Toko faha 8

1 Ary ny fototry ny raha lajainay die ijao: Antsena die managna mpisognabe ijay nidoboke teo an-tanan'ankavanan'ny seja fiandrianan'ilay be voninahitra angny an-dagnitre. 2 Ijy die mpanompo ao amin'ny toerana masina, ilay tabernakely marina ijay ny Tompo, fa tsy ny olo, no nagnorina an'ajy. 3 Fa ny mpisorognabe abiaby die notendrena hanolotra fagnomejana sy sorogna. Noho ijany die ilaina ny managna raha ho atolotra. 4 Ary laha teto an-tany Kristy, die tsy ho mpisorogna akory Ijy, satria misy ireo ijay manolotra fagnomejana araka ny lalàna. 5 Ijy ireo die manompo ao amin'ny tabernakely ijay tandindogna sy aloky ny raha agny an-dagnitra. Ijany die hôtran'ny nampitandreman'Andriamanitra an'i Mosesy laha ijy handeha hagnamboatra tabernakely: hoy Andriamanitra hoe:" Jereo mba ho ataonao araka ny modely ijay efa naseho anao tegny an-tendrombohitra ny raha abiaby." 6 Fa ankehitriny Kristy die nandray asa fanompoana tsara lavitre. Ijany die noho ijy mpagnelagnelana mandy koa amin'ny fagnekegna tsara tokôtre, ijay mifototre amin'ny fampagnategnana tsara loholoho. 7 Fa laha tsy nanan-tsigny ijany fagnekena vôlohany ijany, die tsy nisy nilana fagnekegna faharoa. 8 Fa laha nahita tsigny tamin'ny olo Andriamnitra, die hoy IJy hoe:" Indro, ho avy ny andro-- hoy ny Tompo-- laha hagnano fagnekena vaovao amin'ny olon'Israely sy ny olon'i Joda Iaho. 9 Die tsy ho hôtrin'ny fagnekena ijay nataoko niaraka tamin'ny rajan-dreo tamin'ny andro ijay nitondrako an-dreo tamin'ny tanany hiala avy tamin'ny tany Egypta Ijany. Fa areo die tsy nitoetre tao amin'ny fagnekeko, ary Iaho tsy niraharaha an-dreo-- hoy ny Tompo. 10 Fa ijao no fagnekena ijay ho hataoko amin'ny olon'Israel afaran'iregne andro iregne---hoy ny Tompo. Hataoko ao an-tsain-dreo ny lalàko, ary ho soratako ao am-pon-dreo mandy koa ijany. Ho Andriamanitran-dreo Iaho, ary ijy ireo ho oloko. 11 Areo die tsy hampianatre ny mpiara-monigna ary ny rahalahiny aby, hijaka hoe: Fantaro ny Tompo." Fa hahafantatra an'Ahy ny abiaby, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra amin-dreo. 12 Fa Iaho die hamindra fo amin'ny tsy fahamarinan-dreo, ary tsy hahatsiaro ireo fahotany koa." 13 Amin'ny fijakana hoe "vaovao", die nagnano ny fagnekena vôlohany ho taloha ijy,ary ijay efa lany andro sy antitre die efa akeky ho levogna.