Toko faha 5

1 Tainô ty teny ze nataoko ho fitaraignana akeo aminao ty, ry zanak'Israely. 2 Lavo ny virijin'i Israely ary tsy tafatsangana mitsy izy; nalavo tamin'ny taniny izy; ary tsisy na de raika aza hanangana an'azy. 3 Fa zao no lazain'i Tompo Yaveh: "Le tanàna ivoahan'ny arivo de hanagna zato tavela, ary ze namoka zato de hanagna folo tavela ze an'ny zanak'Israely." 4 Fa zao no lazain'i Yaveh tamin'ny zanak'Israely hoe: "Karao Za ho velona anao! 5 Aza mikaraka an'i Betela; na miditra aigny Gelgala; aza mandeha aigny Beri-sheba. Fa Gilgala de ho azo babo, ary atao tsinotsino i Betela. 6 Karao i Yaveh de ho velona ianao, fa raha tsy zany de hivôka ôtran'ny afo akao amin'ny fianakaven'i Josefa Izy. Handevona zany, ary tsy hisy na iza na iza hamono an'zany aigny Betela. 7 Reo ôla reo de hamadika ny rariny ho mangidy ary hanipy ny fahamarinana amin'ny tany!" 8 ndriamanitra nagnano an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy; magnova ny haizigna ho maraina Izy; nagnano ny andro maizigna miaraka amin'ny alina Izy ary magnantso ranon'ranomasina ary magnidigna an'reo amin'ny tany Izy. Yaveh no agnarany! 9 Mitondra fandringanana tampoka akeo amin'ny matanjaka Izy mba ho tonga akeo amin'ny fiarovana mafy ny fandravana. 10 Mankahala ny ôla daôly ze magnitsy an'azy reo akao amin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, ary mankahala ny ôla daôly ze milaza ny marina zareo. 11 Satria nagnitsakitsaka ny mahantra anao ary miaka anjara vary aminazy, ka na de nanangana tragno vita tamin'ny vato aza anao, de tsy hipetraka akao am'zany. Managna tanim-boaloboka tsara anao, kanefa tsy hisotro ny divain'zany. 12 Fa fantatro ny isan'ny helokareo sy ny fahotanareo de anao ze nampahory ny rairiny sy mandray kolikoly ary mivily miala am'reo ôla mila fagnampena akao amin'ny vavahadin'ny tanàna. 13 Noho zany de mangigna am'zany ny ôla manantsaigna, satria andro mampahory zany. 14 Karao ny tsara fa aza ny ratsy mba ho velona anao. Noho zany Yaveh, le Andriamanitry ny maro, de tegna homba an'nao, araka ze efa nolagninao Izy. 15 Ialao ny ratsy, tiavo ny tsara, atsangano ny rariny akeo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Angamba Yaveh le Andriamanitry ny maro hamindra fo am'reo sisa navelan'i Josefa. 16 Noho zany, zao no lazain'i Yaveh, le Andriamanitry ny maro hoe: "Ny fisaonana de ho amin'ny reo ankalamanjana, ary hilaza an'zany aigny amin'ny lalambe daôly zareo, 'Loza, loza!' Hagnantso an'reo mpamboly mba ho amin'ny fisaonana zareo ary reo malahelo mba higololoka. 17 Hisy fisaonana akao am'reo tanimboaloboka daôly, satria handalo akao ampovônareo Za," hoy Yaveh. 18 Loza ho an'nareo ze magniry ny andron'i Yaveh! Nagnino anareo no magniry ny andron'i Yaveh? Ho fahamaizinana zany ary tsisy hazavana, 19 ôtran'ny ôla milefa liona sy bera mifanena aminazy, na miditra akao amin'ny tragno sy mametraka ny tagnany akeo amin'ny manda ary magnekitra an'azy ny menaragna. 20 Fa anga ma ny andron'i Yaveh tsy aizigna fa tsy fahazavana? Haizim-pito ary tsisy mangiragna? 21 Halako, ary ataoko tsinotsino ny andro firavoravônareo, ary tsy ho hagnitra ankasitrana akeo Amina ny fivorenareo. 22 Na de manolotra fagnatitra dorôna sy fagnatitra hoanina Aminà aza anareo, de tsy handray an'reo Za, na hijery ny fagnati-pihavanana ataonareo. 23 Atsaharo ny tabataban'ny hiranareo tsy hitaino ny feon'ny lokanganareo Za. 24 Fa kosa avilay hikorigna ôtran'ny rano ny rariny, ary fahamarinana ôtran'ny renirano misosa moramora. 25 Nitondra sorogna sy fagnatitra taigny agn'efitra nandritra ny efapolo taona ho Anà ma anareo, ry zanak'Israely? 26 Hanandratra an'i Sokata ho mpanjakanareo anareo, ary kiona, andriamanitry ny kintanareo__ sampinareo. 27 Noho zany de alefako sesitany mihôtra an'i Damaskosy anareo, "ozy Yaveh, ze Andriamanitry ny maro no agnarany.