Toko faha 2

2 Fa laha marina ny hafatre ijay nojakaintsena tamin'ny alalagn'ireo anjely, ary ny fandikan-dalàna abiaby sy ny tsy fankatoavana die mandray sajy ara-drariny, 3 die ahôna ary no hafahantsena milefa laha tsy miraharaha ijany famonjena lehibe lôtre ijany antsena? Io no famonjena ijay nambaran'ny Tompo voalohane sy namafisin'ireo ijay naharegne ijany tamintsena. 4 Tamin'io fotôgna io mandy andriamanitra die nagnaporofo ijane tamin'ny famantarana, fahagagana, ary asa mahere samihafa, ary tamin'ny fijarana ireo fagnomejam-pahasoavanan'ny Fanahy Masina araka ny sitrapone. 5 Fa tsy tamin'ny anjely no nampagneken'Andriamanitra ijao tontolo ijao ho avy momba ijay resahintsena. 6 Fa koja, nisy olo nitsangagna vavolombelogna an'ijane tagne ho agne, magnano hoe: " Ino ny olo, no misaigna an'aje anao? Na die ny janak'olo, no mikarakara an'aje anao? 7 Anao die nagnano ny olo ambany kele noho ireo anjely; nosatrohinao satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera ijy. [Fagnamarihana: Ny dikan-teny saragne taloha die miampy hoe:" Ary anao nametrake an'aje ambonin'ny asa-tagnanao."] 8 Ny raha abiaby die nampagnekenao eo ambanin'ny tongone." Fa ho an'aje no namagneken'Andriamanitra ny raha abiaby. Tsy namela n'ino na ino ijy ka tsy nampagnekene an'aje. Fa ankehitriny antsena die tsy mbola mahita ny raha abiaby nampagnekena an'aje. 9 Fa antsena mahita ilay raike ijay nataone ambane noho ireo anjely nandritry ny fôtogna fohy: Jesôsy, ijay, nohon'ny fijaliane sy ny fahafatesane, die nosatrohina satro-boninahitra tamin'ny voninahitra sy dera. Ka ankehitriny tamin'ny alalagn'ny fahasoavan'andriamanitra, no nagnandramane ny fahafatesana ho an'ny olo abiaby. 10 Fa mety amin'Andriamanitra ijany, satria ny raha abiaby die misy ho an'Aje ary amin'ny alalagne, mba hitondra janake rahabe ho agne amin'ny voninahitra. Mety amin'aje ny hahatonga ny mpitarika ny famonjena an-dreo ho feno amin'ny alalan'ny fijaliany 11 Fa ny olo ijay magnamasina na ireo ijay vômasina die managna loharano raike. Noho ijany die tsy megnatre magnatso an-dreo hoe rahalahy Ijy. 12 Hoy ijy hoe: "Hagnambara ny agnaranao amin'ireo rahalahiko Iaho, hihira ny momba anao avy ao agnatin'ny fivondronagnana iaho 13 Ary koa, "Hatoky an'aje iaho." Ary koa:" Indro, eto iaho sy ireo janaka ijay nomen'andriamanitra an'ahe." 14 Noho ijane, satria nofo aman-drà ireo janak'Andriamanitra, die nijara raha hôtran'ijane niarake tamin-dreo mandy koa Jesôsy, mba ho amin'ny alalagn'ny fahafatesana, no hagnafoagnane ny raike ijay managna ny herin'ny fahafatesana die ny devoly ijane. 15 Ijane die mba hagnafahane ireo abiaby ijay nohon'ny tahotre ny fahafatesana die niaigna ny fiaignan'ijy abiaby ireo tao amin'ny fagnandevojana. 16 vonjene; fa koja, ny taranak'i Abrahama. 17 Noho ijane die mendrika an'Aje ny atao hôtran'ireo rahalahiny amin'ny fomba abiaby, mba ho mpisoronabe feno famindram-po sy fahatokisan Ijy amin'ny fifandresana amin'ireo rahan'Andriamanitra, ary mba hitondra momban'ny famelana ireo fahotan'ny olo. 18 Satria Jesôsy mihintsy no nijaly sy nalaina fagnahy, die afake magnampy ireo ijay alaim-pagnahy Ijy.