Toko faha 4

1 Tainô zao teny zao, anareo ry aombivavin'i Basana, anareo ze aigny antendrombotran'i Samaria, anareo ze mampahory ny mahantra, anareo ze manorotoro ny malahelo, anareo ze milaza amin'ny vadinareo hoe: "Itondrao zava-pisotro zahay." 2 Efa nianiana tamin'ny fahamasinany ny Tompo Yaveh hoe: "Ho avy ny andro ze itaritany an'nareo amin'ny firango, ary sisa aminareo amin'ny fintana. 3 Hivôka akeo am'le vaky amin'ny mandan'ny tanàna anareo, samy hagnitsy am'zany avy, ary atsipy aigny avelagny mankaigny Harmona anareo_ ozy Yaveh." 4 "Mandeana aigny Betela de magnotà, aigny Gilgala ka ampitomboso ny fahotana, ento isaky ny ampôlakeka ny sorognareo, ny ampafafolonkarenanareo isaky ny telo andro. 5 Magnatera sorogna fagnati-pisaorana miaraka amin'ny mofo; milaza fagnati-tsitrapo; lazao reo, fa mafinaritra an'nareo zany, ry zanak'Israely_ zany no lazain'i Tompo Yaveh. 6 Nameko fagnafodinify anareo taigny amin'ny tanananareo daôly ary tsy fahampen'ny mofo tao amin'ny tôranareo daôly. Kanefa tsy niverigna taminà fôgna anareo_ zany no lazain'i Yaveh. 7 Nanakana ny orana tsy ho avy teo aminareo kô Za telo volana talôhan'ny miaka bokata. Nataoko nagnorana tao amin'ny tanàna raika, ary nataoko tsy nagnorana ny tanana hafa. Ny tany sasagny nisy orana, fa ny tany hafa ze tsy mba nisy orana de maigna. 8 Tanàna rôy na telo no nivembena nankaigny amin'ny tanàna hafa mba hisotrorano, nefa tsy afa-po. Kanefa tsy mbôla niverigna tamina fôgna anareo_ zany no lazain'i Yaveh. 9 Nampahory an'nareo tamin'ny fahamaignan'ny voly sy ny bobongolo Za. Ny habetsaky ny sahanareo, ny tanim-bolobokareo, ny kakazon'aviavinareo, ary ny hazon'oliva nareo de efa nohanin'ny valalagna daôly izy daôly. Kanefa tsy niverigna tamina fôgna anareo ozy Yaveh. 10 Nagnandefa areti-mandringana teo aminareo ôtran'ny taigny Egypta Za. Novonoko tamin-tsabatra ny tovolahinareo, nalaiko ny soavalinareo, ary nataoko teo ambava orognareo ny hamaimbon'ny tobinareo. Kanefa tsy niverigna taminà anareo, ozy Yaveh. 11 Nandringana tanàna teo aminareo Za, ôtran'ny nandriganan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomara. Efa salan'ny tapa-porôgna miretra nosontonina avy tao agnaty afo anareo. Kanefa tsy niverigna tamina fôgna anareo, zany no lazain'i Yaveh. 12 Noho zany de hagnano ra tsy manjary aminareo Za, ry Israely; ary satria hagnano an'zany Za de miomagna hiaogna amin'ny Andriamanitrao ry Israely! 13 Fa indro, le nagnano ny tendrombotra no nahary ny rivotra, mampiseho ny heviny amin'ny zanak'ôlombelona, matonga ny maraina ho aizigna, ary magnosiosy ny toerana avon'ny Tany. Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro, no agnarany."