Faha 19

1 Niverigna sôman-tsara taigny an-dragnony taigny Jerosalema i Josafata mpanjakan'i Joda. 2 Avy akeo Jeho zanaka lahin'i Hanana, le mpahita, nivôka hitsena an'azy ka nitare tamin'i Josafata mpanjaka hoe: "Tokony hagnampy ny ratsy fagnà ma anao? Tokony hitè an'reo ze mankahala an'i Yaveh ma anao? Noho zany asa zany, de akao aminao ny hasosena avy amin'i Yaveh. 3 Na zany aza, de mbôla misy tsara hita akao agnatinao, fa nalanao hiala ny tany reo baon'Aseraha, ary efa nanefy ny fonao hikaraka an'Andriamanitra anao." 4 Nipetraka tao Jerosalema i Josafata; ary nivôka hitety ny vahôka ndre izy hatraigny Beriseba ka hatraigny am'tany havôgnan'i Efraima ka nitondra an'njareo niverigna taigny amin'i Yaveh, le Andriamanitry ny razambenjareo. 5 Nametraka mpitsara taigny am'tany nagnerana an'reo tanàna mimanda daôly taigny Joda izy, isaky ny tanàna. 6 Ozy izy tam'reo mpitsara hoe: "Diniho ze tokony hataonareo, satria tsy mitsara ho an'ôlà anareo, fa ho an'i Yaveh; momba an'nareo Izy amin'ny asam-pitsarana. 7 Ka am'zao, ôka ho aminareo ny tàtra an'i Yaveh. Mitandrema rafa mitsara anareo, fa tsy mba misy heloka amin'i Yaveh Andriamanitsika, na fizahan-tavan'ôlà na fandraisana kolikoly." 8 Ka, nanendry ny sanagny tam'reo Levita sy reo mpisorogna, ary ny sanany tam'reo mpitarika ny tragnon-drazagn'Israely takao Jerosalema i Josafata, ho am'fanatanterahana ny fitsarana ho an'i Yaveh, ary ho am'reo fifandirana. Nipetraka tao Jerosalema zareo. 9 Nampianatra an'njareo izy, nagnano hoe: "Tokony hanompo an'i Yaveh am-pagnajana, am-pahatokiana, ary am'fonareo manontolo anareo. 10 Na ovena na ovena tonga aminareo ny fifandirana am'reo rahalànareo ze mipetraka aigny am'tanànanjareo, na mahakasika ny fandatsahan-drà, na momba an'reo didy aman-dalàna, de ampitandremo zareo, mba tsy ho tonga meloka akeo agnatrehan'i Yaveh zareo, raha tsy zany de ho tonga aminareo sy am'reo rahalànareo ny hasosena. Zany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka anareo. 11 Amaria mpisorognabe no akeo aminareo am'raharahan'i Yaveh daôly. Zebadia zanaka lahin'Ismaela, mpitarika ny taranak'i Joda, no miandraikitra ny raharahan'ny mpanjaka daôly. Reo Levita ihany kô de ho manam-pahefana hanompo an'nareo. Mahereza ka araho reo torolalanareo reo, ary Yaveh anie homba an'reo ze tsara."