Faha 1

1 Reto no tenen’ny mpitoriteny, le taranak’i Davida sy mpanjakan’ i Jerosalema. 2 Ny mpitoriteny milaza an'zareo."Ôtrany enton’ny zavona, ôtrany tsio-drivotra ,ny fanjavognan'ny ra daôly ,mamela fangnontanena betsaka. 3 Ino no tombontsoa azon'ôlombelona avy amin'ny asa daôly ze nandreraka an'azy takeo ambany masoandro? 4 Ny taranaka raika lasana, ary ny taranaka raika hafa tonga, kanefa ny tany mitoetra mandrakizay. 5 Miposaka ny masoandro, ary milentika zay ary malaky hiverigna aigny am'tôrana ze hiposahany ndre. 6 Mitsoka magnatsimo ny rivotra ary mangnano faribolana mihodigna mankaigny avaratra, mande mihodigna am'lalany hatraigny ary miverigna ndre. 7 Reo ogny daôly mikorigna aigny an-dranomasina, fa ny ranomasina tsy mba mety fegno. Aigny am'ze tôrana handianan'reo ogny, no handianan'zany ndre. 8 Nanjary mandreraka ny ra daôly, ary tsisy afaka magnazava an'zany. Ny maso tsy afa-po am'ze tazagny, na ny sofigna tanteraka am'ze regniny. 9 Ze daôly efa takeo de mbôla ho akeo, ary ze daôl efa vita no mbôla ho atao. Tsisy ra vaovao aty ambany masoandro. 10 Misy ra ma ze mety lazaina hoe: Ra-vaovao ty'? Ze daôly misy de efa nisy hatram' fotôna ela, nandritr'reo taona ze tonga ela talôn-tsika. 11 Ôtrany tsisy ho mahatadidy an'reo ra ze nitranga tam'fotôna talô, sy reo ra ze nitranga vô vetivetika ary reo ze mbôla hitranga amin'ny ho avy de tsy ho tadidy kô." 12 Zah le Mpitoriteny, ary efa mpanjaka takeo amin'Israely taigny Jerosalema. 13 Nampiasa ny saignako za mba hianatra sy hikaroka am-pahendrena ny ra daôly ze natao aigny ambanin'ny lagnitra. Zany fikarakaràna zany de asa mavesatra ze namen'Andriamanitra an'reo zanak'ôlombelona mba hisasarana. 14 Efa hitako avokô ny asa daôly ze natao aty ambany masoandro, ary indro, izy daôly reo de mitsavovogna sy fiezahana hisambo-drivotra. 15 Ny meloka de tsy mety hahitsy! Ny tsy tonga tsy azo isaina! 16 Nitare tam'foko za nagnano hoe:"Za de nahazo fahendrena leibe nohon'reo daôly ze talôko taigny Jerosalema. Ny saignako de nahita fahendrena sy fahalalana lehibe." 17 Ka nampiasa ny foko za mba hahalala fahendrena sy fahaverezan-tsaigna ary hadalana ihany kô. Tonga za mba hahatakatra fa fikasàna ny hisambo-drivotra ihany kô zany. 18 Fa am'fitobahan'ny fahendrena no mampisy fahorena be, ary ze mampitombo fahalalana de mampitombo alahelo.