Faha 3

1 Indro am'zany andro zany sy am'zany fotôna zany, rafa hampody ny sesitanin'i Joda sy Jerosalema Za, 2 de hamory an'reo firenena daôly Za, ary hitondra an'njareo hidigna akeo am'Lôhasahan'i Josafata. Hitsara an'njareo aigny Za, noho ny amin'ny Israely ôlàko sy lovako, ze niparitahanjareo takeo am'reo firenena, ary noho ny nizaranjareo ny taniko. 3 Nagnano filokana ho an'ny ôlàko zareo, ary nivarotra ny zazalahy ho an'ny mpivaro-tegna, ary nivarotra ny zazavavy ho an'ny divay mba ho sotroinjareo. 4 Am'zao, nagnino no sosy Aminà anareo, ry Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia daôly? Hamaly faty Anà ma anareo? Na de hamaly faty Anà aza anareo, de ho averiko akeo am'lôhanareo avy hatraigny ny sazinareo. 5 Fa niaka ny volafotsiko sy ny volamenako anareo, ary hitondra ny harena sarobidy akao am'tempolinareo Za. 6 Nivarotra ny ôlàn'i Joda sy Jerosalema am'reo Grika anareo, mba hanesorana an'njareo alavitry ny faritaniny. 7 Indro, hampiala an'njareo am'tôrana ze nivarotanareo an'njareo Za, ary hagnonitra akeo am'lôhanareo. 8 Hivarotra ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, akeo an-tagnan'ny ôlàn'i Joda Za. Hivarotra an'njareo ho amin'i Sabeana zareo, aigny am'firenena alavitra. Fa Yaveh no efa niteny. 9 Ambarao akeo am'reo firenena zao hoe: 'Omagno amin'ny ady ny tegnanareo, fohazo reo leilà matanjaka, ôka hagnatogna zareo, ôka ny leilàn'ady daôly hiakatra. 10 Tefeo ho sabatra ny angadinareo ary ho sabô ny antsy fandrantsagnanareo. Ôka ny mavozo hiteny hoe: "Mahery za." 11 Ave malaky, anareo firenena daôly aigny magnodidigna aigny, avoreo miaraka aigny ny tegnanareo. Ry Yaveh, ampidigno reo leilà mpiady maherinao.' 12 Ôka hifôha reo firenena ary hiakatra ho ao am'Lôhasahan'i Josafata. Fa akao no hipetrako hitsara ny firenena daôly magnodidigna. 13 Apetraho ny antsy fandidena, fa ny vokatra de matoy. Ave, potsipotsero ny vôloboka, fa feno ny famiazana. Mihôtra ny vata fitatazana, fa betsaka ny faharatsenjareo." 14 Misy tabataba, de tabataba akao am'Lôhasahan'ny Fitsarana. Fa antomotra ny andron'i Yaveh akao am'Lohasahan'ny Fitsarana. 15 Ny masoandro sy ny volana hanjary maizigna, ary reo kintana tsy hamirapiratra. 16 Hitrerogna avy aigny Ziona Yaveh, ary hampiakatra ny feony akao Jerosalema. Hiozongozogna ny tany sy ny lagnitra, nefa Yaveh de ho fialofan'ny ôlàny, ary fiarovana mafy ho an'ny zanak'Israely. 17 "De ho fantatrareo fa Za no Yaveh Andriamanitrareo ze monigna akao Ziona, tendrimbotra masina. Ka de ho masina Jerosalema, ary tsisy tafika hagnano diabe akeo aminazy ndre. 18 Ho tonga zany amin'ny andro ze hipoiran'ny divay mamy am'tendrombotra, ny tanety de handreka ronono, ny lôhasahan-drekan'i Joda daôly de hikoriana rano, ary lôharano de hivôka avy am'tragnon'i Yaveh ary ny rano avy am'Lôhasahan'i Sitima. 19 Ho tonga faharavana nilaozana i Egypta ary Edoma hanjary efitra fôgna, noho ny herisetra natao tamin'ny ôlàn'i Joda, satria nandatsaka ràn'ôlà tsy manan-tsigny takao am'taniny zareo. 20 Fa i Joda de honegnana mandrakizay, ary Jerosalema honenan'ny taranaka fara-mandimby. 21 Hamaly faty ny ràn'ze tsy mbôla novaleko faty Za," fa Yaveh monigna akao Ziona.