Toko faha 28

1 Dra tamireo andro reo gny Filistina dra napivondro reo tafiny hialy amigny Israely. Hoy i Akisy tamin'i Davida: "Fataro soa fa hiboaky hindray aminahy ho agny atoby, hanao vo reo lelahinao." 2 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Ho fatasao ze afaky hataonigny panoponao." Hoy Akisy tamin'i Davida ho: "Ko hataoko piambin'anahy siafaky hanao." 3 Dra maty i Samoela, Dra gny Israely aby nandala anazy dra nandevin'anazy tao Rama, tao amigny tana. Nofongoran'i Saoly sy ho eo aminigny tany avo koa reo ze nizaka taminigny maty na tamireo fagnahy. 4 Dra nindray nivondro reo Filisiina dra avy vo nitoby tao Sonema; dra Saoly napivory reo Israely aby, dra nitoby tao Gilbona ereo. 5 Gny fa nahita gny tafik'ireo Filistina i Saoly, dra natahosy izy, dra natahosy fatrasy gny fony. 6 Nitalaho fagnapia tamin'i Yaveh i Saoly, kanefa sy namaly anzy i Yaveh ___na taminigny nofo,na tamin'i Orima, na tamireo paminany. 7 Dra hoy i Saoly tamireo panopony: "Italiavo apela mizaka amigny maty zaho, ba hahafahako magnagny aminazy dra mitalia hevisy aminazy." Hoy reo panopony taminazy: "Ingo, misy apela Andora agny mizaka fa mahay mizaka amigny maty." 8 Nagnova endriky i Saoly, nanao akazo hafa, dra nandeha, izy vo lelahy ro nindray taminazy; nagnagny amigny apela gnagny ereo amigny hariva igny. Hoy izy: "miyalaho aminao zaho, manova fitokava gny maty honahy, miarek'amigny fagnahy, dra andeso miakasy ze agnara zako aminao." 9 Hoy gny apela igny taminazy: "Ingo, Fatasao ze nataon'i Saoly, ze namongorany mizaka amigny maty na amireo fagnahy sy ho eo amigny tany. Ko nagnino hanao gny manoby fandriky honigny aiko, ba hahafaty anahy?" 10 Ninia taminazy tamigny alalan'i Yaveh i Saoly dra nanao anizahoky ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra sy hisy fagnasazia hihasy aminao noho zao raha zao." 11 Dra hoy gny apela igny: "Iza gny tokony handesiko eto aminao?" Hoy i Saoly: " Andeso miakasy honahy i Samoela." 12 Raha nahita an'i Samoela gny apela igny, dra nihiaky fatrasy izy dra nizaka tamin'i Saoly nanao anizahoky ho: "Nagninohanao gny namitaky anahy? Fa Saoly hanao." 13 Hoy gny pazaka taminazy: "Ka matahosy. Ino gny hitanao?" Hoy gny apela igny tamin'i Saoly: "Mahita zagnahary miakasy boak'ao aminigny tany zaho." 14 Hoy izy taminazy: "manahaky gny ino gny endriny?" Hoy izy: "Lelahy atisy avy miakasy; manao akazo lava izy." Fatas'i Saoly fa i Samoela zay, dra napekohoky gny tavany tamigny tany izy dra nanaho fagnaza. 15 Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nagnino hanao gny nagnakorotan'anahy dra ninday anhy niakasy?" Saoly namaly ho: "Ory loasy zaho, akory reo Filistina dra miasy aly nanohisy anahy, dra Zagnahary nagnenga anahy vo sy namaly anahy sasy, na tamireo paminany, na tamireo nofy. Noho zay dra nitoka ano zaho, ba hahafahanao mapahafatasy anahy ze toky atao." 16 Hoy i Samoela: "Ino gny agnotanianao nahy, akory nagnrnga anao Yaveh, dra avy fahavalonao Izy? 17 Nataon'i Yaveh taminao ze fa nizakany hatao. Fa nagnasoaky gny fazaka sy ho eo atagnanao ereo nagnome anizay hon'olo hafa__hon'i Davida. 18 Akory hanao sy nakato gny feon'i Yaveh dra sy ninday gny firehetanigny fahoriany taminigny Amalekita, dra nataony taminao zay androany. 19 Akoasy zay, i Yaveh dra hanolosy anao vo gny Ysraely ho eo atagnan'ireo Filistina. Maraindray hanao sy reo zanadahinao dra hindray aminahy. Hatolos'i Yaveh ho eo atagnan'ireo Filistina avo koa Tafik'Israely." 20 Avy eo dra lavo niapasy taminigny tany i Saoly dra tena natahosy izy nohonigny zakan'i Samoela. Sy nisy hery tao agnatiny, akory sy nihina-kany izy nandrisy gny andro totolo, na tamigny hariva aby. 21 Nagneo amin'i Saoly gny apela igny dra nahita fa tena nikorota say izy, hoy izy taminazy: "Ingo, gny panopovavinao fa nitena gny feonao; fa natobiko teo apelatagnako gny aiko dra fa niteno reo zakanao ze zinakanao taminahy. 22 Ko amizao, mitalaho aminao zaho, tenoy avo koa gny feonigny panopovavinao, dra angao zaho hanoby hany kely eo anoloanao. Mihinana ba hahazoanao hery gny fa nandeha aminigny lalanao hanao." 23 Fa i Saoly nanda vo nizaka ho: "Sy hihina zaho." Fa reo panopony, nindray tamigny apela, naery anazy, ko dra niteno gny feonereo izy. Ko nisanga boak'eo aminigny tany izy dra nitoby teo apandria. 24 Nana zanak'agnomby nifahy tao atragnony gny Apela igny; nandeha malaky izy dra namono anazy; nangalaky koba izy, nagnafangaro zay, dra nagnendy gny mofo sy misy lalivay nindray tamizay. 25 Nandesiny teo anoloan'i Saoly vo reo panopony zay, dra nihina ereo. Dra nisanga ereo dra lasa amigny hariva igny.