Toko faha 3

1 Ankehitriny, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba ho deraina sy homem-boninahitra ny tenin'nyTompo, die hôtran'ijany mandy koa ny aminareo. 2 Mivavaha mba ho afaka amin'ireo ratsy fagnahy sy olon-dratsy ahay, fa tsy ny abiaby no manam-pinôna. 3 Fa ny Tompo die mahatoky, ijay magnamafy origna sy miambigna anareo amin'ilay ratsy. 4 Managna fahatokisana amin'ny Tompo momba anareo ahay, mba sady hanaovanareo no hanohijanareo ireo raha ijay nandidianay anareo. 5 Ny Tompo anie hitarike ny fonareo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiaretan'i Kristy. 6 Ankehitriny mandidy anareo ahay, ry rahalahy, amin'ny agnaran'ny Jesôsy Kristy Tompontsena, mba hiala amin'ireo rahalahy abiaby ijay miaigna ao agnatin'ny hakamoana sy tsy araka ireo fomban-drajagna ijay noresinareo taminay. 7 Fa anareo tegnanareo dia mahafantatre fa mety aminareo no mangala tahaka anay. 8 Tsy niaigna teo anivonareo hôtran'ireo ijay tsy nanagna fitsipika ahay. Tsy nihinagna hanin'olo tsy naloa vola ahay. Fa koja, niasa andro aman'aligna tamin'ny asa sarotre sy raha sarotre ahay, mba tsy ho enta-mazefatre ho an'ny tsirairaike aminareo. 9 Tsy hoe nohon'ny tsy fanagnana fahefana no nanaovanay an'ijany. Fa koja, nagnano ijany ahay mba ho fitaratra ho anareo, ka mba hanahaka anay anareo 10 Laha niaraka taminareo ahay die nandidy anareo hoe: "Laha misy raike tsy te hiasa, die tsy tokony hihinagna ijy". 11 Fa maharegny ahay fa miraviravy tagnana ny saragne aminareo. Tsy miasa areo fa mpitsabaka. 12 Ankehitriny ireo olo hôtran'ijany die didinay sy hanarinay amin'i Jesôsy Kristy tompo mba hiasa amim-pahangignana sy hihinagna ny hanindreo manokagna 13 Fa anareo, ry rahalahy, aja mamoy fo amin'ny fanôvana ijay marina. 14 Laha misy tsy magneke ny jakantsena amin'itoy taratasy itoy, mariho eo imason'olo ijy ary aja managna fifandresana amin'ajy, ka mety ho megnatra ijy. 15 Aja resina ho fahavalo ijy, fa anaro hôtrin'ny rahalahy. 16 Fa ilay tompon'ny fiadagnana anie hagnome fiadagnana anareo amin'ireo fotôgna sy amin'ireo fomba abiaby. Ho aminareo abiaby anie ny Tompo. 17 Itoy no fanôvako veloma, iaho Paoly, tamin'ny tagnako, ijay famantarana amin'ny taratasy abiaby. ijao no soratro. 18 Ny fahasoavan'ny Jesôsy Kristy Tompontsena anie ho aminareo abiaby.