Faha 2

1 Tsofo ny anjomara akao Ziona, ary ampagnenô ny fanairana aigny an-tendrombotra masina! Ôka ny mponin'ny tany daôly hangovitra am'tàtra, fa ho tonga ny andron'i Yaveh; ankeky tokôtra zany. 2 Andron'ny fahamaizinana sy aizim-pito zany, andron'ny rôndro sy aizim-pito. Salan'ny magnembahemba ze miparitaka aigny am'reo tendrombotra, magnatogna ny tafika leibe sy matanjaka. Tsy mbôla nisy tafika ôran'ty hatrizay, ary tsy hisy ôtran'azy ntsony, na afaran'ny taranaka fara mandimby maro aza. 3 Ny afo de mandevona ny ra daôly magnolôna an'azy, ary akao ambadik'zany ny lelan'afo de miretra. Ny tany de salan'ny saha Edena akeo agnolônan'zany, nefa akao ambadik'zany de misy efitra fôgna. Tsisy na ino na ino hilefa am'zany tokôtra. 4 Niendrika sôvaly reo tafika, ary mihazakazaka ôtran'ny mpitikin-tsôvaly zareo. 5 Mitsambikina miaraka am'feo ôtran'reo sarety aigny an-tampon'ny tendrombotra zareo, salan'ny feon'ny lelan'afo miretra ze mandevona ny mololo, salan'ny tafika matanjaka vonona ho amin'ny ady zareo. 6 Akao agnaty fangirifiriana ny ôlà ary nanjary fotsy hatsatra ny tavanjareo daôly rafa akeo agnatrenjareo. 7 Mihazakazaka salan'ny mpiady matanjaka zareo; mignanika an'reo manda ôtran'reo maramila mpiady zareo; magnano diabe am'laharany avy zareo ary tsy rava ny laharany. 8 sy mifanosika zareo; samy mande am'lalany avy zareo; mamakivaky ny fiarovana zareo ary tsy rava ny laharana. 9 Mirohitra aigny am'tanàna zareo, ary mihazakazaka aigny am'manda, magnanika am'reo tragno zareo, ary miditra akeo am-baravarankely ôtran'ny mpangalatra zareo. 10 Mihorohoro magnolôna an'njareo ny tany, ary miozongozogna ny lagnitra, ny masoandro sy ny volana de maizigna, ary ny kintana de tsy mamiratra. 11 Manandratra ny feony magnolôna ny tafiny i Yaveh, satria reo mpiadiny de maro an'isa tokôtra; satria mahery zareo, reo ze hagnatanteraka ny didiny. Fa leibe sy matsiravina tokôtra ny andron'i Yaveh. Iza no ho velona am'zany? 12 "Ka na de am'zao aza" ozy i Yaveh hoe: "Miviregna Aminà am'fonareo manontolo. Mifadè ahanina, mitomagnè, ary magnanôva fisaonana." 13 Triaro ihany kô ny fonareo fa tsy ny fitafenareo fôgna, ary miviregna amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa mamindra fo sy miantra Izy, tsy mora sosy ary be famindram-po, ary hiala am'fampitondrana famaizana Izy. 14 Iza no mahafantatra? Mety hiverigna ma izy ary hanagna fangoraham-po, ary hamela fitahiana afarany, de ny fagnatitra voa sy fagnatitra sotroina ho an'i Yaveh Andriamanitrareo? 15 Tsofo ny anjomara akao Ziona, magnantsova fifaden-kanina masina, ary magnantsova fivorena masina. 16 Avoreo ny vahôka, antsôvo am'fivorena masina. Voreo reo lôholona, angono ny ankizy sy ny zaza minono. Ôka ny mpampakatra hiala akao agn'efitragnony, ary ny ampakarina hiala akao an-dragno fandreny. 17 Ôka reo mpisorogna, mpanompon'i Yaveh hitomagny akeo agnelagnelagn'ny lavarangana fidirana sy ny alitara. Ôka zareo hilaza hoe: "Iantrao ny ôlànao, ry Yaveh, ary aza avela ho amin'ny fahafaham-baraka ny lovanao, ka hesoin'reo firenena. Nagnino zareo no tokony hiteny am'reo firenena hoe: 'Aiza ny Andriamanitr'zareo?'" 18 Ka de saro-piaro ny am'taniny i Yaveh ary niantra ny ôlàny. 19 Namaly ny ôlàny i Yaveh hoe: "Indro, handefa vary ho an'nareo, divay vaovao, ary menaka Za. Ho afa-po am'zany anareo, ary tsy havelako ho afa-baraka akeo am'reo firenena ntsony anareo. 20 Alako alavitra an'nareo ny mpanafika avy aigny avaratra, ary hitondra an'njareo ho akeo am'tany karakaigna sy maigna Za. Ny lôha-laharan'ny tafik'zareo de hande aigny am'ranomasina atsinanana, ary vodi-laharany ho aigny am'ranomasina andrefana. Hiakatra ny fofony, ary ny fofon-dratsiny hiakatra." Efa nagnano ra gedabe tokôtra izy. 21 Aza matàtra, ry tany, mifalè sy miravoa, fa Yaveh hagnano ra gedabe. 22 Aza matàtra, ry biby aigny an-tsaha, fa hitsimoka ny ahitra aigny agn'efitra, hamoa reo kakazo, ary ny kakazo aviavy sy ny vôloboka hamokatra be. 23 Miravoa, ry vahôkan'i Ziona, ary mifalè akao amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa hagnome fararanon'orana ary handatsaka orana ho an'nareo Izy, fararanon'orana sy ny fararanom-dôhataona ôtran'ny teo alôha. 24 Ny famolôna de ho feno vary, ary reo vata ho feno divay vaovao sy diloilo. 25 "Hamerigna am'vôlôny an'reo taonan'ny vokatra ze efa nohanin'ny andiam-balalagna Za___ny valalagna be, ny valalagna mpandrava, ary ny valalagna mpandratra ho an'nao Za___ ny tafiko mahery ze nalefako akeo aminareo. 26 Hihinana betsaka anareo ary ho voky, ary miderà ny agnaran'i Yaveh Andriamanitrareo, ze efa nagnano fahagagana teo aminareo, ary tsy hitondra fahamegnarana akeo amin'ny ôlàko ntsony Za. 27 Hahafantatra anareo fa akeo amin'Israely Za, ary Za no Yaveh Andriamanitrareo, ary tsisy ankôtra Anà, ary tsy hitondra fahamegnarana akeo amin'ny ôlàko ntsony Za. 28 Akao afaran'zany de handatsaka ny Fagnàko am'nofo daôly Za, ary ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy de haminagny. Ny anti-dahinareo de hagnonofy, ny gaondànareo de hahita fahitana. 29 Am'reo andro reo, de handrotsaka ny Fagnàko akeo am'reo mpanompolahy sy mpanompovavy ihany kô Za. 30 Hampiseho fahagagana aigny am'lagnitra sy akeo am'tany Za, de rà, sy afo, ary setroka midolovoka. 31 Ny masoandro hanjary haizigna ary ny volana ho rà, alôhan'ny ahatongavan'ny andron'i Yaveh ze leibe sy mampihorohoro. 32 Ze daôly magnantso ny agnaran'i Yaveh de ho vôvonjy. Fa aigny am'tendrombotran'i Ziona sy aigny Jerosalema no hisy an'reo ze afaka nilefa, arak'ze vôlazan'i Yaveh, ary akeo am'reo sisa velona, reo ze nantsôvin'i Yaveh.