Toko 1

1 Paoly, mpanompon-Dranagnahary sady Apostolon'i Jesosy Kristy, hagnamafy gny finoan'ny olom-boafilin-Dranagnahary voho gny fahay gny to zay magnaraky gny toe-pagnahy araky an-Dranagnahary, 2 amin'ny fahatokia gny fiaigna mandrakizay, zay nampanatenain-Dranagnahary, gny tsy mavandy, tamy fahagola. 3 Tamin'ny fotoa voatondro, la nasehony gny vatany tamin'ny hafatsy izay natokisany ho ampitako. Nataoko izay araky gny lilin-dragnahary gny Mpamonjy antsika. 4 Ho gnan'i Titosy , anaky marina ao amin'ny finoa hiombognantsika. Fahasoava voho fiadagna bakamin-Dranagnahary gny Baba voho Jesosy Kristy Mpamonjy gnantsika. 5 Noho zao antony zao ro namelako gnanao tagny Kreta, la gny mba handamina gnan'ireo raha mbo tsy vita voho hanendry loholona isaky gny tana araky zay fa nandidiako gnanao. 6 Gny loholona la tsy tokony hanan-tsiny mihintsy, valin'ny ampela raiky,mana anaky mino tsy voampanga ho magnara-po amin'ny raty ma maheriloha. 7 Ilan'ny mpitandrina, amin'ny maha-mpanao gny asan-Dranaganahary, gny tsy fanagnan-tsiny . Tsy tokony hahery firesaky na mirehareha. Tsy tokony ho mora masiaky, tsy mpmamo, tsy lian'aly, voho tsy olo tea vola. 8 Fa koa, tokony hampiantragno ie, naman'izay soa. Tsy maintsy mahonon-tena , marina, masina, voho mahafehy tena. 9 Tokony mita mare gny hafatsy zay fa nampianary ie, mba ahafahany mampahery reo hafa amin'ny fampianara soa voho hagnitsy gnan'ireo zay manohitsy gnazy. 10 Fa maro gny olo mpikomy, indrindra reo zay voafora. Tsy misy lanjany gny safan-drozy. Mandiso fanantena voho mitariky gny olo agny amin'ny lalan-diso rozy. 11 Ila gny manaka gnan-drozy. Mampianatsy gny tsy tokony hampianary gnan-drozy mba ahazoa hanagna maloto voho mandrava gny fianakavia manontolo. 12 Nisy raiky tamin-drozy , zay johary hendrin-drozy, nilaza hoe:" Gny Kretana la mpavandy mandrakariva, raty voho biby madoza,kamo be tenda." 13 marina io voalaza io, nohon'io agnaro mare rozy mba hatanjaky amin'ny finoa. 14 Ka miraharaha gnan'ireo angonon'ny Jiosy na reo lilin'ny olo zay niala tamin'ny fahamarigna. 15 Ho gnan'ireo zay malio, la malio gny raha iaby. Fa ho gnan'ireo zay voaloto voho tsy mino koa, la tsy misy malio na ino na ino. Noho gny say voho gny fieretreretany fa voaloto. 16 Manaiky fa mahalala an-Dranagnahary rozy, nefa mandietsy Gnazy amin'ireo asany. Mpalay voho mpandika lalagna rozy. Tsy mahavita asa soa na ino na ino.