Faha 1

1 Ary tonga teo amin'i Jona zanaka lahin'i Amitahy ny tenin'i Yaveh magnano hoe: 2 "Mitsangana ary mandiana aigny Ninive, ze tanana tegna geda ary miresaha ny momba an'zany, satria efa niakatra teo agnatreko ny fahatsen-jareo." 3 Fa nitsangana i Jona nande taigny Tarsisy. Nidigna taigny Jopa ary natazagna sambo hiala ho aigny Tarsisy. Ka de nalòany ny saran-dalana ary niakatra tam'le sambo izy niaraka tamin-jareo ho aigny Tarsisy izy, mba ho lavitry ny fagnatrehan'Andriamanitra. 4 Fa nandefasan'i Yaveh rivo-mahery taigny amin'ny ranomasina ary de nanjary tafio drivotra teo amin'ny ranomasina zany. Vetiketika teo de tazagna fa ho potika le sambo. 5 Ary nanjary natatra mafy reo tantsambo ka nagnantso mafy ny andriamanitr'zareo manokana. Natsipin-jareo taigny agnaty ranomasina ny entana tao am'le sambo mba hagnamaivana an'zany. Fa Jona kosa nidigna laligna tao am'le sambo, ary niantsilagny renoky ny torimaso tao. 6 Ka nagnatogna an'azy ny kapitenin-tsambo ary nitare taminazy hoe: "Nagnino anao no mandry? Mitsangana! Antsovo ny andriamanitrao! Mety mba hijery antsika ny andriamanitrao ka tsy ho foaty tsika." 7 Nifampiresaka zareo daôly nagnano hoe: "Magnatogna, andao tsika hagnano ankitsapaka, mba hafantarantsika hoe: iza no anton'zao loza nitranga amintsika zao." Ka nataon-jareo ny ankitsapaka, ary nitontogna tamin'i Jona zany. 8 ozy zareo tam'JOna hoe: Mba teneno aminay re zao anton'zao loza nitranga amintsika zao. Ino no asanao, ary avy aiza anao? Ino ny firenenao, ary avy amin'ny vahôka aiza anao? 9 Ozy Jona tamin-jareo hoe: "Hebreo za, ary matatra an'i Yaveh le Andriamanitry ny lagnitra ze nagnano ny ranomasina sy ny tany maigna". 10 Ary vao maika niha natatra reo leila niteny tam'Jona hoe: "Fa ino ty ataonao?" Fa fantatr'reo leila fa nilefa ny fagnatren'i Yaveh izy satria nolazainy tamin-jareo. 11 Ary ozy zareo tam'Jona hoe: "Ino no tokony hataonay aminao mba hampilamina ny ranomasina ho an'nay?" Satria niha-nagnonja mafy de mafy ny ranomasina. 12 Ozy i Jona tamin-jareo hoe: "Batao za ary atsipazo aigny agnaty ranomasina. Ary ho togny ny ranomasina satria fantatro fa noho za no natonga an'zao tafio-drivotra zao hitranga aminareo." 13 Na de zany aza de namoky mafy reo leila mba hampiverigna an'azy reo aigny an-tanety, saigny tsy afaka nagnano an'zany zareo satria niha nahery ny ranomasina nanotra an'azy reo. 14 Noho zany de nagnatso mafy an'i Yaveh zareo any nagnano hoe: "Miangavy Aminao zahay ry Yaveh, mifona Aminao zahay aza avela ho foaty nohon'ny aignan'ty leilà ty zahay, ary aza agnamelôna an'nay ny fahafatesany satria Anao, Yaveh de efa nagnano araka ze sitraky ny fonao." 15 Ka de nobatain-jareo i Jona ary natsipin-jareo taigny agnaty ranomasina, ary de nijanona tsy nagnonja ny ranomasina. 16 Avy teo de natatra mafy an'i Yaveh reo leila. Nanolotra sorogna ho an'i Yaveh ary nagnano voady. 17 Ary efa nagnomagna hazandrano gedabe hiteligna an'i Jona i Yaveh, ka de nijanona tao amin'ny kibon'le hazandrano telo andro sy telo alina i Jina.