Faha 1

1 Zao no tenin'i Yaveh ze tonga tamin'i Mika Morastita tamin'ny andron'i Jotama, Ahaza, sy Hezekia, reo mpanjakan'ny Joda, ny teny ze hitany nahakasika an'i Samaria sy Jerosalema. 2 Mitainô, anareo ry vahôka. Mitainô ry tany, se ze akeo aminao daôly. Ôka ny Tompo Yaveh no ho vavolombelona hanohitra an'nareo, ny Tompo avy akao am'tempoliny masina. 3 Indro, Yaveh mivôka avy akao am'fitôrany; hidigna Izy ary hande aigny amin'reo fitôrana ambon'ny tany. 4 Reo tanety hiempo akeo ambaniny; reo lôhasaha hitsonika ôtran'ny savoka agnolônan'ny afo, ôtran'ny rano ze aidigna aigny amin'ny hantsagna. 5 Zany daôly zany de noho ny fikomian'i Jakoba, ary noho reo fahotan'ny taranak'Israely. Ino no anton'ny fikomian'i Jakoba? Ngah ma tsy i Samaria? Ino no anton'reo fitôrana ambon'i Joda? Ngah ma tsy i Jerosalema? 6 "Hagnano an'i Samaria ho korontam-bato aigny an-tsaha Za, ôtran'ny tôrana fambolem-bôloboka. Hanosika an'reo orim-batony ho aigny an-dôhasaha Za; ka hampiharihary an'reo fagnambaniny. 7 Ho vôtorotoro reo sarin-dra vôsikony daôly; ary ho may daôly reo fagnomezany. Reo sampiny daôly hopotehiko. Satria avy am'reo fagnomezana ho an'ny fijangajangany no nanangonany an'regny, ary tam'vidin'ny fivarotan-tegna no hiviregnan'regny." 8 Noho zany antony zany de hitaraigna sy hidradradradra za; hande tsisy kapa za ary miboridagna; hidradradradra ôtran'ny ambôdia za ary hisaona ôtran'ny vorondolo. 9 Fa tsy ho sitragna ntsony ny feriny, satria avy aigny Joda zany. Efa nahatakatra ny vavahadin'ny vahôkako zany, de aigny Jerosalema. 10 Aza milaza ny momba an'zany aigny Gata; aza mitomagny avy. Akao Beti-le-afra za no magnosim-jofo ny tegnako. 11 Mandalôva amim-piboridagnana sy hegnatra, ry mponin'i Safira. Aza mivôka ry mponin'i Zanana. Ôka hisaona i Beti-haezela, satira nalàna ny fiarôvanjareo. 12 Fa mandigny amim-pitaintaignana ny vaovao mahafaly reo mponin'i Marota, satria nilatsaka avy tamin'i Yaveh ho akao am'vavahadin'i Jerosalema ny loza. 13 Fatoro amin'ny andian-tsôvaly malaky fande ny sarety, ry mponin'i Lakisy. Anao, ry Lakisy, no fendoham-pahotana ho an'ny zanaka vavin'i Ziona, satria hita taigny aminao reo fahalotôn'Israely. 14 Ka de hamenao taratasy fisaorana i Moresetagata; ny renivohitr'i Akziba handiso fagnantenana an'reo mpanjakan'Israely. 15 Hitondra mpandresy ho aigny aminareo ndre Za, ry mponin'i Maresa; ho tonga aigny amin'i Adolama ny famirapiratr'Israely. 16 Haraso ny lôhanareo ary tapaho ny volonareo ho an'reo zanakareo ze ankasitrahanareo. Solao ôtan'ny voromahery ny tegnanareo, fa reo zanakareo hande hatao sesi-tany hiala akao aminareo.