1
Tam'vôlôn-taonan'i Belsazara mpanjakan'i Babylonia, de nagnofy sy nahazo fahitana takao an-tsaignany i Daniela raha nandry takeo am-pandrenany izy. Avy akeo ade nanoratra an'ze hitany takao am'nofiny izy. Nanoratra an'reo tranga tegna manan-danja izy:
2
Nagnazava i Daniela hoe: "Takao agnatin'le fahitako tamin'ny alina de nahita an'reo rivotra efatry ny lagnitra za ka nampihetsika ny ranomasim-be.
3
Biby gedabe efatra, samihafa karazagna isanisany, no niakatra avy takao am'ranomasina.
4
Le vôlôny de ôtran'ny liona fa managna elatra voromahery. Raha mijery za, rovitra reo embagny ary miainga am'tany zany ka mitsangana am'tongotra rôny, ôtran'ny ôlà. Namena an'zany ny fisaignan'ny ôlà.
5
Avy akeo de nisy biby faharô, ôtran'ny bera, ary niondrika zany; nanagna tôlan-tehezana telo akeo agnalagnelagn'ny nifiny sy ny vavany zany. Notenenina zany hoe: 'Mifohaza ary mandrapaha ôlà maro.'
6
Tafaran'zany de nitazagna ndre za. Nisy biby raika hafa, raika ze miendrika sala ny leoparda. Takeo an-dakambon'zany de nisy elatra efatra ôtran'ny elatry ny vorogna, ary nanagna lôha efatra zany. Namena fahefana hanapaka zany.
7
Tafaran'zay de nahita biby fahefatra takao agnatin'le nofiko tamin'ny alina za, nampihorohoro, nampatàtra, ary tegna natanjaka. Nanagna nify vy gedabe izy; nandrapaka zany, namotipotika, ary nagnitsakitsaka an'ze tavela am'tongotra. Zany de tsy nitovy am'reo biby hafa, ary nanagna tandroka folo izy.
8
Raha nandinika an'reo tandroka za, de nijery ary nahita tandroka hafa maniry akeo am'zany, tandroka kely raika. Ny telo am'reo tandroka vôlôny de nivôka tam'fakany. Nahita maso ôtran'ny mason'ôlà takao agnatin'io tandroka io za ary vava ze nirehareha momba an'reo ra gedabe.
9
Raha nijery za, de nipetraka tam'tôrany reo seza fiandrianana, ary reo Andro Talôha elabe no naka ny fitôrany. Fotsy sala ny oram-panala ny akanjony, ary ny volon-dôny de sala ny volon-ondry fotsy tsy mifangaro. Lelan'afo no seza fiandrianany, ary reo kodiarany de afo mirehitra.
10
Nikorigna nivôka avy takeo agnolônany ny lôharanon'afo; an-tapitrisany no nanompo an'azy, ary zato tapitrisa no nitsangana akeo agnatrehany. Nivory ny fitsarana, ary nisokatra reo boky.
11
Mbôla nitazagna hatraigny za noho ny teny mihô-pampagna nolazain'reo tandroka. Nizaha za raha igny mbôla novonòna igny le biby, ary noratina ny vatagny, ka natolotra mba ho dorôna zany.
12
Ary ny sisa tam'reo biby efatra, de nalàna ny fahefanjareo hanapaka, kanefa nalavaina ny fehim-potôna hiaignanjareo.
13
Takao agnatin'le fahitako io alina io, de nahita ôlà raika tonga niaraka tam'reo rôndro sala ny zanak'ôlà za; tonga takeo am'reo Andro Talôha elabe izy ary nabôgna takeo agnatrehany.
14
Namena an'azy ny fahefana hanapaka sy voninàtra ary hery fiandrianana mba hanompo an'azy reo ôlà daôly, reo firenena, ary reo fiteny isan-karazagny. Ny fahefany hanapaka de fahefana mandrakizay ze tsy ho levona, ary ny fanjakany de le tsy ho rava mandrakizay.
15
Raha ny aminà, Daniela, de malahelo akato agnatiko ny fagnàko, ary reo fahitana ze hitako takao an-tsaignako de mampangitakitaka anà.
16
Nagnatogna ny raika tam'reo nitsangana taigny za ary nangataka taminazy mba hagnatoròny anà ny dikan'reo ra reo.
17
Reo biby geda reo, efatra raha isaina, de mpanjaka efatra ze hisandratra avy am'tany.
18
Fa reo ôlomasin'Le Avo Indrindra de handray fanjakana, ary hanagna an'zany ho fanagnana mandrakizay doria zareo.'
19
Ary te hahafantatra misimisy momba an'le biby fahefatra za___tegna hafa tokô am'reo sanagny zany ary tegna mampiori-koditra tokô am'le nifiny vy sy reo angofo varagna; mandrapaka zany, mamotipotika, ary magnitsakitsaka am'tongony ze taveka.
20
Te-hafantatra momba an'reo tandroka folo akeo an-dôny za, ary momba an'le tandroka hafa ze nitombo, ary nisy tandroka telo potraka takeo alôny. Te-hafantatra momba an'le tandroka ze mana-maso ary momba an'le vava ze mirehareha momba an'reo ra leibe za ary ôtrany leibe mandombolombo an'reo namany izany.
21
Raha nijery za, io tandroka io de mikarama an'ady manohitra an'reo ôlàmasina ary naharesy an'njareo
22
mandra-peven'reo Andro Fahagola, ary ny fahamarinana de namena an'reo ôlomasin'le Avo Indrindra. Avy akeo de tonga ny fotôna rafa nandray ny fanjakana reo ôlomasina.
23
Zao no nolazain'le ôlà: 'Raha ny am'le biby fahefatra, ho fanjakana fahefatra am'tany ze ho hafa am'reo fanjakana hafa daôly zany. Handrapaka ny tany iray manontolo zany, hagnitsaka sy handrava an'azy ho potipotginy.
24
Raha ny am'reo tandroka folo, mpanjaka folo no hisandratra avy amin'io fanjakana io, ary raika hafa no hisandratra afaranjareo. Ho hafa am'reo takeo alôha zany, ary handresy an'reo mpanjaka telo izy.
25
Hilaza teny manohitra an'le Avo Indrindra izy ary hampahory an'reo ôlomasin'Andriamanitra Avo Indrindra. Hiezaka hagnova an'reo fankalazana sy reo lalàna izy. Reo ra reo de amena akeo an-tagnany mandritra ny herin-taona, roa taona, ary tapa-taona.
26
Fa hivory ny fitsarana, ka hiaka ny herin'ny fiandrianana mba haràtra sy ho rava aigny am'farany zareo.
27
Ny fanjakana sy ny fanapahana, ary ny halehibiazan'ny fanjakana akeo ambanin'ny lagnitra manontolo, de hamena an'reo ôlà ze an'reo ôlomasin'le Avo Indrindra. Ny fanjakany de fanjakana maharitra mandrakizay, ary reo fanjakana hafa daôly de hanompo sy hankato an'azy.'
28
Ty no faran'ny tranga. Raha ny aminà, Daniela, nanaitra anà tanteraka reo eritreritro ay niova endrika ny tareko. Fa nitanako ho anà rerika reo ra reo.