo lohanigny olosika? 5 Moa ra sy io i Davida gny nifapihiran'ereo tamy fisizaha, nanao anizahoky ho: 'Nahafaty agnarivony i Saoly, dra Davida nahafaty agnaliny'?" 6 Dra Akisy nitoka an'i Davida dra nanao taminazy ho: "Raha bo velo koa I Yaveh, dra soa hanao, dra sitrako gny mindray miboaky vo mindray aminao ao amigny tafiky; fa sy bo nahita fahadisoa taminao zaho hatraminigny andro nahavianao taminahy atiky dra hatraminigny androany. Na dre zay aza, dra sy ankasitrahan'ireo andria hanao. 7 Ko amizao miheregna dra mandehana apedagna,ba sy hahaory reo andrianigny Filistina hanao." 8 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Fa ino gny nataoko? Ino gny hitanao taminigny panoponao hatramizay nahateo agnatrehanao anahy dra hatraminigny androny, dra sy afaky mandeha mialy hanohisy reo fahavalonigny topoko pazaka zaho?" 9 Namaly i Akisy dra nanao tamin'i Davida ho: " Fataso fa sy manasigny manahaky gny azelin'agnahary eo imasoko hanao; na dra izay aza, reo andrianigny Filistina fa nanao anizahoky ho: 'Sy mahazo miakasy magnagny amisika ho agny aminigny Aly izy.' 10 Ko amizao mifohaza maraindraimbe mindary amireo panoponigny toponao ze avy nindray taminao; vatany vo mifoha hanao gny maraindrimbe dra mazava gny andro, dra mandehana ." 11 Dra Davida nifoha maraindray be, izy vo reo olony, ba hiala maray, ba hiherinagny amigny taninigny Filistina niakasy tagny Jezirela.