Faha 1

1 Ny tonon-kiran'reo tononkira ze an'i Solomona. Le gaombavy mikoragna am'le tiany, 2 Ôka mba hagnoroka anà am'fagnorohan'ny vavanao anao, satria tegna tsara noho ny divay ny fitiavanao. 3 Ny menaka fagnanôvanao de magnim-pofona; ny agnaranao de ôtran'ny ranomagnitra voaidigna, ka tian'reo gaombavy anao. 4 Ento miaraka aminao za, ary hiazakazaka tsika, le gaombavy mikoragna am'tegnany fa nentin'ny mpanjaka tao agn'efitra gony za, le gaombavy mikoragna am'tegnany hoe faly aho; mifaly ny momba an'nao za; ôka za hankalaza ny fitiavanao ; tsara noho ny divay zany. Voagnahary am'reo veivavy hafa ny mitia anao.Le veivavy mikoragna am'reo veivavy hafa. 5 Mivalomainty za fa mahate ho tia, anareo ry zanaka vavin'reo leilan'i jerosalema_mivalomainty salan'ny lain'i Kedara, maha te ho tia salan'reo lamban'i Solomona. 6 Aza mijery anà fa mivalomainty za, satria azon'ny masoandro sosy taminà reo zanaka lahin'ny reniko, nataonjareo mpiambina ny tanim-boaloboka za, nefa ny tanim-boaloboka tsy mba nambesako. Le veivavy miresaka am'le tiany. 7 Lazao anà ry le tiako, aiza no nagnomezan'i ahanina ho an'reo ondry aman'osinao? Aiza no hampandrenao an'reo ondry aman'osinao rafa antoandro ? Nagnino za no tokony ho salan'ny ôla mirenireny agnatin'ny ondry aman'osin'ny namanao? Namaly an'azy le tiany. 8 Raha tsy Fantatrao, ry tegna tsara am'reo veivavy, de araho ny lalan'ny ratsy ondry aman'osiko, ary fahano akeo ankekin'reo lain'reo mpiambina ondry ny zanak'osinao. 9 Amparitahaiko am'soavaly vavy akeo am'reo soavaly mpitarika ny kalesan'i Farao anao, ry tiako. 10 Mahatsara ny tarehinao reo firavahana, ny vozognao am'reo firavaka voatohy. 11 Hagnanovako firavaka volamena misy kitrony volafotsy anao. Le veivavy mikoragna am'tegnany. 12 Raha mbôla nandry teo ampandreny ny mpanjaka, de namerovero ny nardako. 13 Aminà ny malalako de ôtran'ny miora am-pehezana ze mandany ny alina akao an-tratrako. 14 Aminà ny malalako de ôtran'ny vognin'ny kofera akeo an-tanim-boalobok'i En-jedy. Le tiany miresaka amin'azy. 15 Indro, tsara tarehy anao ry tiako ; indro, tsara tarehy anao, salan'ny voromelala ny masonao, le veivavy miresaka am'le tiany. 16 Indro, tsara tarehy anao ry malalako, tegna tsara tarehy. Ny zava-maniry maitso mavana de atao fandrenantsika. 17 Ny andrin'ny tragnontsika de sampagna kakazo sedera sy sampagna kesika sakamandimbin'ny tragnontsika.