Faha 7

1 De nifô tampôlakeka i Jerobala (Gibeoa zany), sy ny vahôka daôly ze niaraka taminazy, ary nitoby takeo agnilan'ny lôranon'i Haroda zareo. Ny tobin'ny Midiana de tavaratr'zareo takao an-dôsaha nagnankeky ny tanetin'i More. 2 De ozy Yaveh tam'Gideona hoe: "Betsaka lôtra reo maramila, mba hagonomezako fandresena ho an'nao akeo am'reo Midianita, mbô tsy hirehareha aminà ny Israely, ka hagnano hoe: 'Ny herinay no namonjy an'nay.' 3 Ary am'zao fotôna zao, ambarao akeo an-tsofin'ny vahôka ka lazao hoe: 'Na iza na iza matàtra, na iza na iza magovitra, de ôka izy hiverigna ka hiala ankaigny an-tendrombotran'i Gileada.'" De lasana ny ôla roa arivo sy roalina noho zany, ary ny iray alina kosa nijanona. 4 De ozy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Mbôla betsaka lôtra ihany ny ôlà. Ndeso midigna aigny amin'ny rano zareo, ary hifantenako ny isan'reo ze hiaraka aminao akaigny. Raha ozy Zà aminao hoe: 'Ty raika ty no hiaraka minao,' de hiaraka aminao izy, fa raha hozy Zà hoe: 'Ty raika ty tsy hiaraka aminao', de tsy hiaraka aminao izy." 5 De nindesin'i Gideona nidigna taigny am'rano ny ôlà, ary ozy Yaveh taminazy hoe: "Atokano ze daôly milelaka ny rano, sala ny filelaky ny ambô, am'reo ze miandongalitra ambany mbô hisotro." 6 Leilà telonjato no nilalaka. Ny sisa tavela tam'reo leilà kosa nandohalika mba hisotro rano. 7 De ozy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Amin'ny alalan'reo telonjato lahy ze nilelaka ny rano, no hagnavotako anareo, sy hagnomezako anareo ny fandresena akeo am'reo Midianita. Ôka ny leilà hafa daôly hiverigna akaigny an-tanànany avy." 8 Ka de nialaka an'reo vatsiny sy reo trompetrany reo ze vôfidy. Nampodian'i Gideona ny leilàn'Israely daôly, ny leilà daôly mba samy hody akaigny an-dragnony, fa nitanany kosa reo telonjato lahy. Ary ny tobin'ny Midiana de takao ampidigna agnaty lôsaha. 9 Tamin'io alina io ihany de ozy Yaveh taminazy hoe: "Mifohaza! Tafio ny toby, fa hameko an'nao ny fandresena. 10 Fa raha matàtra ny hidigna kosa anao, de midigna akao an-toby miaraka am'Pora mpanomoponao, 11 ary tainô ze lazainjareo, de hatanjaka ny herim-ponao am'fanafihana ny toby." Ary de nidigna niaraka tam'Pora mpanompony, takao am'reo tôrana fembesana ny toby i Gideona. 12 Ny Midianita, ny Amalekita, sy ny ôlà daôly avy aigny ambony de niara-nipetraka takao an-dôsaha, betsaka de betsaka ny andiam-balala. Tsy tambo isaina ny ramevanjareo; betsaka noho ny fasika akaigny amoron-dranomasina zareo. 13 Rafa tonga takao i Gideona, de nisy leilà raika nitantara nofy tam'namany. De ozy raleilà hoe: "Indro! Nagnofy za, ary nahita mofo hordea boribory nikodede takao an-tobin'i Midiana. De tonga takao an-day zany, sady nandona an'azy mafy de mafy ary lavo ka nitsimbadika ambony ambany, ka de fisaka ny farany." 14 De ozy le leilà raika hoe: "Tsisy dikany zany raha mihôtra ny sabatr'i Gideona (zanaka lahin'i Joasy), le Israelita. Efa nagnome an'azy fandresena takeo am'reo Midiana, sy ny maramilany daôly Andriamanitra." 15 Rafa regnin'i Gideona ndre ny fitantarana ny nofy sy ny fandikana an'zany, de nenkohoka nivavaka izy. De niverigna takao an-tobin'i Israely izy ka nagnano hoe: "Mifohaza! Efa namen'i Yaveh anareo ny fandresena ny maramila Midiana." 16 De nozarainy ho toko telo ny telonjato lahy, nameny trompetra sy siny fôgna izy daôy, miaraka am'reo jiro agnatin'ny siny isanisany. 17 De ozy izy taminjareo hoe: "Mizahava anà ka atôvo ze ataoko. Zahao! rafa tonga akeo amin'ny sisin'ny toby za, de tsy maintsy hataonareo ze hataoko. 18 Rafa mitsoka ny trompetra za, de za sy ze daôly miaraka aminà, de tsofo magnodidigna ny toby daôly ihany kô ny trompetranareo ka mihorakorà hoe: 'Ho an'i Yaveh sy Gideona!'" 19 De tonga takeo an-tsisin'ny toby i Gideona sy ny zato lahy ze niaraka taminazy, tam'fantomboan'ny antegnantegnam-potôna indrindra. Raha igny teo am-panolôna mpiambina igny indrindra reo Midianita, de notsofinjareo ny trompetra ary novakinjareo ny siny ze tan-tagnanjareo. 20 Notsofin'reo toko telo reo ny trompetra ary novakin'reo ny siny. Notananjareo tam'tagnana ankave reo jiro ary tam'tagnana ankavanana kosa reo trompetra mbô hitsofana an'zany. De nioraka mafy zareo hoe: "Ny sabatr'i Yaveh sy i Gideona." 21 Nitsangana nagnodidigna ny toby tam'fitôrany avy ny leilà daôly ary nilefa ny maramila Midiana daôly. De nagnantsoantso zareo sady vakilefa. 22 Rafa notsofinjareo ny trompetra telonjato, de nataon'i Yaveh nifamely tam'sabatra reo Midianita sy ny namany ary ny maramilany daôly. De nilefa hatraigny Beti-Sita hatraigny Zereraha ny maramila, hatraigny am'faritanin'i Abela-mehola, ankekin'i Tabata. 23 Nantsovina mafy reo leilàn'i Israely avy aigny Naftaly, Asera, ary Manase daôly, ary nagnenjika ny Midiana zareo. 24 De nagniraka mpitondra hafatra nagnerana ny tany antanetin'i Efraima daôly Godeona, nagnano hoe: "Mandiana midigna hanohitra ny Midiana ka araho maso ny ognin'i Jordana, hatraigny Beti-bara mba hampijanonana an'azy reo." De niara-nivory ny leilàn'i Efraima daôly ka nagnara-maso an'reo rano, hatraigny Beti-bara sy ny reniranon'i Jordana. 25 Vôsambotr'zareo ny andrian'ny Midiana rôy, Oreba sy Zeba. Novonònjareo taigny am'vatoben'i Oreba i Oreba, ary novonònjareo taigny am'famiazam-bôlobok'i Zeba i Zeba. De nagnenjika ny Midiana zareo, ary nindesinjareo takeo amin'i Gideona ny lôn'i Oreba sy i Zeba, ze taigny am'lafiny raika ambadik'i Jordana.