Toko 1

1 Taloha elabe Andriamanitra die nivoria tamin'ny rajambetsena tamin'ny alalan'ireo mpaminagny tamin'ny fotôgna maro sy fomba maro. 2 Fa aminijao andro farany jao, die nivoria tamintsena tamin'ny alalan'ny janagny lahy Ijy, ijay nitindreny ho mpandova ny raha manontolo. Tamin'ny alalany mandy koa no niharen'Andriamanitra anijao tontolo ijao. 3 Ijy no famirampiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, ilay endriky ny tagnany tokôtre. Na ny raha manontolo aja die tanane hiaraka amin'ny alalan'ny herin'ny tegnany. Tafaran'ny nandiovany ireo fahotana, die nipetraka teo ambanin'ny tagnan'ankavanan'ny Lehibe agny amin'ny avo Ijy. 4 Lasa ambone hôtran'ireo anjely Ijy, satria ny agnarana nilovainy die tsara mihôtra ny agnaran'ijy ireo. 5 Fa ija tamin'ireo anjely no ba nilajan' Andriamanitra hoe: "Janako anao, avy ho iabanao Aho niany" Ary ndraika hoe: ''Ho Ray hônajy Aho, ary ijy ho janaka hônahe''? 6 Ary koa, laha efa nitondra ny lahimatoa telo amin'ijao tontolo ijao Andriamanitra, die nijaka Ijy hoe: ''Ireo anjelin'Andriamanitra manontolo die tsy mentsy midera Anaje.'' 7 Makasika ireo anjely die nijaka Ijy hoe: ''Ijy ilay Ray nagnano ireo anjely ho fagnahy, ary ireo mpanompokony nambooariny ho lelan'afo.'' 8 Fa makasika ny Janaka die hoy Ijy hoe: ''Ny déjà fiandriagnanao, ry Andriamanitra, die mandrakijay ary ho doria. Ny tehignin'ny fanjakanao die tehignin'ny fitsara. 9 Nitia ny fahamarinana anao ary nankahala ny fandikan-dalàna. Noho ijany Andriamanitra, Andriamanitrao, die nagnosotra anao tamin'ny menaka ny hafaliena mihôtra noho ireo mpiara-dia aminao.'' 10 Tagny ampedohana, ary Tompo, Anao no namorogna ny fototry ny tany. Ireo lagnitra die asan'ny tagnanao. 11 Ho levogna ijy ireo, fa Anao hanohy. Ho rota Tanaka ny tapa-damba ijy ireo. 12 Hamoritra anajy ireo hôtran'ny fitafena anao, ary hisoloina tahaka ny poti-damba ijy ireo. Fa anao die hôtran'ijany, ary ny taognanao die tsy manam-paharetana.'' 13 Fa ija tamin'ireo anjely no nijakan'Andriamanitra tami'ny fotôgna manontolo hoe: "Mitoboha eo amin'ny tagnana ankavanako mandrapanôvako ireo fahavalonao ho seja hôn'ny hongotrao''? 14 Moa ve ireo anjely manontolo tsy fagnahy manompo, sy nalefa hiambigna ireo ijay handova ny famonjena?