Toko faha 3
1
Ampaherezo rozy hagnenky gnan'ireo mpanapaky voho reo manam-pahefa, hankato gnan-drozy, ho vonona amin'ny asa soa iaby.
2
Ampatiarovo gnan-drozy tsy haneso na ia ia , hiala amin'ny adihevitsy , hamela gny hafa hagnaraky gny lalany, voho hampiseho fanetren-tena amin'ny olo iaby.
3
Fa taloha gny vatantsika la tsy nanan-tsiny sady tsy nankato. Voatariky tamin'ny lalan-diso tsika sady nandevozin'ny fila voho gny fahafinareta sambihafa. Niay tao amin'ny faharatia voho gny fialogna tsika. Nankalaza rahay sady nifankalay tsika.
4
Fa lafa niseho gny hasoam-pagnahin-Dranagnahary mpamonjy gnantsika voho gny hateany gny olombelo,
5
la tsy tamin'ny asan'ny fahamarigna nataontsika io, fa tamin'ny famindram-pony ro namomjea gnantsika. Ie la namomjy gnantsika tamin'ny alalan'ny fagnadiovan'ny fahateraham-baovao voho gny fanavaoza tamin'ny Fagnahy Masy.
6
Ndranagnahary nandrotsaky maro tamintsika gny Fagnahy Masy tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpamonjy gnantsika.
7
Nataony io mba , ho voamarina tamin'ny fahasoava , la ho tonga mpandova tsika amin'ny alalan'ny fahatokisa gny fiaigna mandrakizay.
8
Io hafatsy io la mendriki-pitokisa . Teako hilaza momba gnan'io raha io am-pahatokia nareo, mba reo zay mahatoky gnan-Dranagnahary la hikasa hanao gnan'ireo asa soa zay fa napetrany talohan-drozy. Io raha io la sady soa ro mahasoa ho gnan'ny olo iaby.
9
Fa ialao gny adihevitsy adala voho gny tantaram-pirazagna voho gny fifandira voho gny aly momban'ny lalagna. Reo raha reo la zava-poana voho tsy mahasoa.
10
Manda zay olo iaby miteraky fizarazara eo agnivonareo , afaran'ny fampitandrema gnindraiky na gnindroe,
11
sady fantaro fa gny olo manahaky gnan'io la niala tamin'ny lala to sady manota voho magnameloky gny vatany.
12
Lafa nagniraky gnan'i Artema na Tykiko agny aminareo aho, la faingana voho mankanesa agny amiko agny Nikopolia, zay nanapahako hevitsy andania gny ririnina.
13
Malaky voho alefaso Zena, gny mpahay lalagna, voho Apolosy , mba tsy hanan-java-mahory rozy.
14
Gny olontsika la tsy maintsy mianatsy manao asa soa zay ila malaky mba tsy ahatonga gnan-drozy tsy hamokatsy.
15
Reo iaby miaraky amiko la manao veloma gnanareo. Manaova veloma reo zay tea gnantsika amin'ny finoa. Ho aminareo iaby anie gny fahasoava.