Toko faha 7

1 Melkizedeka ijay, mpanjakan'i Salema, mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ijay nifanena tamin'ny Abrahama laha efa nipody avy nandresy ny mpanjaka ary nitahy anajy. 2 Ijy no namen'i Abrahama ny ampahafolon'ny raha manontolo. Ny agnarany hoe "Melkizedeka" die midika hoe "mpanjakan'ny fahamarinana." Ny agnarany hafa die "mpanjakan'i Salema," ijany die: "mpanjakan'ny fiadagnana." 3 Ijy die tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy managna rajambe, ary tsy managna fetombohan'ny andro sady tsy managna fiafaran'ny fiaignana. Fa koja, mitovy amin'ny Janak'Andriamanitra ijy, satria mipetraka ho mpisorona mandrakijay. 4 Jahao ny hangejan'io lelahy io. Ny rajambentsena Abrahama die magnome ny ampahafolon'ny raha ijay ajony tamin'ny ady. 5 Amin'ny lafiny raike, ny janaka lahin'i Levy ijay mandray ny fisorognana die managna beko avy amin'ny lalàna mba hanangogna ny ampahafolon-karena avy amin'ny olo, ijany die, avy amin'ny rahalahin'dreo, na ijany aja areo, mandy koa, die avy amin'ny vatagn'i Abrahama. 6 Fa amin'ny lafiny raike, Melkizedeka, ijay tsy vôsiritre avy amin'dreo ny taranagne, die nandray ampahafolon-karena avy amin'i Abrahama, ary nagnome tso-drano anajy, ny raike ijay nanagna ny fampagnatenana. 7 Tsy misy fandavana fa ny olo farany ambany die omen'ny olo farany ambony tso-drano. 8 Amin'ijany tranga ijany, ny olo mety maty die mandray ampahafolon-karena, fa amin'itoy tranga itoy die vôporofo fa bola velogna ijy. 9 Ary, amin'ny fomba fijakana, Levy, ijay nandray ampahafolon-karena, die nandoa ampahafolon-karena, die nandoa ampahafolon-karena tamin'ny alalan'i Abrahama mandy koa, 10 satria Levy die tao agnatin'ny tegnan'ny rajambene laha efa nihaogna tamin'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Ankehitriny laha ajo atao amin'ny alalan'ny fisorognana levitika ny fahatanterahana (fa tao ambanin'ijany ny olo no nandray ny lalàna), die filana bebe kokoa no mety nisy hôn'ny mpisorogna hafa ba hitsanganana arakan'ny fomban'i Melkizedeka, ary tsy resina arakan'ny fomban'i Arona? 12 Fa laha efa novàna ny fisorognana, die tsy mentsy hovàna mandy koa ny lalàna. 13 Fa ny raike ijay nolajaina ny mahakasikan'ny raha io die an'ny foko hafa, ijay tsy misy olo manompo eo amin'ny alitara mihitsy. 14 Fa majava ankehitriny, fa avy amin'i Joda no nahaterahan'ny Tompotsena, foko ijay tsy nijakain'i Mosesy mihitsy ny mahakasika io mpisorogna io. 15 Je jakaintsena die efa majava kokoa laha misy mpisorogna hafa mitsangagna amin'ny endrik'i Melkizedeka. 16 Tsy avy tamin'ny fototry ny alalan'ny taraky ny nofo no nahatonga anajy ho mpisorogna, fa koja avy tamin'ny fototry ny herin'ny fiegnana tsy mety levigna. 17 Fa ny soratra Masigna die mijoro vavolombelogna mahakasika anajy hoe: ''Anao die mpisorogna mandrakijay araka ny fomban'i Melkizedeka. 18 Fa nisy fagnafoagnana ny didy teo aloha satria nalemy tsy nisy dikany ijany. 19 Fa tsy nisy raha nataon'ny lalàna tonga lafatra. Kanefa, misy ny fampidirana fahatokisana tsara kokoa hôn'ny hoavy ijay hagnantognantsena an'Anandremanitra. 20 Tsy nitrang'ijany laha tsy nisy ny fandresana fianiainana. Amin'ny lafiny raika, ireo hafa ireo die lasa mpisorogna tsy nila fianianana. 21 Fa amin'ny lafiny raika hafa, itoy raike toy, Jesôsy, die nanjary mpisorogna tamin'ny alalan'ny fianianana nataon'ilay nilaja taminajy hoe: ''Ny Tompo die nianiana ary tsy hiova amin'ny heviny hoe: 'Anao die mpisorogna mandrakijay.''' 22 Tamin'ny alalan'ijany mandy koa jesosy no nagnome antoka ny fagnekem-pihavanana tsara kokoa. 23 Amin'ny lafiny raike, rahabe ny lasa mpisorogna satria ny fahafatesana no manakagna anajy ireo hanohy. 24 Amin'ny lafiny raika hafa, satria jesôsy mitoetra mandrakijay, die managna fisorognana mandrakijay ijy. 25 Noho ijany ijy mandy koa die afaka mamonjy tanteraka ny ijay magnatogna an'Andriamanitra amin'ny alalane, satria ijy die miaigna fehijay mba hagnelagnelagna ho an'dreo. 26 Fa ny mpisoronabe hôtran'ijany die mety hôntsena. Ijy die tsy manam-pahotana, tsy manan-tsigny, madio, nisarahina tamin'ireo. mpagnota , ary tonga ambony nohon'ireo lagnitra. 27 Tsy mila ijy, tsy hôtran'ny mpisoronabe, hanolotra sorogna isan'andro, ny vôlohany ho an'ny fahotany manokagna, ary avy teo ho an'ny fahotan'ny olo. Efa nagnano ijany ndraike mandeha ho an'ny manontolo ijy, laha efa manolotre ny tegnany. 28 Fa ny lalàna manondro ny olo ijay managna fahalemena ho mpisoronabe. Fa ny tenin'ny fiaignana, ijay tonga tafaran'ny lalàna, die nanendry Janaka lahy, ijay natao tonga lafatre mandrakijay.