Faha 1

1 Zao no tenin'i Yaveh ze tonga tamin'i Joela zanaka lahin'i Petoela. 2 Anareo lôholona, tainô zao, ary mandrignesa anareo mponina daôly akeo am'tany. Efa nitranga ma zao tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razambenareo? 3 Lazao ny momba an'zany ny zanakareo, ary ôka ny zanakareo hiteny ny zanak'zareo, ary zanak'zareo am'taranak'zareo manaraka. 4 Ze sisan'ny kijeja de nohanin'ny andiam-balalagna; ze sisan'ny andiam-balalagna de efa nohanin'ny valalagnavao; ary ze sisan'ny valalagnavao de nohanin'ny sompanga. 5 Mifohaza, anareo ry mpimamo, ary mitomagnè! Midradradradrà, anareo daôly mpisotro divay, satria ny divay mamy de nalana teo aminareo. 6 Fa nisy firenena raika niakatra teo am'taniko, mahery sy tsy hita isa. Ny nifiny de nifin'ny liona, ary managna ny nifin'ny liona vavy izy. 7 Nataony tôrana mampihorohoro ny tanim-bôloboko ary notapàny ny kakazon'aviaviko. Nongotany ny hodi-kakazony ary nariany zany; reo rantsagny de nanjary fotsy. 8 Ôka hisaona ôtran'ny virijiny magnano akanjo fisaonana am'fahafatesan'ny vadiny tanora anareo. 9 Ny fagnatitra voa sy fagnatitra sotroina de nalana tao am'tragnon'i Yaveh. Misaona reo mpisorogna, mpanompon'i Yaveh. 10 Rava reo saha, misaona ny tany satria efa naratra ny vary. Maina ny divay vaovao, mandamoka ny diloilo. 11 Mba megnatra, anareo tantsaha, ary midradradradrà, anareo ry mpamboly vôloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea. Fa ny vokatry ny saha de efa levona. 12 Nalazo ny vôloboka ary maigna reo kakazon'aviavy, reo ampongabendagnitra, reo kakazo palma ihany kô, ary reo kakazon'ny poma___nalazo daôly ny kakazo daôly taigny an-tsaha. Fa nalazo ny fifalen'ny taranak'ôlombelona. 13 Magnanôva akanjo fisaonana ary ôka hisaona, anareo mpisorogna! Midradradradrà, anareo mpanompon'ny alitara. Magnatogna, ento matory mandritry ny alina manontolo ny akanjo fisaonana, anareo mpanompon'ny Andriamanitro. Fa ny fagnatitra voa sy ny fagnatitra sotroina de efa notanana akao an-dragnon'ny Andriamanitrareo. 14 Mangataha fifaden-kanina masina, ary mangataha fiangonana masina. Havoreo reo lôholona sy reo mponina akao am'tanin'i Yaveh Andriamanitrareo, ary mitomagnè amin'i Yaveh. 15 Indrisy ry andro! Fa ny andron'i Yaveh de efa ankeky. Ho avy miaraka am'zany ny famotehana avy am'le Tsitoha. 16 Tsy efa nalana teo amasontsika ma ny hahanina, ary ny fifalena sy ny firavoravôna tao an-dragnon'Andriamanitsika? 17 Reo voa de lo aigny ambanin'ny baingan-tanin'reo, fôgna reo mpamatsy, ary potika reo sompitra, satria nalazo reo vary. 18 Zany fitrerogn'reo biby! Mijaly ny biby fiompy satria tsy managna tany fihinanam-bilona zareo. Mijaly ihany kô reo andian'ondry aman'osy. 19 Ry Yaveh, mitaraigna Aminao za. Fa nolevonin'ny afo reo fihinanam-bilogna aigny agn'efitra, ary lelan'afo no nandoro ny kakazo daôly taigny an-tsaha. 20 Na reo biby aigny an-tsaha aza de midradradradra Aminao, satria ritra ny lôsaha, ary main'ny afo reo fihinanam-bilogna aigny agn'efitra.