Toko 1

1 Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho agny amin'ny fengonan'ireo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo. 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana lahatamin'Andriamanitra Raintsika sy Jesôsy Kristy Tompo 3 Ijahay die tokony hagnome fisôrana an'Andriamanitra hônareo fehijay, ry rahalahy. Fa ijany no tsara atao, satria tena mitombo fatratra ny finônareo, ary ny fitiavanareo kiraidraike die mitombo hoan'ny hafa. 4 Noho ijany die ahay tegnanay die mijaka ampireharehana momba anareo eo amin'ireo fengonana Andriamanitra. Ijahay die mivoria momban'ny faharetanaeo ary ny finônareo tamijay rehetra nagnenjehana anareo. Miresaka momban'ireo fahorena ijay nieretanareo. 5 Ijany die famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra. Ny vokany die ho resina ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra ijay nijalenareo anareo. 6 Marina amin'Andriamanitra ny hamaly hahorena ireo ijay nampahory anareo, 7 ary hagnome fitsaharana hônareo ijay nampahorena niaraka taminay. Hataone ijany amin'ny fisehôn'ny Jesôsy Tombo avy agny andagnitra miaraka amin'ireo anjelin'ny heriny. 8 Ao amin'ny afo milelalela no hanôvany valivaty amin'ireo ijay tsy mahafantatra an'Andriamanitra sy amin'ireo ijay tsy mamaly ny filajantsaran'i Jesôsy Tompontsena. 9 Ijy ireo die hifaly amin'ny famejan'ny fandringanana mandrakijay lavitry ny fagnatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny. 10 Hagnano anijany ijy abiaby avy amin'ijany andro ijany mba hagnomejan'olo voninahitra anajy sy hijindagan'ireo abiaby ijay nino. Fa ny fijorônay vavolombelogna aminareo die ninôna. 11 Noho ijany die mivavaka mandrakariva hônareo mandy koa ahay. mivavaka ahay mba homendrika ho resin'Andriamanintsena amin'ny fentsôna anareo. Mivavaka ahay hitantirahiny amin'ny hery ny fagnirenareo ny fahatsarana sy ny asan'ny finôna manotolo. 12 Mivavaka ho an'ireo raha ireo ahay mba amenareo voninahitra ny agnaran'i Jesôsy Tompontsena. Mivavaka ahay mba hagnomejany voninahitra anareo, nohon'ny fahasoavan'Amdriamanitra sy Jesôsy Kristy Tompo.