Toko faha 2

1 Ankehitriny ny mahakasikan'ny fevien'i Jesôsy Kristy Tompotsika sy ny nanangonana antsena hiaraka aminajy: magnotany anareo ahay, ry rahalahy, 2 mba tsy ho mora hilengilegnina na hihorohoro anareo, na amin'ny fagnahy, na amin'ny hafatra, na amin'ny taratasy ijay hôtran'ny hoe ho avy aminay, nohon'ny vokatrin'ny fieven'ny andron'ny Tompo ijany. 3 Aja avela hisy olo hamitaka anareo na amin'ny fomba ahôna. Fa tsy ho avy ijany laha tsy afaran,ny andro filavôna, ary ny lelahy mpandika lalàna die aseho, ny janaky ny fahasimbana. [Fagnamarihana: ny dikan-teny taloha sasagny die mivaky hoe: " ary ny lelahy mpagnota die aseho"]. 4 Ijy ilay manohitra sy manandratra ny tegnany amin'ijay rehetra angihina hoe Andriamanitra na ijay ivavahana. Vokatr'ijany, die nipetraka tao amin'ny Tempolin'Andriamanitra ijy ary mampiseho ny tegnany hôtran'Andriamanitra. 5 Tsy tadidinareo ve fa tamin'iaho mbola niaraka taminareo die efa nijaka anireo javatra ireo? 6 Ankehitriny fantatrareo ino no mitagna anajy, mba hisehôny amin'ny fotôgna mety irery ihiany. 7 Fa ny java-miafignin'ny fandikan-dalàna die efa miasa, misy olo raika hiany manakagna anajy ankehitriny mandra-pangalana anajy teo amin'ny lalagna. 8 Aviteo ilay tena mpandika lalàna die haseho, ijay hivonin'i Jesôsy Tompo amin'ny fofonaignan'ny vavane. Ny Tompo die hitondra anajy amin'ny tsisy dikany amin'ny alalan'ny fisehôn'ny fievene. 9 Ny fieven'ilay tena mpandika lalàna die nohon'ny asan'ny Satana miaraka amin'ny hery rehetra, ireo famantarana, ary ireo fahagagana tsy marina, 10 ary miaraka amin'ny fitaka rehetra ny amin'ny tsy fahamarinana. Ireo raha ireo die ho an'ireo ijay very, satria ijy ireo die tsy nandray ny fitiavan'ny fahamarinana mba hahavôvonjy anajy ireo 11 Noho ijany antony ijany die mandefa asan'ny fahadisôna Andriamanitra mba hinôn'ijy ireo vande. 12 Vokatr'ijany die hitsaraina daholo ijy manotolo, ireo ijay tsy mino ny fahamarinana fa koja mangala fahafinaretana amin'ny tsy fahamarinana. 13 Fa ahay die tokony hagnome fisôrana an'Andriamanitra fahijay hônareo, ry rahalahy notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra nifidy anareo ho hôtran'ireo vôloham-bokatra hôn'ny famonjena amin'ny fagnamasinana ny Fanahy sy ny finôna ny fahamarinana. [Fagnamarihana: ny dikan-teny hafa die mivaky hôtran'ny jao: " Fa Andriamanitra die nifidy anareo hatamin'ny vôlohany ho an'ny famonjena]. 14 Ijany no nangehany anareo tamin'ny alalan'ny filajantsaranay mba hajahônareo ny voninahitr'i Jesôsy Kristy Tompontsena. 15 Ka noho ijany, ry rahalahy, mijoroa mafy. Tano ireo fahamarinana ijay nampenarina anareo. Na tamin'ny jaka na tamin'ny taratasinay. 16 Ankehitriny ôka Jesosy Kristy Tompontsena tegnane, ary Andriamanitra Raintsena ijay tiantsena sy nagnome antsena fankaherejana mandrakijay sy ny fahatokisana tsara ho an'ny ho avy amin'ny alalan'ny fahasoavana, hankahery ary 17 hametraka ny fonareo amin'ny asa tsara abiaby sy ny jaka