Faha 1

1 Reo ohabolagn'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely. 2 Reto ohabolagna reto de natao mba hampianatra fahendrena sy toro-lalana, hampianatra an'reo tenin'ny fahalalana, 3 hazaôna toro lalana mba hiaigna am'fagnanôvana ny marina, rariny, ary hitsiny. 4 Reto ohabolagna reto ihany kô de natao hagnome fahendrena ho an'ny kely saigna, ary hagnome fahalalana sy fahamalinana ho an'ny tanora. 5 Ôka ny ôlon-kendry hihaino ka hampitombo ny fahalalany, ary ôka ny ôla mahay magnavaka hahazo tari-dalana, 6 mba hahatakatra an'reo ohabolagna, reo ôtram-pitenenana, sy ny tenin'ny ôlon-kendry mbarak'reo ankamantany. 7 Ny fahatahôrana an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana_ny adala magnamavo ny fahendrena sy ny fampianarana. 8 Ry zanako, tandrigneso ny fampianarandrainao, ary aza miala am'fitsipiky ny reninao; 9 ho fehilô tsara tarehy ho an'ny lônao regny ary rado mihantogna akeo am'tendanao. 10 Ny zanaka, raha mikasa haningotra an'nao ho am'fahotanjareo ny mpagnota, de aza magneky hagnaraka an'azy. 11 Raha ozy zareo hoe: "Ave hiaraka amin'ny, andao tsika hikotrika hamono ôla, andao tsika hisitrika ka hamely ôla tsy manan-tsigny am'tsisy antony. 12 Andao hatelintsika velona regny, salan'ny fakan'ny Fiaignan-tsy hita reo ze salama, ary hagnano an'njareo ôtran'ze milatsaka an-davaka. 13 Ho tazantsika reo karazan-dra sarobidy daôly; ho fenôntsika am'ze angalarintsika amin'ny hafa tragnontsika. 14 Atsipazo miaraka minay ny filokànareo; hanagna pôketra raika tsika daôly." 15 Ry zanako, aza mande midigna am'zany lalana zany miaraka amin'jareo; aza avela hikasika ze handihanany ny tongotrao; 16 mihazakazaka ho am'ratsy ny tongony ary maika handatsa-drà zareo. 17 Fa tsisy varany ny hamilarana harato hamandrehana vorogna raha mitazagna le vorogna. 18 Mikotrika hamono ny tegnany ihany regny ôla regny_magnano vela-pandrika ho an'ny tegnany zareo. 19 Ôtran'zany kô ny lalan'ny ôla daôly ze mahazo harena am'tsy rariny; ny harena azo am'tsy rariny mangaka ny aignan'reo ze mifikitra am'zany. 20 Mivazavaza an-dalana ny fahendrena, mampakapeo an-kalamanjagna izy, 21 am'reo lô-lalana mikotaba no hitabatabany, am'fidirana akeo am'vavahadin'ny tanàna no hitinenany hoe: 22 "Ho hatram'ovena, anareo ry ôla kely saigna, no hitè ny habadôna? Hatra'ovena, anareo ry mpandrabiraby, no hankamamy ny fandrabirabena, ary ho hatram'ovena, anareo ry adala, no hankahala ny fahalalana? 23 Tandremo tsara ny fagnanarako; hararako aminareo ny fihevitro hataoko fantatrareo ny teniko. 24 Efa nagnantso za, ary nandà ny hitandregny anareo, nagninjitra ny tagnako za, kanefa tsisy niraharaha. 25 Fa nodianareo fanina ny fampianarako daôly ary tsy notandrignesinareo ny fagnanarako. 26 Himeme ny lozanareo za, handatsa an'areo za rafa tonga ny horohoro_ 27 rafa tonga salan'ny tafiotra ny fandringanana mampatatra ary mifaoka an'nareo salan'ny tadio ny loza, rafa tonga aminareo ny fahorena sy ny fangirifiréna. 28 De hagnantso anà zareo, fa tsy hamaly za, hagnantso anà fatratra zareo, fa tsy hahita anà. 29 Satria mankahala fahalalana zareo ary tsy nifidy ny fahatahôrana an'i Yaveh, 30 tsy nagnaraka ny fampianarako zareo, ary nagnamavo ny fagnanarako daôly. 31 Hihinana ny vokany ny lalany zareo, ary ny vokatry ny teti-dratsinjareo no hameno an'azy. 32 Fa vôvono ny kely saigna rafa mivily, ary hamotika an'azy ny tsy fagnaôn'ny adala. 33 Fa na iza na iza mitandregny anà de hiaigna am-pilaminana ary ho vôaro tsy hatàtra loza."